tsy aleo vé!
1. maronibe2
(
24/04/2009 15:37)
Tsy aleo vé ajanona amin'izay ity resaka politika RA8 TIM TGV ity,fa hita tena mifandrangitra be ihany isika eto,ka mba soson-kevitra ny ahy,satria hita fa miha ratsy ny toe-draharaha misy eto amin'ny firenena,vokatrin'ny resaka politika,ka ny tena mety angamba dia mijanona any amin'ny misy azy ingahy RAVALOMANANA, Ingahy ANDRY RAJOELINA miala teo amin'io HAT vinaninany io,dia olona hafa mihitsy no tohanan-tsika hamerina amin'ny laoniny ny filaminana eto amin'ny tany sy ny fanjakana,omeko ohatra anankiray olona afaka mampihavana ny malagasy rehatra ao anatin'ny fotoana fohy sy haingana ary manana ny lanjany foana hatramin'izao dia NY AMIRALY Didier RATSIRAKA tsy ho filoha hitondra akory fa hampilamina ny gasy aloha mba ahafahana hiroso amin'ny fifidianana ao anatin'ny fotoana voafetra,
répondu par xxx le 24/04/2009 19:19
2. xxx
(
24/04/2009 15:44)
sao dia mivika enao tsy aleo alika no apetraka eo toy zay hamerina any amiralinao
4. maronibe2
(
24/04/2009 16:07)
entanim-po mafana loatra ianareo ry sakaiza,fa ny ahy anie soson-kevitra é! mba hivoahana sy mety hialana amin'ny korontana tsy hisy fiafarany!!!!satria hita fa tena hiha hienjana ny ady politika,ary mety hiafara amin'ny rà handriaka sy ady an-trano,koa asanareo rey olona!!!!
5. tafondro
(
24/04/2009 16:09)
Avelao Ingahy amiraly hisotro ronono Tiko an- dra-8 amin' izay fa efa manao retour d' âge é !!! Aleo izy samy sexagenaire hanaha ny filahiany efa miketrona eny amoron- dranomasina eny !! Tssss izany ve no mba alaolana arosonao ? :oops: :oops:
6. sitlo
(
24/04/2009 16:09)
Hay ve matotra ilay izy e, nataoko fa hatsikana.
Io kosa aloha ry maronibe dia tsy poinss. Tsy haiko ianareo na firy taona fa 2002 izay ka gidra. 1991 izay aoka fotsiny. Aza manandran-doza.
Io kosa aloha ry maronibe dia tsy poinss. Tsy haiko ianareo na firy taona fa 2002 izay ka gidra. 1991 izay aoka fotsiny. Aza manandran-doza.
7. xxx
(
24/04/2009 16:10)
ka ny sosokevitrao ohatra zao aleo tsy mihinana kaka fa aleo mihinana pipy
8. diamondra27
(
24/04/2009 16:11)
ze reraka de miala e, midina eny ampandehanana
misakafo eny andasibe na etsy antsapanana
manaova neutre fotsiny ho aho
misakafo eny andasibe na etsy antsapanana
manaova neutre fotsiny ho aho
9. ravalotgv
(
24/04/2009 16:11)
aleo miaramila no atao eo amizay afaka mamono misimisy ihany aloha
sniff
tchroufff
:@ :@ :@ :@
sniff
tchroufff
:@ :@ :@ :@
11. xxx
(
24/04/2009 16:55)
Efa ela aho no nandroso io soso-kevitra io satria efa hita-poko hitan-mpirerenena fa ireo no ARETINA .ireto pro Ra8 sy proTGV ireto manko samy tratran'ny fanatisme ka tsy afaka ny hijery lavitra intsony.
Raha ny hoe Ratsiraka kosa aloha dia tsy ekeko satria dia tsy neutre izy ary efa nahavita be ka aleo hijanona.
Tsy tokony olona na antoko efa nitondra intsony no hitondra eo mandra-pilamin'ny tantara eto M/car.
Satria raha mbola ny iray @ ireo zalahy ireo(Ra8,TGV, Ratsiraka) no ho eo dia maka tahaka an'i Somalia isika Gasy! Asa mety tsara sy voninahitra @ sasany angamba izany nefa dia tokony tsy hanakatona varavaram-pasana intsony isika Gasy satria dia ho maro ny handeha any.

12. ravalotgv
(
24/04/2009 17:22)
ka betsaka kosa aloha ny pro ra8 sy pro tgv eee ny vahoaka ambony angamba mety vitsy
tena vitsy mihintsy ny vahoaka tsy pro ra8 no tsy pro tgv
sniff
tchrouff
tena vitsy ny gasy
tena vitsy mihintsy ny vahoaka tsy pro ra8 no tsy pro tgv
sniff
tchrouff
tena vitsy ny gasy
13. Oay
(
24/04/2009 18:03)
Maronibe a! ka i Ratsiraka aza rangah efa tsy fantatra hoe rahovina no handeha ka mbola politika politika, ny fahasalamany no tokony hojereny sy hotandrovany mba ahafahany miriaria miaraka @ zanaka amanjafy klé!
Sady vesatra ho an'ny firenena ireny raha miverina mitondra an'i Madagsikara satria lafo be ny fitsaboana tsy maintsy atao aminy é!
Fa na izany na tsy izany d efa nahavita izay tokony nataony ireny fa d aleo hisotro ronono marina!

14. xxx
(
24/04/2009 18:21)
tsy nahavita izany ireny ra oay a, mbola hananany malagasy trosa be ireny, fanetribeany firenena, aza manao taon-dasa tsy tsaroana e, avo 100heny ny fahotana vitaniny raha oharina ami le8, i tgv moa sty mbola ho tsaraina satria mbola be ny ratsy ho hataony eto!
15. xxx
(
24/04/2009 19:19)
Ka na isika mpisera izay heverina fa mba tokony hanana saina hifandamina aza ity toa mifanaritaka koa vao maika ve ireo olona izay tsy ampy fianarana sy miady @ sakafo isan'andro dia tsy holazaina intsony.
Proposition ny an'i Maronibe fa tsy nilaza akory izy hoe izay no tokony atao. Zavatra simple kely ohatran'izany dia tsy vitantsika eto @ serasera ny miady hevitra milamina @ zany.
Taratra iray hita fa na dia atao hoe any an-dafy sy mba manana fahaizana aza ny Malagasy dia mbola maro be ireo tsy afaka mivelatra sy hifanaja @ hevitry ny sasany.
De ho gaga ve ianao raha toa ka tsy nahavita mandat i Ravalomanana??? De ho gaga ve ianao raha DJ 34 taona no lasa mpitondra???
De ho gaga ve ianao raha toa ka iRatsiraka ihany no mbola atahoran'ny Malagasy????
De ho gaga ve ianao raha mbola manjaka ny Frantsay eto M/car????
De ho gaga ve ianao fa mandroso sy manam-bola ny karana sy Sinoa??
De ho gaga ve ianao raha hifamono ny samy Gasy????
Tsy mahagaga ahy mihintsy izany satria hita taratra eto @ forum ilay toe-tsaina tsy mahay mifandamina sy mifanabaty. Tsy mba mifampisitona hiakatra isika Gasy fa mifampisintona hianjera any an-davaka.
Tsy gaga aho raha izao no manjo antsika satria raha mba manaraka forum ny firenena hafa ny tenako dia hita fa maro ny tsy fitovian-kevitra nefa tsy misy manambany tena toa antsika ry zareo.