Nahoana no Manandafy ny lasa PM ?

1. rabaradaka ( 17/04/2009 07:05)
Ny marina dadatoa de izao : tsy misy olona afaka hiresaka amin-dRatsiaka sy Zafy afa-tsy Manandafy irery ihany ary izao koa efa niresaka izy ireo talohan'izao fanendrena izao, raha ny marina dia tamin'ny 7 avril izy ireo no nifampitafa. Zao zany : Manandafy dia PM handamina ny fifanarahana Dakar I sy Dakar II, avy eo handamina koa ny HCC I sy HCC II tamin'ny 2002 ary handresy lahatra an'ny Fillon PM Frantsay. Zay no mission précise hataony. Ravalomanana kosa dia en deuxième position satria homen'ny Dadanareo azy tanteraka ny fahefana feno hanendry Ministre, hanendry Ambassadeurs. Ny assemblée constituante hapetrany ho stucture hanao validation ny asa rehetra hataony. Zay ry dadatoa no izy fa aleo jerena ny tohiny
répondu par fijo le 17/04/2009 22:10
2. rabaradaka ( 17/04/2009 07:07)
Misy adinoko kely : tadidio fa i Manandafy dia manana relation diplomatique avo lenta be sady be mpahalala izy amin-dry zareo samy socialiste progressiste. Lery koa ange bogosy e, hoy ny Vehivavy teo amin'ny 13 mai
3. saranga ( 17/04/2009 07:16)
Tena mahay politika nama ity rabaradaka ity. Tena marina e
4. xxx ( 17/04/2009 07:34)
Eto izany ilay duel Ra8 # Andry dia i Roindefo# manadafy????
tena spectacle miaro kombaka ity marina :-D :-D :-D
5. penguin ( 17/04/2009 07:39)
Sao vehivavy eny Ambohijatovo satria efa fananan'ny Alain Ramaroson sy ny TGVendrana hono ny 13 Mai.
Manana fahasahiana ary raha mampahatsiahy ny lasa tamin'ny 10 Août namonoan-dratsiraka olona teny Iavoloha dia tsy anisany nitarika olona teny izy. Ka teo no tsy nifanarahan'ny MFM tamin'ny herivelona Rasalama. Manana ny lanjany ary mendrika ny ho PM izy hatreto. Ny MFM koa manana ny sarangan'olona rehetra.
6. Noue ( 17/04/2009 08:10)
tsy aleo lavitra aza v i manandafy toy zay rondefo ee?? (hay moa roin) :-D :-D :-D :-D :-D
7. Oay ( 17/04/2009 08:51)
Lojika be ny nahatonga an'i Manandafy praiminisitra é!:
_Tsy misy manana ny traikefa ananany @ ireo eo Ambohijatovo ireo!
_Tsy misy afaka miresaka @ Ratsiraka sy Zafy ary Ratsirahonana sahala @ fahafahan'ny Manandafy miresaka @ ireo olona ireo.
_Tadidio fa i Rabetsitonta sy Manandafy no nanery an'i Ravalomanana hifampidinika t@ mouvance Ratsiraka.
_i Manandafy no anisany nijanonana niaraka t@ Ravalomanana kanefa d nitaky hatrany ny fanovana ny lalampifidianana.
_i Constant izay lazaina fa Syndicaliste mitarika ny mpiasampanjakana d tadidio fa MFM d tadidio fa ny mbola avantage ny MFM na d efa tsy mahazo vahana intsony aza izy eny anivon'ny sarababembahoaka d ny intellectuel Malagasy d sympathisant MFM ny ankamaroany indrindra moa ireo ao anatin'ny 40-50 ans.
_Ny zavatra mampieritreritra ana fotsiny d hoe:" sur ve fa tsy hanararaotra izao fotoana izao i Manandafy hahatonga anazy ho prézidà satria araka ny resaka nifanaovako t@ zokiko izay mpakafy MFM d tsy nety nanao praiminisitra izany mihintsy i Manandafy satria izy d mino fa holasa prézidà an'i Madagsikara indray andro any"
_Fa na izany na tsy izany d tokony hanararaotra ny TGV hifanolotra tanana @ i Manandafy satria io d tena mpanao politika ka ny intérét politique d mandeha alohan'ny intérét hafa ary za mino fa i Manandafy ohatra d manohana an'ilay famotsorankeloka faobe!
8. bozyboleta ( 17/04/2009 10:39)
Betsaka ny zavatra nifamahofaho hatr@ voalohan\'ny taona izay ka raha tsy olona efa nandalo fisedrana politika maro sy manana fahamatorana ara-politika tsy hahavaha io olana io, indrindra moa fa ny mpifanandrina @ tena efa hita fa goaika daholo. Ankoatra izay dia ilaina ny fananana olona manana fifandraisana mivelatra be @ any ivelany @ famahana izao krizy izao.
@ ireo manodidina ny Filoha Ravalomanana dia i Manandafy ihany no azo heverina fa mahafehy ireo fepetra ireo satria dia efa fitondrana maro nifanesy no efa nodiaviny ary manana fifandraisana be @ any ivelany izy. Izy ihany koa dia karazan\'irony mpanao politika manaraka ny sori-dalany fa tsy lay mpivadibadika palitao.
Ary t@ ireo mpanolo-tsainan\'ny Filoha dia izy no fidèle taminy.
9. bazylou ( 17/04/2009 11:21)
lojika be satria tava tsoavaly lery !!! :-D :-D :-D
10. Oay ( 17/04/2009 12:11)
bozyboleta:


Ary t@ ireo mpanolo-tsainan\'ny Filoha dia izy no fidèle taminy.



Marina mihintsy fa i Manandafy ihany no tsy niala t@ Ravalomanana ny antony no azo ampiadiana hevitra kely:
_Araka ny zava-misy d hita fa tin'ny MFM ny mijanona ao anatin'ny fanjakana mba ahafahana manohitra sy manana toerana eo @ sehatra politika, porofo ny @ izany ny nijanonany tao @ mandatehezana miaro ny tolompiavotana! ary io d hitako hoe mety satria raha vao jadona ny fitondrana d tsisy fika hanaovana politika raha tsy ao anatiny enao, mpanohitra anefa ny MFM satria ny MFM ohatra d tsy nitsahatra ny nangataka ny fanovana ny lalampifidianana, ary mbola averina ihany koa fa ny MFM d tena mpanap politika matihanina satria tena ao anatiny ilay fanaovana politika fa tsy arriviste na hoe tonga mpanao politika satria manambola d mila arovana izany fananambola izany!
_Ny antony iray koa d efa hita fa tsy nahazaka vahoaka intsony i Manandafy satria na tany @ toerana niaviany aza d tsy lany solombavabahoaka intsony d io koa no mety nahatonga anazy tsy niala t@ Ravalomanana.
_Ny antony fahatelo koa d satria ny mpitarika politika hita fa votsa indrindra eto Madagsikara d i Ravalomanana d mba ahafahan'ny MFM mametraka ny fomba fijeriny d moramora ho anazy ny mandresy lahatra an'i Ravalomanana noho ny mandresy lahatra an'i Pastera ohatra!
_Efa hitany ihany koa satria moa sociologue i Manadafy d efa hitany fa ilay modely navelany napetrak'i Ravalomanana d modely na fiarahamonina tsy maintsy hipoaka tsy maharitra ela d nandrasany ny anjarany d io fa nipoka ilay izy d izao manjary manaiky ho praiminisitra i Manandafy na d prézidà ary ny nokasainy ary mbola ananany fanantenana fa tsy maintsy hotonga indray andro any!
_Mbola ilay mahavotsa an'i Ravalomanana arapolitika ihany koa no nahatonga an'i Manandafy niaraka t@ i Ravalomanana satria fantany fa rehefa manoloana Merina votsa d manana chance ny zanak'i Betsileo hotonga prézidà an'i Madagasikara!
Analizy tsotsotra ny an'i Oay fa d misokatra ny ady hevitra an!


11. bazylou ( 17/04/2009 17:58)
esy ry tim eeeeeeeeeee :-D :-D :-D
12. fijo ( 17/04/2009 22:10)
efa manomboka miha mandalin akosa oay kely izany an,tsara fa tohizo ,fa aza manao toa an'i essera
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0919