Miresaka momba ny

1. ari.malala ( 07/05/2009 08:38)
Miala tsiny mialoha aho raha sanatria misy tohina. Ny fanontaniana tiako apetraka, somary endrika sondage iany raha ny marina, satria mila manao presentaion zay za d io no lohahevitra nosafidiako satria na dia amizao fotoana iainantsika izao, dia mbola toy ny "taboo" iany ny firesahana momba ny sexe. Ny tiako ho fantatra, araka ny hevitrareo, efa miresaka "ouvertement" momba ny sexe @ zanany na ny mpianany ve ny ray aman-dreny na ny mpampianatra? Efa miresaka "tsy misy retenue" intsony? sa mbola menamenatra sy miolankolana refa miresaka momba ny taovam-pananahana? Misaotra mialoha @ fanampiana.
répondu par tywa68 le 11/05/2009 06:09
2. xxx ( 07/05/2009 10:36)
Ny ao aminay aloha tsy misy olana loatra izany e,
Ny Rainay angaha, izy tsy de be miteny de tsy de miresaka loatra aminy zahay, na resaka inona io na resaka inona,
fa ny reninay kosa, tsy manisy olana ny @ zany, sady izy ihany no mba namana azo antoka e,
3. nani ( 07/05/2009 16:07)
Ny ana aloha mbola kely be ny zanako dia mbola tsy misy resaka .
Fa ny hitako amin izao any dago , ilay cousine keliko ireny efa miresaka amin reniny izy . Fa na izany aza tsy de hoe direrkta be , fa ohatran hoe manana tra fotsiny zany ny RAD hoe tandremo fa refa zao de zao .De ny zanaka vavy ihany ny miresaka aminn maman , fa ny zaza lahy samy mandeha samy mitady eny ! Ary lai resaka refa aminn agen puberte any vao atomboka fa tsy hoe mbola kely de lasa zao .
4. soanja ( 07/05/2009 19:30)
ari.malala:

Miala tsiny mialoha aho raha sanatria misy tohina. Ny fanontaniana tiako apetraka, somary endrika sondage iany raha ny marina, satria mila manao presentaion zay za d io no lohahevitra nosafidiako satria na dia amizao fotoana iainantsika izao, dia mbola toy ny "taboo" iany ny firesahana momba ny sexe. Ny tiako ho fantatra, araka ny hevitrareo, efa miresaka "ouvertement" momba ny sexe @ zanany na ny mpianany ve ny ray aman-dreny na ny mpampianatra? Efa miresaka "tsy misy retenue" intsony? sa mbola menamenatra sy miolankolana refa miresaka momba ny taovam-pananahana? Misaotra mialoha @ fanampiana.


Mbola 2 taona sy tapany ny zaza kely iray dia mahatsikaritra fa tsy mitovy ny fitaovam-pananahantsika olombelona. Misy lahy sy vavy. Amin'iny fotoana iny dia tia mandinika hoe inona ny an'i Dada ary inona ny an'i Neny. Lazaina mazava aminy fa i Dada dia manana penis ary i Neny dia manana vagin. Raha agasiana moa zany io dia ny vavy manana- F... ary ny lahy L... Matetika dia hazavaina aminy fa eo amin'io mivoaka ny pipy.

Any ampianarana izy dia tokoa ny hianatra ny asan'ny fitoavam-pananahana avy manomboka kilasy Taona faha4 eo. 4th grade moa izy aty asa na inona ny any Mada izao. Io dia milaza fa manana koa ny biby ary natao hiterahana sy hamoahana zaza ary hanaovana firaisana sns... ny asan'ireo. manomboka eo amin'ny 8 taona eo izy amin'izany.

Manomboka 9 taona - 12 taona amin'izay ny firesahana momban'ny filana ananan'ny olombelona isanisany avy amin'ireo fitoavam-pananahana ireo ary izao avy ny vokany rehefa mitranga izany.

Tokony tsy hieritreritra mihitsy hoe ratsy na hoe misy zavatra manahirana sns.. na lazaina azy fa ratsy na mamoafady sns... ny famoahana an'ireo fa toy ny fianarana ny vavony sy ny fandevon-kanina ihany eo amin'ny siansa. Eo amin'ny taona 9 miakatra kosa dia tena atao isan'ny fitaizana ny fomba fiaina sy ny fiaraha-monina ifandraisana ny dinika.

Ny resaka ifanoavana amin'ny ray amandreny dia tsara foana hisokatra mba ho liana ny zaza ary ny valin-teny tsy asiana henatra na tahotra satria lasa mieritreritra zavatra hafa ny zaza aty aoriana.






5. ari.malala ( 08/05/2009 05:33)
Misaotra indrindra namaly. Ahoana no fomba ampidirana ilay dinika, miandry azy hametraka fanontaniana ve, sa miandry zava-mitranga?
6. sitlo ( 08/05/2009 05:45)
Ny an'ny dadanay tonga dia angano tena nisy no tantarainy. Fa aty aoriana amin'izay ny kofa vao kopy hoe hay ve zay iny resaka iny e.

Ohatra hoe ilay saka niteraka dia niady tamin'ny alika. Kay ilay sipa manala zaza ireny no tiany tenenina.

Dia ohatra koa hoe ilay sifaka nisacr. Kay ilay kofa mitsoaka andraikitra ireny no tiany tenenina.

Ny tiako tenenina dia raha vendrambedrana tsy dia mahataka-dresaka ny zanakao dia teneno mivantana. Fa raha hitanao hoe mahataka-javatra izy dia mba ampiakarina ohatra izay koa ny fomba firesaka aminy.
7. Mirananirina ( 10/05/2009 11:16)
hi hi hi,na any ampianarana aza anie d'efa mianatra ny momba an'io e,zany hoe,primaire io.Amin'izao aza efa tena lasa alavitra be.
8. ari.malala ( 11/05/2009 05:31)
sitlo:

Ny an'ny dadanay tonga dia angano tena nisy no tantarainy. Fa aty aoriana amin'izay ny kofa vao kopy hoe hay ve zay iny resaka iny e.

Ohatra hoe ilay saka niteraka dia niady tamin'ny alika. Kay ilay sipa manala zaza ireny no tiany tenenina.

Dia ohatra koa hoe ilay sifaka nisacr. Kay ilay kofa mitsoaka andraikitra ireny no tiany tenenina.

Ny tiako tenenina dia raha vendrambedrana tsy dia mahataka-dresaka ny zanakao dia teneno mivantana. Fa raha hitanao hoe mahataka-javatra izy dia mba ampiakarina ohatra izay koa ny fomba firesaka aminy.



:roll: :roll: :roll: tsitako ze antony tokony iolankolanana raha hananatra... sa mety noheverin'ny dadanao fa
vendrambedrana tsy dia mahataka-dresaka
enao d nataony angano alou??? :-D :-D
9. tywa68 ( 11/05/2009 06:09)
:lol: tsy nahatsiaro nampianarina an'io fa mihaino ny ankizy manodidina d zao mananjanaka zao koa kenda fa tsy mahay mitantara angano ! soa fa misy ny mpampianatra manome détails andr'izareo sy ny télé :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4469