dago tsiaro

1. sakaymena ( 02/06/2009 20:25)


TONOTONO,KALOKALO,
HIRAHIRA ,SIOSIOKA
SY NY SARY NDRAY MIPIKA
LAY ZOMA MANIFIKA
NY REVY SY SIPASIPA
MIARAKA AM MASKITA

TAPITRA FA NIAKATRA NY SORATRA
répondu par kotobekibo le 03/06/2009 19:57
2. ni81 ( 03/06/2009 12:57)
:cry: :cry:
http://www.dailymotion.com/user/kamovavy/video/x8f387_mamy-ny-akany-faniry-rija-ramananto_music :cry:
3. Mirananirina ( 03/06/2009 14:35)
TONOTONO,KALOKALO,
HIRAHIRA ,SIOSIOKA
SY NY SARY NDRAY MIPIKA
LAY ZOMA MANIFIKA
NY REVY SY SIPASIPA
MIARAKA AM MASKITA

sambatra ianareo,izahay tsy mba nahita izany zoma manifika sy revy izany.
asa dia miasa
4. milamm ( 03/06/2009 17:50)
:D marina dolidoly izany sakaymena a,nena indray nampahatsiaro an'ahy an'i Dago dia ity lahatsoratra ahitana ity haiteny notsongaina tao anaty ilay boky "Ranitra",nosoratany Elie Rajaonarison,dikanteny malagasy nataon'i Patrick Rakotolahy

Madagasikara...
Kanto noho ny kanto
kanefa ihany koa ! harena sarobidy...

Fa izy nihira Anao
nilaza ho tena tia
Fa maminy hono Ianao
malalany andrianiny
dia ho hitany ho anao ny teny soa rehetra
sy ny hiakam-pitolomana !
toa tsy manam-petra
Tiany hono Ianao ilay taniny !

Avy izy nikabary
nilaza an-karihary
fa Ianao no fototr'asany
fa Ianao no nofinofy nanemotra ny lalany
mameno ilay anio
dia miantoka ilay ho avy !

5. milamm ( 03/06/2009 19:18)
fa le hira nalefany ni81 ko aloha de favo be,fa misaotra
6. kotobekibo ( 03/06/2009 19:57)
ny nahalahelovako indrindra dia ny famadihana :
- milay ery anie ilay mitsinjaka ao anaty tany mena iny e!
koooseo ! koooseo !!! MDR
- ny fisotroana taoka gasy apasiana @ ilay zinga kely ( ao daholo no miaramisotro )
- ny mpitsoka mozika tsy d mandé @ ze ozany firy fa tena misy feeling b .
- ny vary b menaka
- ny manombina an'ilay sofin-kisoa na ny rambony @ antsy pika mandritra ny fandorona ny volony .
- ny fifankahitana @ havana rehetra ....
aie aie aie.... :-P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1709