Inona marina ny mission-ny TGV

1. essera ( 22/04/2009 13:13)
Tsy Andry ange no te ho président ny république e. Hisy ho tezitra izao :
Raha nijery ny fandehan'ny toe-draharaha ianareo dia ny fanapahana ny lohan'i Ravalo no tena mission nataony. Rehefa vita izay dia manamboatra ny fidirana amin'ny 4ème république.
Jereo raha tsy hoe filohan'ny rafitra tetezamita foana no voatonona fa tsy nisy ho filohan'ny repoblikan'i madagasikara.
Mba teneno ihany aho rehefa maheno ianareo.
Kalma fotsiny a, aza eti-po be fa za aza mitsiky be manoratra an ty zavatra ty
répondu par Oay le 23/04/2009 06:00
2. essera ( 22/04/2009 13:23)
Fanampiny kely fotsiny. Misy soratra ao ambany ao hoe tsy mety hifampidinika i TGV. Sao dia avadikareo aza ny tantara fa ianareo no nitsoaka an-daharana nandritra ny fifampidinihina.
- Tany am Le Hintsy aloha dia efa nofitahinareo napetrapetraka ny olona, dia rehefa tezitra ny olona dia tonga ianareo.
- Nasaina indray ianareo tsy tonga ka aiza moa no tsy hiteny hoe tsy ampy ny isan'ny mpidinika.
Manao adina amerlook ko nareo zany
3. tovolahy007 ( 22/04/2009 13:25)
Fa ao antsainy ko ny ho lasa PRESIDENT NY REPUBLIQUE nefa. Raha ny hoe tetezamita fotsiny ny tena ao an-tsainy dia tsy hitako izay antony andavany tsy hanaovana ny election @ faran'ity taona ity. Ny pamatsy vola efa nilaza fa vonona ny hanomana ny fifidianana, inona ny bleme tsy hanekeny an'io?
4. essera ( 22/04/2009 13:39)
Oadray ny trano-pody ry se no vitan'ny vava ary ny tranok'ala no vitan'ny (izay tokony hahavita azy).
Raha hendry aloha dia ekeo ilay fitondrana izao dia vao miha-vetivety ny hidirana amin'ny fifidianana, fa raha ianao aza manangana korontana eran'ny tanana inona no zavatra hatao eo ?? Inona ?
Ny fahendrena raha tena te hiditra fifidianana haingana dia alamino aloha ilay fihetsika be sandry d eto amin'ny saina.
5. tovolahy007 ( 22/04/2009 13:51)
Ka tokony nampiandrangahy an'io noalaizanao io ny zavatra nosoratandrangahy etsy ambony etsy. Izay anie ilay tsy hireveko anareo TGV reo e. Tsy mba milaza ny marina fa miolikolika otran'ny bibilava mitovy an'ny frantsay ko, hay kainy mo zanany ko. LAZAO ZAY TENA TINY ATAO MARINA DE ANJARAN'NY VAHOAKA NO MISAFIDY. Fa tsy mody hoe tetezamita no atao kozy bobaka de ampina hoe TSY HIROTSAKA HO FILOHA NY MADAGASIKARA IZANY I ANDRY FA HITONDRA ANTSIKA ENY @ REPOBLIKA FAHA 4 FOTSINY IZY.
6. Djhamhal ( 22/04/2009 14:24)
essera mba omeo oe ny hevitrao momba ilay lohateniko io "fitadiavana vaha olana haingana"
7. Belle ( 22/04/2009 14:55)
Tsy haiko aloha hoe inona no tianao hahatongavana amin'ity resakao ity, fa diso ny filazanao satria efa nilaza tena foana ingahy Rajoelina hoe antsoy hoe "Président de la République" aho! Ianao irery izany no tsy nahalala an'io. Tsy hatreny amin'ny 13 mai ihany fa teny Mahamasina koa.

Ary io fiantsoana io no tena mahafatifaty azy.

Ohatra fotsiny, raha nahita ny sombin'ilay reportage nataon'ny mpanao gazety frantsay iray tao an-tranon'ingahy Rajoelina iny ianao dia nanamafy io tranga io iny. Nanontany azy mantsy ilay mpanao gazety hoe: ahoana hoy ny zanakao momba ny asanao izao? Dia ingahy Rajoelina namaly hoe: vao avy niresaka an-telefaonina izahay ka nanontany izy hoe filohan'ny repoblika i papa izany izao? he he he!!!

Hoy aho hoe: Efa tsy maintsy resaka miverimberina ao an-tokantranony sy amin'ny fianakaviany io matoa hain'ilay zaza tsara. Fahamenarana sy tahotra koa angamba no tsy hiantsoan'ireto mpanara-dia azy an'io am-pahibemaso.
8. essera ( 23/04/2009 03:46)
Belle:

Minia mikipy koa ary ve nareo izany. Mihaino vaovao dia inona no teny miverina isan'andro ao.
"FILOHAN'NY TETEZAMITA"
Fa zazakely ngah mahalala afa-tsy ny hoe filoha fa izay tohiny any tsy rarahiny.
sceptique b koa nareo ko

9. Oay ( 23/04/2009 05:15)
Tovolahy007 a! Ny olana d ny fanatika tsy mahalala fa ny fitondrana anie no mandeha d satria ny ekipa miaraka ao no mahay!
Aleteo ao anatin'ny lohantsika tsirairay fa "Tsy vitan'olona iray ny fitondrampanjakana fa tsy maintsy misy ekipa miaraka aminy"
Noho izany d aleo azava fa tokony sarahina tsara ny hevitr'ilay mpitarika (leader) sy ny hevitrin'ny ekipany!
Azavaiko: raha ny resaka nataon'i Andry Rajoelina hatramin'izao d tsy mikasa ny hirotsaka hofidiana ho prézidà ny repoblika ny tenany!
D maninn ary ozy ianao no tsy tonga d ataony ny fifidianana: "Tsy i Andry Rajoelina irery no manapaka izany fa tsy maintsy iarahany mandinika @ ekipany izay ny valiny" d izay ilay atao hoe fitondrana demokratika mihaino ny feon'ny andaniny sy ny ankilany!
Ny nahavoantsika d mihevitra fa ny prézidà d Andriamanitra velona ka mahay sy afaka manapaka samirery d io fisainana io no nahatonga an'i Ratsiraka sy Ravalomanana nanao fitondrana jadona tsy mba mihaino ny sasany!

Ho an'i Belle, mahafatifaty aloha na d tsy hitako aza é!hihihi... nefa miandrasa aloha hodokafana fa aza midoka tena milaza fa Belle sahady an! Tsiky d Ampy!
Sangisangy iny fa ny tena marina d izao: ankoatran'ny resak'ilay zanany iny d milaza ianao hoe oviana i Andry Rajoelina no niteny fa prézidà ny repoblika ny tenany, ary amafisiko ny tenin'i rahalahy essera hoe "mihainoa filazambaovao eto Madagsikara (radio, télé, gazety) d mba omeo anay raha mahita ianao milaza fa prézidà ny repoblika i Andry Rajoelina fa ny filaza d hoe "filohan'ny rafitra tetezamita" ataoko fa mazava tsara!
10. xxx ( 23/04/2009 05:44)
ny mpanao gazety tsy milaza fa president de la republique i tgv ,fa saingy kosa ny tenany no milaza azy ho president de la republique,tsy haiko hoe republique inonana ,mihevitra ny tenany ho democrate nefa izany atao hoe concession aza tsy fantany akory ,tsy mpanao politika izany iny fa mpanao didy jadona ary pur noho izay rehetra nitondra teo
11. Oay ( 23/04/2009 06:00)
xxx:

Izay resakareo tany ampandrina tany aloha no tsy fantatray fa ny tenako manokana d mbola tsy nahare an'i TGV nilaza fa président de la république izy é!
Momba ny hoe tsy démocrate satria tsy manao concession d mbola averiko fa tsy miankina aminy irery ilay izy fa miakina @ ekipany ihany koa! ary ny amin'iny koa d aleo handeha fa hiaraha mahita eo io fa aza maika loatra isika hitsara! fa za manokana moa d tantara fony mbola adolantsento no mba fantatro momba an'i TGV fa tsy mahalala anazy za ka raha ohatra indray ianao mahalala anazy tsara d tsy hitako izay lazaina!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1175