Tapaho ny lohan'izay MANOHITRA io no FAHAFAHANA tgvendrana

1. penguin ( 30/04/2009 06:05)
Mafy ary matanjaka ny tgvendrana ka manapatra ny heriny. Rehefa kely hery dia milefitra na manana rariny aza koa mahereza ry tgvendrana ary tapaho daholo ny lohan'ireo vahoaka rehetra mitady hanohitra fa izay no hampivoatra ity Madagasikara ity. Tsy misy miantso tody na mivavaka fa rehefa voa dia mila mahafantatra ny baolina matin'ny olona. Voanareo izahay ka asa na tena ho voa mandrapahafatinay tokoa. Ny fantatray dia tsy HO TAPA-DOHA DAHOLO AKORY NY VAHOAKA MANDALA NY ARA-DALANA.
répondu par xxx le 30/04/2009 13:12
2. rabaradaka ( 30/04/2009 06:25)
Mbola mafana ny fo zao ry dadatoa, aleo mitony tsara isika vao mihetsika. Tsy ho ela intsony de hohita ny marina sy ny ara-dalana
3. essera ( 30/04/2009 06:52)
Ny fantatray dia tsy HO TAPA-DOHA DAHOLO AKORY NY VAHOAKA MANDALA NY ARA-DALANA.

Ny lohany manentana ny olona hanakorontana no cible fa tsy ny olona manana ny heviny na mpanohitra na mpankasitraka.
4. halloween ( 30/04/2009 07:04)
iPenguin bebe loha sy b fanakorotannn eto am forum io zao no koup latet voalo
5. xxx ( 30/04/2009 07:06)
Ianareo no nanakorontana voalohany io firenena io,ka mpamosavy milevina amoron-dalana ianareo ka mahatatesa ny valin-kitsaka,fa na ho samborinareo daholo ny mpanohitra anareo ry TGV na ny lohany na ny vodiny,dia tsy ny mpomba an-dra8 akory no mpanohitra anareo,fa ny gasy misaina rehetra dia tsy misy tia an'io fitondranareo io,ary eran'izao tontolo izao dia efa brulé ianareo,ka ny fahendrena ho anareo dia mangoron'entana dia ny mi-pà!!!!
6. halloween ( 30/04/2009 07:09)
ary raha tsy handé hi-pà de ahoana ry xxx?? anay anie ny Fahrfana sy ny Hezry syny Fanjakana e !! zany hevitrao zan ve de mb hitombina !! ny SADC aza ts sahy mihitsy na hanononnnn ny anaran M/car zan aza fa tsar ambina ny frontiera gasy !!!! de haninnnn reto ze ravalo kely sisiampaty eto reto
7. xxx ( 30/04/2009 07:21)
tsy vitan'ny hoe anay zany io leity a, refa tsy misy fahafahany fa fanjakana barofo dia tsy maintsy asorina @ fomba retra !!! azon'elah ve zany
8. essera ( 30/04/2009 07:33)
Mpandefa : penguin [ Valio ] 30-04-2009 08:05:51
Lohateny : Tapaho ny lohan'izay MANOHITRA io no FAHAFAHANA tgvendrana
Mafy ary matanjaka ny tgvendrana ka manapatra ny heriny. Rehefa kely hery dia milefitra na manana rariny aza koa mahereza ry tgvendrana ary tapaho daholo ny lohan'ireo vahoaka rehetra mitady hanohitra fa izay no hampivoatra ity Madagasikara ity.

Mba anontaniako i Penguin, tsy apetraka valifaty fa manontany aho hoe ireo vahoaka madinika nanaovan'i Dada tsindrihazolena ve nanana ny rariny ary nanana hery hanoherana izany. Io no hofaranana io fanaovana be sofina nataon'i Dada io.

Tsy misy miantso tody na mivavaka fa rehefa voa dia mila mahafantatra ny baolina matin'ny olona. Voanareo izahay ka asa na tena ho voa mandrapahafatinay tokoa. Ny fantatray dia tsy HO TAPA-DOHA DAHOLO AKORY NY VAHOAKA MANDALA NY ARA-DALANA.

Efa ela ange no notenenina ianareo hoe mipetraha tsara fa aza misetrasetra loatra. Vao miha ianareo nanome ny TGVendrana tsy maintsy miala. Tsara ny mijoro amin'ny heviny fa ratsy ny minia mikipy.

9. xxx ( 30/04/2009 07:40)
Tsia no avaliko anao essera

Tsy mitombina ny fanazavanao fa raha izao fitondrana barofo izao dia aza manantena ianao fa hangina ny vahoaka,
10. essera ( 30/04/2009 08:18)
Tsia no avaliko anao essera

Tsy mitombina ny fanazavanao fa raha izao fitondrana barofo izao dia aza manantena ianao fa hangina ny vahoaka,


Izay no atao hoe demokrasia, tsy voatery hiteny ENY daholo. Fa izay no saika najoron'i Dada teto. Asaina manao oui ny sy mihatokatoka manaiky na ny voa na ny mahavoa. Azonao ihany ilay zavatra farany. oufffff.

11. ravonjison ( 30/04/2009 09:08)
Tsy hilamina mihitsy ny tanána e, aiza ve dia samborina daholo ny olona, i Manadafy koa voasambotra.
Rattsy dia ratsy ny fandehan-javatra.
12. AndriambyII ( 30/04/2009 09:21)
Ao anatin' ny ratsy nno misy ny soa , ary aza hadino ny fatin' olona niparitaka hatr'izay niatombohan' ny tantara!
13. essera ( 30/04/2009 09:42)
Maninona ra-Penguin no tsy mety manazava ny pro-ra8 fa efa nafindra ny fitondrana dia avy eo mody averiny. Efa tsy ara-dalàna intsony ange izany fa tsy hoe atao kilalao ilay izy na atao fihevi-jaza oe ity d avy eo omeo anah tampoka.
14. xxx ( 30/04/2009 13:12)
Tsy ho terenao hilaza zay ombany ny mpisera , saino kely fotsiny , tsy hadalana ny refa mifidy ny vahoaka dia ao anaty trano tsy ahitanao izay nofidiny ,
noho izany dia tsotra ny antony ,ataoko fa ho takatrin-ny sainao izany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1214