Nodimandry omaly i Ali na Dr Johary (Malok'ila)
1. RATOVOARY
(
16/05/2009 06:25)
Gazetiko:
Banga iray ny kintan'ny mpilalao filma gasy. Misaona ary maloka tanteraka (fa tsy malok'ila) ny zavakanto malagasy. Nodimandry omaly, teo amin'ny faha-31 taonany (30/08/1978), ny dokotera Ranaivoson Benjamina Andriamanalina, fantatry ny maro tamin'ny Ali (Jiaby jiaby) na ny dokotera Johary (Malok'ila). Isan'ny mpilalao kintana sy be mpankafy sady herin'ny ekipan'ny Scoop Digital ny lehilahy, ka profon'izany ny nifidianan'i Lola azy hamelona ny rindran-tsarin'i « Alao laka ». Tao amin'ny hopitaliben'Androva Mahajanga no nindaosin'ny fahafatesana izy, omaly tokony ho tamin'ny 11 ora maraina teo ho eo. Efa fotoana elaela no voalaza fa naharariany tao, rehefa nampiakarina tao Mahajanga avy any Tsaratanana, izay niasany. Any amin'ny hopitalin'ny Tsaratanana mantsy izy no miasa (dokotera) rehefa nahavita ny fianarana ho mpitsabo teny amin'ny onivesite. « Tsy malok'ila intsony fa maizina tanteraka izahay ekipan'ny Scoop Digital », hoy Atoa Mamitiana raha nanotanianay. Miantso ny artista rehetra izy hiaraka hanotrona ny vatamangatsiakan'i Ali ny alahady izao eto an-drenivohitra. Rahampitso sabotsy dia horaisin'ny vahoakan'i Mahajanga ny fiandrasana ny razana ka ny alahady maraina no hiainga any an-toerana. Ny alahady kosa anjaran'Antananarivo ary ny alatsinainy no halevina eny Ankadikely Ilafy ny nofomangatsiakany. Izahay eto amin'ny Gazetiko, dia mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany manontolo.
http://img140.imageshack.us/img140/4890/93536805.jpg
répondu par fijo le 25/07/2009 19:31
3. fahamarinana
(
16/05/2009 07:19)
:arrow: Misaotra nampilaza Zandry o !Ndry !vao iray volana izay no nijery ilay malok'ila aho ! Dia mirary fiononana ny fianakaviany e ! :( (l)
4. mmmhh
(
16/05/2009 07:26)
tena ontsa ny fo, na tsy olona mifankahafantatra aza izahay dia nampifandraisin'i scoop digital am-po,
Tsy hoe lasa vao ra-malala fa tena anisan'i mpilalao sarimihetsika malagasy tiako izy, eny e, ry zareo ao @ scoop digital tiako daholo,
Tena tsy nahalatsaka sakafo mintsy zah vao nahare an'io t@ vaovao omaly,
Miara-miory @ fianakaviana ny tenako, :snif: :snif: :snif:
Tsy mba ho any @ maison de la culture ve Ratovoary?? Enao manko any Mahajanga araky ny mombamomba anao, rah mba tany aho de nankany indrisy,

5. RATOVOARY
(
16/05/2009 07:50)
Tena ontsa tokoa ny fo, na de tany Tsaratanàna za izy no niasa @ maha-mpitsabo azy dia matetika mpandalo eto Majunga, ary isany tia tsikitsiky rahateo, be namana izy eny fa na dia ireo tsy mpiara-nilalao tamin'ny fahazazany aza de zary nifananihany sy mpiresaka aminy rehefa eny andalana eny. Miara-ory @ fianakaviany ny mponin'ny Mahajanga.
Ho any tokoa rahariva, isan'ny reharehan'i Mahajanga ny fananana olo-manga sady manantalenta toa azy.
Tsy mba ho any @ maison de la culture ve Ratovoary?? Enao manko any Mahajanga araky ny mombamomba anao, rah mba tany aho de nankany indrisy,
Ho any tokoa rahariva, isan'ny reharehan'i Mahajanga ny fananana olo-manga sady manantalenta toa azy.
6. mmmhh
(
16/05/2009 08:12)
RATOVOARY:
Ho any tokoa rahariva, isan'ny reharehan'i Mahajanga ny fananana olo-manga sady manantalenta toa azy.
Ie, ndana mba misolo tena ny namana serasera any e, =(( :snif:
7. KIMBERLY
(
16/05/2009 08:38)
:( :( :( :( :( :( :( :( ndryyyyyyy tena mapalahelo :( :( :( za dia mpakafy azy mihitsy anisany mpilalao film gasy tiko koa izy ontsa mits ny fo mijery ny sariny
miara-ory @ ireo fianankaviana rehetra ny tenako :( :( :(
miara-ory @ ireo fianankaviana rehetra ny tenako :( :( :(
8. Mirananirina
(
16/05/2009 11:15)
mamangy amin'ny fahoriana ny fianakaviany rehetra sy ireo namany
9. desirelyaime
(
16/05/2009 12:59)
Nitazona anjara toerana lehibe teo @ sarimihetsika malagasy i Alli, hany ka izay rehetra nijery dia nankafy sy nahita ny hakanton'ny sarimihetsika nisy azy .
Mirary fiononana tanteraka ho an'ny fianakaviany sy ireo mpirary ekipa aminy . Vonto ny maso, mangidy ny rora ,ary vahotra ny vava, vonton'alahelo ny fo eo anatrehan'ny fisarahana tahaka ireny , indrindra fa hoe tena folaka an-dantony , tanora vao herotrerony izy. Miombona alahelo tanteraka aminareo . Mahereza Tompoko. :snif: :snif: :snif:

11. sapele
(
16/05/2009 15:34)
ny fomba fiteniny somary tavaratra no tena nankafizako azy iny satri tsy mitovy ny fiteniko,maereza daholo indrindra ny mpakafy ny horonan-tsariny fa ny Avo tokoa no maka sy nanome,isaorana izy. :cry: :cry: :cry:
12. mmmhh
(
18/05/2009 13:09)
androany tkou moa ny fandevenana?
Nanao ahoana ny fanaovam-beloma tany Majunga?
de nanao ahoana ny fitsenana azy tao Tana?
Mba tantarao e?
Nanao ahoana ny fanaovam-beloma tany Majunga?
de nanao ahoana ny fitsenana azy tao Tana?
Mba tantarao e?
13. endrika01
(
20/05/2009 10:31)
Mahereza daholo! Ny tany fandalovana,ka rehefa tonga ny fotoana hiatsoany Mpahary,dia tsy maintsy mody !Tena valaketraka tokou ny tenako,nandre io vaovao mampalahelo io,efa andro vitsivitsy no nilazanireo namana akaiky,nefa zah tsy nety nino,anisany mpakafy ny horonan-tsary (Malok ila ) iny mantsy ny tenanay na dia aty ampitan-dranomasina lavitra be aty aza! Mahereza daholo:-*:-*:-* mirary fihononana tanteraka hoany fianakaviany rehetra !
14. tsiambaratelo
(
21/05/2009 03:27)