hat tompon ny lalana na tsy ara dalana aza

1. ravalotgv ( 28/04/2009 08:02)
resy ra8 fa ireo site sy tele ary radio manampy azy dia tsy manome vaovao tsara ho anazy intsony
ny hat izao no lasa resabe fa hadino ny lazaina hoe aradalana
ny mpanao lalana izao dia ny hat satria izy ireo no tompon ny hery (tsy hery serasera io an)

jereo fa manomboka miroatra manantona ny hat daholo ny firenena rehetra na somary asiana hypocrisie aza izany hoe tsy ara dalana izay fa tompon ny lalana

tsy misy marimaritra iraisana io satria tsikeraina ho ratsy daholo ny nataon ny teo aloha ary tsimaintsy any ihany no ahitana raison hijoroan ny hat.

raha toa mantsy avoaka eo ny zavatra tsara nataon tim dia mampihena ny herin ny tgv izany zany hoe tsy azo atao

veloma ra8 ooo aza manambe fa ho hita eo ny fandehan ny hat raha mbola misy ny olona afaka hanao sorona hamono tena fa iny ihany no pion matanjaka fa tsy resaka ambony latabatra
tairo ny gidranareo fa ny masse silencieuse aleo hitazana fotsiny
vive tgv vive tim

sniff
tchroufff






:@ :@ :@ :@ :@ :@ :@ :@
répondu par fijo le 28/04/2009 21:59
2. xxx ( 28/04/2009 08:13)
ireo masse silencieuse ireo ilay ohatry ny omby roahina : à gauche dia à gauche, à droite dia à droite ... izaho aloha efa nanapa-kevitra fa tsy mitovy @ ireo. Aleo ikakazan'ny vorona eo ireo rehefa tsy mihetsika , ny hafa no mandidy ho azy
3. hery ( 28/04/2009 08:39)
Tsy azonareo mihitsy ilay blem.

I Ravalo resy tsy koi mihitsy. Ary efa lazaiko foana fa tsy ny hamerenana an-dRavalo akory no tena tanjona. Tanjon'ny TIM izany, ary normal ny TIM raha mitaky an'izany.

Fa ny tanjon'ny vahoaka tsotra izay mpanaraka ny ara-dalàna dia ny hamerenana fotsiny ny situation ho amin'ny ara-dalàna. Na Ravalo no nofidiany na Ratsiraka na i Bin Laden na i Kotity, dia tokony hajaina fotsiny ny safidiny. Anjarany no manova izany safidiny izany fa tsy anjaran'ny be sandry.

Koa tsy i Ravalo resy na tsy resy no blem fa hoe apetraho eo @toerany ny institutions dia aleo izahay vahoaka amin'izay no hanala azy. Ary tsy tokony hatahotra izany mihitsy ny HAT.

4. Mandefitra ( 28/04/2009 09:16)
Marina zany ra Hery.

Zay lay teneniko ny mpomba ny TGV hoe "aza mifaly @ tsi fahamarinana".

Ataovy ny fifidianana alohan'ny faran'ny taona raha lehilahy, aza misy sakanana ny olom-pirenena hirotsaka, anjaran'ny vahoaka no misafidy.
5. Oay ( 28/04/2009 09:50)
hery:

Tsy azonareo mihitsy ilay blem.

I Ravalo resy tsy koi mihitsy. Ary efa lazaiko foana fa tsy ny hamerenana an-dRavalo akory no tena tanjona. Tanjon'ny TIM izany, ary normal ny TIM raha mitaky an'izany.



Ka raha tsy ny hamerenana an'i Ravalomanana no tena tanjona maninn raha makeny ambony latabatra d miaraka miady hevitra @ hanamboarana tsara ny lalana fototra hidirana @ repoblika vao², mba tsy hiverimberenan'ny fanonganampanjakana!

Mbola averiko ilay tenin'i Manandafy manao hoe :"Ny fitondrana jadona d miteraka mpanongampanjakana"

Noho izany d mipetraka ny fanontaniana manao hoe fa nahoana no afaka manao jadona ny mpitondra aty afrika?

Valiny satria rehefa tonga eo @ toerana ny mpitondra aty afrika d mihevitra izy ireo fa faty no hisarahany @ ilay toerana fa tsy misy izany fifandimbiasampanjakana izany (alternance démocratique) ka noho izany d ny hanamafy ny sezany @ jadona no heveriny hijanonana eo!

Inona no mahatonga izany fitondratenan'ny mpanao politika izany?

Valiny: satria tsy mipetraka tsara ny lalanà ka azo ovahovaina araka izay hitiavany anazy!

Inona ary no tokony atao,

Tokony hapetraka ho toa ny fomba tsy azo ovaina (moeurs) fa ny faharetan'ny mandat présidentiel ohatra d tsy azon'iza niza ovaina na inn antony na inn, torak'izany koa ny isany!

Fa maninn no atao izany?

Satria rehefa mahafantatra ny mpanao politika fa tsy mandrampahafatiny ny hipetrahany eo @ toerana d tsy maintsy matahotra izy @ izay ataony ka tsy hanararaotra, matahotra izy satria rehefa tapitra ny mandat ka miverina ho olontsotra izy d azo tsaraina, jereo ny mahazo an'i Chirac é! miakamidina i dadabe @ izao fotoana izao!

Hamaranako anazy d mbola averiko fa tsy mety izao zavatra iainanay aty Madagasikara izao satria tsy milamina ny tany ka ny vahoaka madinika no mihinana ny ... noho izany tokony atao izay hanafainganana ny fidirana @ repoblika vaovao, ny vahaolana @ izany d:

>>>Raha manana ilay moyen hanaovana anazy ny TIM d tonga d tairo ny ady d ataovy izay hahafaty an'ireo HAT sy CAPSAT ireo, rehefa tsy afaka manao an'izay d tadidio fa ny atody tsy miady ambato ary ny tanapolo tsy maharesy olona mitanabasy noho izany d aleo mitady vahaolana hafa d ny eny ambony latabatra izany mba tsy ho votsindroa ary indrindraindrindra mba tsy ho matimaty foana ny vahoaka tsy manantsiny.
6. xxx ( 28/04/2009 10:05)
oay gazety be e
7. fijo ( 28/04/2009 21:59)
nisy tokoa ny dinika ry pay,fa ny solontenan'i ratsiraka sy ny soslotenan'i andry no tsy tonga,fa ny an'i ravalo sy zafy samy tonga teo.jereo ny fanambaran'i rakotovahiny momba izay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0481