Tetsy Roissy omaly

1. xxx ( 24/04/2009 20:30)
Ôtran'ny tsy nisy garde de corps akory i Mialy tetsy Roissy omaly raha jerena ny sary mielim-patrana eran-tany, kanefa vadin'ny filoha ambony indrindra eto Madagasikara. Sao dia tsy rariny izao. Miaramila vazaha ve sa gasy no tokony hiaro azy fa toa notorahan'ny légalista lafarinina tsy nasiana valérany ity olo-manan-kaja ambony be ity ? Ireto ankizy notantanany aza toa nipitrapitra nampalahelo. Ahoana ny hevitrareo amin'ny fijery tsy miangatra ?
répondu par Hinagasy le 26/04/2009 00:03
2. Noue ( 24/04/2009 20:37)
xxx:
fa toa notorahan'ny légalista lafarinina tsy nasiana valérany ity olo-manan-kaja ambony be ity ?
olo-manan-kaja ambony be ity oe ee???


=)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
3. fijo ( 24/04/2009 20:37)
ny hoe tsy nisy garde aloha,rariny izany,satria tsy filohampirenena araka ny filazanao i andry fa mpanongam panjakana,ary tsy ankatoavin'ny aty akory ny fitondrany.rah aizay no jerena ,dia tsy misy mahataitra rah atsy misy mpiambina izy.
ny mampalahelo ahy fotsiny,de ilay zanany.na inona fahatezerantsika amin'olona iray,aoka tsy atao eo imason janany ny hatezerana amin'ny lehibe.fa ny zaza zaza ihany
4. ni81 ( 24/04/2009 20:40)
ny mampalahelo ahy fotsiny,de ilay zanany.na inona fahatezerantsika amin'olona iray,aoka tsy atao eo imason janany ny hatezerana amin'ny lehibe.fa ny zaza zaza ihany
marina tokoa fa tena nahonena ireto ankizy fa tena raiki-tahotra. :(
5. fijo ( 24/04/2009 20:41)
ka izay tokony mba asiana fitandreman aihany ,fa tsy eo imasonjanany no anaovana izao
6. bazylou ( 24/04/2009 21:51)
http://actumadagascar.blogspot.com/2009/02/7-fevrier-2009-le-massacre-de-la.html
7. ravalotgv ( 24/04/2009 21:57)
zay le oe ny ray amandreny no kely saina de ny ankizy no voapotsipotsitra
sniff
tchroufff

aza manody ra povoara

:@ :@ :@ :@ :@ :@ :@
8. xxx ( 24/04/2009 22:04)
Tena mipitrapitra mahonena tokoa ireto ankizy toy ny miteny hoe : " nahoana kay i Neny no noleman'ny olona lafarinina kanefa i dada efa président ? "
9. xxx ( 25/04/2009 00:23)
Noue:

xxx:
fa toa notorahan'ny légalista lafarinina tsy nasiana valérany ity olo-manan-kaja ambony be ity ?
olo-manan-kaja ambony be ity oe ee???


=)) =)) =)) =)) =)) =)) =))



zao dia mampifalifaly an'ilay noue tokony ho vetavetainy CAPSAT kou ity vehivavy ity. Secretaire tsy misy saina
10. benasy ( 25/04/2009 05:21)
Amiko indray lehiretsy dia tsotra ... Faran'izay tsotra ... Na ahoana na ahoana fiainana politikan'ny gasy.... tsarovy an-tsaina, ary mino zato isan-jato aho tsy maintsy nisy vazaha nahita izany... eo no hitsaran'ny olona antsika GASY fa tsy ampy fisainana loatra... !!!
Entin'ny fo be fotsiny ka tsy mahatsindry ny fisainana ! Tsy naleo ve farafaharatsiny rehefa hanao ihany..... Tsy naleo lehilahy samy lehilahy no nifanaovana ? Sady izay voyage en privé ilay diany fa tsy voyage ara-panjakana akory ?
Manahy ny ho avin'ity Madagasikara ity mihitsy aho ka! Raha ny tena marina toa hoe olona mandalim-pianarana ireny gasy mankany an-dafy ireny, na miasa koa .... Tsy mandalim-pahalalàna fa mndalim-pianarana .... Samihafa izany !
Miasa ?? Efa tena vazaha mainty izany! noho izany, tsy hiraharaha izay mba mahagasy azy intsony --> satriny isika hotsarain'ny olona hoe ambany fisainana !
Tsy ho fiarovako an'iza na iza izany na fombako na iza na iza izany fa fisainako @ maha malagasy ahy ihany ..... Fomba fijery ihany... Tsy mety ka ! tena tsy mety !


11. xxx ( 25/04/2009 05:53)
Marina tokoa ny voalazanao ry Benasy fa mandalim-pianarana ireny gasy mankany an-dafy ireny. Raha mitovy toe-tsaina amin'ireo jiolahim-boto teny amin'ny 13 mey nampiasaina tamin'ny coup d'Etat ireny ireto gasy ireto dia tsy ho lafarinina kely symbolique sy pankarta fotsiny no natao fa zavatra hafa mihitsy. Mazava izao fa mbola betsaka ny malagasy tsy jiolahim-boto. Sa ahoana hoy i Benasy ?
12. Oay ( 25/04/2009 06:06)
Averiko ny tenin'i Manandafy: rehefa tsy avela miteny ny vahoaka fa manao didy jadona ny mpitondra d miteraka mpanongampanjakana izany!

Noho izany d tsy hisy intsony hiady hevitra angamba fa nisy jadona teto Madagasikara!
Ho anareo any an-dafy any hitanay @ BFM-TV fa misy séquestration ataon'ny mpiasa ny patron any.
Mbola hitanay ihany koa fa niteny ilay praiminisitra taloha iny fa raha izao no mitohy d horaikitra ny revolisiona!
Ny mahatonga izany rehetra izany araka ny fijerin'ny PS sy ny sisa d SATRIA TSY MIHAINO NY MPIASA NY MPITONDRA SY NY PATRON KA NA TSY TSARA AZA ILAY IZY D AZO EKENA MBA AHAFAHANA MANEHO HEVITRA!

Misy miteny indray izao hoe inn indray no idiran'izany @ eto Madagasikara?
Eny tompoko misy idirany tokoa satria i Frantsa d lazaina fa anisan'ny démocratie lehibe eto an-tany d jereo fa any frantsa any d manaiky ny olona (sondage IPSOS 75% manaiky ny fidinana andalambe nataon'ny mpiasa) fa rehefa tsy mihaino ny mpitondra d midina andalambe!

Noho izany d satria i Manandafy nilaza fa nisy jadona teto amintsika d afaka miteny izany isika fa rariny raha nidina andalambe ny vahoaka!
Ka izany fidinana andalambe izany no tanteraka d satria teo i Andry Rajoelina!
Noho izany raha hisy fiovana ny fitondrana firenena atsy aoriana atsy satria niova ny lalampifidianana, niova ny lalampanorenana d tanteraka izany noho i Andry Rajoelina, ka eto ny tenako d misarika ny fisainanareo izay mandala ny fametrahana ny démokrasia mba hiaiky fa hatreto aloha d nahavita be i Andry Rajoelina ka amiko tsy mendrika ny natao ny vady amanjanany tany frantsa tany!

Hisy hiteny ianareo anao hoe io fa miaro an'i TGV i Oay, mbola averiko fa ny arovako d ny Fandravana ny jadona sy ny Fametrahana ny Fahalalahana, ary mbola averiko fa raha sitrak'Andriamanitra ka tafaverina eo @ fitondrana i Ravalomanana indray andro any d mahatoky aho fa tsy afaka hiteny intsony i Manandafy hoe ny fitondrana jadona d miteraka mpanongampanjakana, raha tsy azontsika d hoe tsy maintsy hiova i Ravalomanana sy izay hitondra eo ka tsy afaka hanao fitondrana jadona intsony d izany fiovana izany no nisy d satria nisy izany Andry Rajoelina izany!
13. essera ( 25/04/2009 06:24)
Averiko ny tenin'i Manandafy: rehefa tsy avela miteny ny vahoaka fa manao didy jadona ny mpitondra d miteraka mpanongampanjakana izany!

Vokatry ny fananan'lery palitao sy kaskety bobaka be dia mifanaraka amin'ny vanim-potoana hitenenany ny zavatra hoteneniny. Ireny no tena atao hoe tsy matotra ara-politika. Tsy manana position exacte mandritra ny carrière fa manara-drenirano fotsiny.
Ho an'izay tsy mahazo tsara dia tsotra kely : Raha ohatra hoe ny tenin'i Manandafy io no atao hoe tamin'ny janvier 2009 fotsiny no nilazany azy dia manao ahoana ? Fetsy donto i Manandafy...
14. xxx ( 25/04/2009 07:36)
Aminay ry sakaiza isany rahefa vandana dia kary,ny mangalatra 1 franc sy 1.......milliard dia mpangalatra daholo,na voyage privée io na inona dia vadin'ny mpanongam-panjakana fototr'izao korontana sy aina maro nafoy resaka politika io ,notifirin'ny miaramilan-gp ndra8 ,na ireo pro ra8 maty dia tsotra "vadin'ilay tompon'andraikitra niandohan'izany rehetra izany ianao,ka rariny raha asehon'ny olona ny tsy fahafaliany aminao,satria vadiny ianao noho izany eo anilany ary tompon'andraikitra mamolavola ny lohany sy ny fisainany na dia kely fotsiny ary mankasitraka ny ataony ary mety ho isan'ny fototr'izao koa",ka mbola lafarinina aza izany...maimbo rà ka tsy aleo vé mba atao fotsy toy ny anjely amin'izay mba atao hoe "madio" savonnerie tropicale
15. ravalotgv ( 25/04/2009 07:54)
lasa lamaody any japan hono ny lafarinina eny @ loha manambara fa manankaja ny olona manisy lafarinina any @ loha

sniff
tchroufff
:@ :@ :@ :@ :@ :@ :@
16. pyar24969 ( 25/04/2009 08:06)
Roissy, Roissa je t\'aime eh je t\'aime....Roissy ,Roissa je t\'aime indifferent...
hirao kely hoe re tonaka!
17. Hinagasy ( 26/04/2009 00:03)
Ny ahy koa hevitra tsotra, mety ny mitonda pancarte maneho ny tsy hafaliana, fa ny mitoraka la farine olona tsy mety n'inon'inona tsy fitoviankevitra; fikasian-tanana izany amiko.
Dia gaga ve isika rehefa avy eo, fa entimpo koa ny miaramila CAPSAT dia mitifitra, satria io fo io ihany no entina fa tsy ny saina. Tsy miteny aho hoe mitovy ny la farine sy ny bala, fa ilay fo mandroatra no mitovy. Tsy ao intsony ny fisainana,f a samy manaonao foana! amin'izay eo imason-jaza!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2543