Ny HELO araky ny voasoratra.

1. soanja ( 15/04/2009 04:22)
Indro omeko eto ny teny voasoratra momban'i Helo.

Anjarantsika ny hino na tsy hino satria tsy misy mahalala izay any ambadiky ny fahafatesana velively akory. Ny soratra kosa dia mitoetra ho vakian'ny rehetra sy ho fahalalana ho an'ny tsirairay.

NY EVANJELIN'I NIKODEMOSY- CHAP XIII

3- Ilay Hazavana tao anaty Helo (Dika teny malalaka Soanja)
7- I Simeona nifoha ary nanambara ny fahatongavan'i Kristy

1-O ry Jesoa Tompo sy Ray, Ianao izay fananganan-ko velona, omeo anay ny fahafahana mba hahafahanay hilaza ny zavamiafina momba anao, izay hitanay taorian'ny fahafatesana, tamin'ny nanombohana anao teo ambony hazo fijaliana, satria izahay dia miaiky ny alehiben'ny anaranao.
2-Ianao tokoa moa mantsy dia nandrara ny mpanomponao tsy hilaza ny zavamiafina sasany, izay iainanay eo amin'ny fahamasinanao sy ny herinao ao amin'ny Helo.
3-Raha napetraka izahay hiaraka amin'ireo ray amandreny amam-panahy betsaka tokoa amin'ny lavaky ny helo, ao anaty fahamaintisan'ny aizina mangitsokitsoka, no indro niseho tampoka ny loko taratra toa volombolamena ary ny ao anatin'ny dia miloko volombatolalaka izay nameno ny toerana nisy anay.
4- Tamin'izany tokoa ny rain'ny olombelona rehetra dia I Adama sy ireo ray aman-dreny amam-panahy sy ireo mpaminany rehetra, niaranifaly sy niteny hoe, Io Fahazavana io no niforonan'ny hazavana tsy manam-petra, izay nampanantena anay hifindra amin'ny hazavana tsy manampetra.
5- Niteny mafy tokoa ny Mpaminany Isaia hoe Io no Fahazavan'i Ray, Ilay zanak'Andriamanitra, araka ny voalazany teny faminaniana, fony mbola niaina tany ambonin'ny tany aho.
6- Ny tanin'i Zabulon, sy ny tanin'i Nephthalim mihoatra an'i Joridany, ka ny olona no nizotra ato anaty haizina, dia nahita ilay hazavana: Ho andry zareo izay tao anaty aloky ny fahafatesana, dia ny hazavana no niposaka. Izao kosa Izy no tonga, izay nanazava antsika izay mipetraka ao anaty fahafatesana.
7-Raha mbola variana nifaly tamin'ilay hazavana nanenika anay izahay, dia ny ray ampanahy Simeona no tonga teo aminay ary niarahaba anay rehetra namany teo sady niteny hoe : « Deraina I Jesoa Kristy Tompo ilay zanak'Andriamanitra.»
8-Ilay noraisiko teo an-tanako tamin'izy mbola menavava, nofenoin'ny Fanahy Masina, araka ny voalaza taminy sy tsapany. Ka amin'izao dia hitako amin'ny masoko ny famonjenao, izay efa nomanana ho eo anatrehan'ny olona rehetra, ilay hazavana izay mampisokatra ny jentilisy ary manome voninahitra ireo vahoakanao Israely.
9- Ny Masina rehetra tao anaty anaty lavaky ny helo, naheno izany dia nihoraka sy nidera avokoa. …...

Dikateny malalaka nalaina tao amin'ny Evanjelin'i nikodemosy izay NOTSONGAINA Tamin'ireo evanjely avy ao amin'ny Grynaeus Orthodoxagrapha, vol. I tom II P. 643

Talohan'io dia nantsoina hoe ASAN'I PAONSY PILATY ny evanjeliny.

Betsaka ny teny na evanjely voasoratra nefa tsy nampidirina tao anaty baiboly. Ity iray ity dia isany tokoa.

Ny hazavan'Izy Tompo anie hitahy antsika rehetra. Soanja
:-* :-* :-*
répondu par coopsal le 28/04/2009 06:50
2. ikaretsaka ( 15/04/2009 05:39)
Ho an\'ireo tsy mahafantatra sy ireo \"zoviana\" aloha dia omena \"background\" kely :
-Apocryphes ny Evanjelin\'i Nikodema ary misy tapany anakiroa

-ny voalohany dia io nolazain\'i soanja io hoe \" asan\'i pontsy Pilato\" (Acta Pilati) mitatitra ny tatitr\'i Pilato ho an\'ny Emperora Romanina (cesara) @ ny momban\'i Jesoa (Toko 1-16)
-ny faharoa dia \"ny tantaran\'ny nidinan\'i Jesoa tany @ Helo\"\"Decensus Christi ad Inferos\" (toko 17-27)
t@ andon\'i St Justin martiry sy ny \"apology\" nataony no nalaza izy io

noho izy io tsy feno (tsy voatantara ny nahaterahan\'i jesoa sns... toy ny @evanjelty 4 fantantsika) fa saika mifanoka bebe kokoa t@ \"passion \" ary fomba fijery romanina momban\'i jesoa no tao: dia tsy navelan\'ny Papa Eusebe navondrona ho isan\'ny boky nandrafitra baiboly izy.

Nefa io ilay tononina amin\'ny fiekem-pinoana hoe : \"nidina tany @fiainan-tsy hita\"... @ teny vazaha moa io tena lazainy hoe est descendu en enfer
3. lasa ( 15/04/2009 06:39)
Misaotra indrindra anareo mianadahy t@ fanazavana,araka ny henoko dia maro tokoa hono ireny karazana soratra tranainy mahakasika ny tantaran'ny baiboly ireny saingy ireo efa hita sy dinihana @baiboly ireo ihany no toa fantatra sy hay tsianjery;koa miangavy manokana aho @zay mbola mahalala hafa ankoatra an'ity voalaza ty mbahamelabelatra izany ato fa tena mahaliana tokoa:"fantaro ny zavatra rehetra..."
4. soanja ( 15/04/2009 13:16)
Rehefa malalaka aho dia manohy ny teny vosoratra hoe iza ary ahoana no nahafahan'i mpanoratra nanoratra ity Filazantsara ity ka nahatonga azy niparitaka ka tonga eto amintsika nefa izy efa tany amin'i Helo.
5. coopsal ( 15/04/2009 17:25)
Izay izany ny an-dry zareo tany @ helo (hono).

1- Kanefa tsy hahatonga izay efa tsy mino hino izany. I Jesoa no niteny an\'izay : \"Rehefa tsy mino ny mpaminany sy ny Moïse ireo, na hisy avy aty @ maty aza hiverina any dia tsy hino foana ry zareo\"

2- Eto an-tany jesoa KRISTY, ilay fahazavan\'izao tontolo izao dia efa mampiseho ny hazavaNy amin\'ny alalan\'ny teniNy sy ny Fanahy Masina, kanefa maro no mandositra an\'izany. Tsy inoako hifaly amin\'ny fahazavan\'ny lanitra ny olona toy izany ?
6. mia ( 15/04/2009 18:59)
Misy ny helo, misy koa satana fa saingy mpandainga i satana, rain'ny lainga izy ka ezahiny hijanona ao anaty confusion foana ny olona mba afahany mamitaka azy

Raha tsy nisy danger sy ny helo, tsy tonga tety ny Zanak 'ATRA HAMONJY ANTSIKA mba tsy ho very tafasaraka Aminy

Ny voaloham-pahalalana dia ny fatahorana an'Andriamanitra Loharano miteraka ny fahasambarana izany

Les méchants portent leur enfer avec eux dans leur coeur

Les gens font chaque jour le choix d’aller en enfer ou au paradis

Quiconque ne fut pas trouvé écrit dans le livre fut jeté dans l'étang de feu

miambena isika rehetra
7. ikaretsaka ( 15/04/2009 21:39)
hafahafa be izany credo an'i mia izany

Raha tsy nisy danger sy ny helo, tsy tonga tety ny Zanak 'ATRA HAMONJY ANTSIKA mba tsy ho very tafasaraka Aminy

raha tsy nibrioka ny consciencen'ny zanak'olombelona tsy tonga ny Tompo nanoro antsika hoe tsy izany fa izao !

8. soanja ( 15/04/2009 22:08)
mia:

Misy ny helo, misy koa satana fa saingy mpandainga i satana, rain'ny lainga izy ka ezahiny hijanona ao anaty confusion foana ny olona mba afahany mamitaka azy

Raha tsy nisy danger sy ny helo, tsy tonga tety ny Zanak 'ATRA HAMONJY ANTSIKA mba tsy ho very tafasaraka Aminy

Ny voaloham-pahalalana dia ny fatahorana an'Andriamanitra Loharano miteraka ny fahasambarana izany

miambena isika rehetra

Tena hafa tokoa izany fisainana/ finoana izany.

Ny tahotra no mitondra amin'ny fahasambarana.

Nohariana ny satana sy ny helo satria tiana ho tonga ety an-tany ny Zanak'Andriamanitra! Rehafa avy eo anefa fantatra fa tsy ny olombelona rehetra no ho voavojy satria be ny mibolila. Naterana ny lalana mankany an-danitra mba ho vitsy koa ve ny ho tafiditra any satria tsy tiana ho feno ny any sa tery ilay toerana any????

Tsara alalinina marina ity finoana iray ity!

9. mia ( 19/04/2009 20:59)

Ny tahotra resahiko eto sy voalaza ao anaty baiboly dia fanomezana voninahitra Andriamanitra, fanajana AZY.

Mitombo ao anatintsika ny hetaheta te hanaja an’Andriamanitra io rehefa tena manatona Azy marina tokoa, amin’ny alalan’ny finoana.

Mibanjina an'Andriamanitra isika fa tsy ny tahotra @ mahaolombelona intsony no mibahana

Mivavaka amin’Andriamanitra, manatona AZY «amin’ny fanajana sy fatahorana» isika rehefa tena mahatsapa fa lehibe ary masina sy tsara IZY.

Mahatsiraro-tena ho tsinontsinona sy zava-poana isika eo anatrehan'ny fiandrianan'ny Tompo nefa koa mahatoky fa tena tiana sy henoina.

Izany rehetra izany no azo ilazana hoe mahalala an’Andriamanitra ho Ray.

.Fantatro fa rehefa manana ny fanahy izaho sy ianao dia miadana ampo (Gal 5:22), Ary izay rehetra manatona Azy dia omeny ny fanahiny, Omeny fiadanana am-po.

Mandeha araky ny fanahy fa tsy ny tahotra @ mahaolombelona intsony.

Izay no mahatonga ilay teny hoe Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra [lanitraKa tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly.

10. soanja ( 20/04/2009 02:54)
mia:

Tena hafa tokoa izany fisainana/ finoana izany.

Ny tahotra no mitondra amin'ny fahasambarana.

Nohariana ny satana sy ny helo satria tiana ho tonga ety an-tany ny Zanak'Andriamanitra! Rehafa avy eo anefa fantatra fa tsy ny olombelona rehetra no ho voavojy satria be ny mibolila. Naterana ny lalana mankany an-danitra mba ho vitsy koa ve ny ho tafiditra any satria tsy tiana ho feno ny any sa tery ilay toerana any????

Tsara alalinina marina ity finoana iray ity!

Ny tahotra resahiko eto sy voalaza ao anaty baiboly dia fanomezana voninahitra Andriamanitra, fanajana AZY.

Mitombo ao anatintsika ny hetaheta te hanaja an’Andriamanitra io rehefa tena manatona Azy marina tokoa, amin’ny alalan’ny finoana.

Mibanjina an'Andriamanitra isika fa tsy ny tahotra @ mahaolombelona intsony no mibahana

Mivavaka amin’Andriamanitra, manatona AZY «amin’ny fanajana sy fatahorana» isika rehefa tena mahatsapa fa lehibe ary masina sy tsara IZY.

Mahatsiraro-tena ho tsinontsinona sy zava-poana isika eo anatrehan'ny fiandrianan'ny Tompo nefa koa mahatoky fa tena tiana sy henoina.

Izany rehetra izany no azo ilazana hoe mahalala an’Andriamanitra ho Ray.

.Fantatro fa rehefa manana ny fanahy izaho sy ianao dia miadana ampo (Gal 5:22), Ary izay rehetra manatona Azy dia omeny ny fanahiny, Omeny fiadanana am-po.

Mandeha araky ny fanahy fa tsy ny tahotra @ mahaolombelona intsony.

Ireo voalazanao ireo tokoa ny Fitiavan'Andriamanitra sy ny Fahazavana omeny izay tsy ahitanao tokoa intsony ny asan'ny nofo sy ny faharatsiana miaraka aminy rehefa mitambatra amin'Andriamanitra.

Io Hazavana io dia hanafoana ny aizina= tahotra ny satana sns...

Io fiadanana ao ampo io dia tsy hahatsapa velively ny tahotry ny fahafatesana sy ny helo satria fantatra fa iray isika amin'Izy Tompo.

Io tantara eo ambony io dia nilaza fa hoe rehefa maty teo ambony hazo fijaliana i Jesoa dia voavela daholo ny helok'ireo izay lasa teo alohany ka nino an'Andriamanitra ho Fitokisany, moa isika amin'izao izay mino azy dia hanana ny famonjena satria Izy no tonga ety an-tany dia ny hamonjy antsika.

11. mia ( 20/04/2009 06:20)
ikaretsaka:

hafahafa be izany credo an'i mia izany

Raha tsy nisy danger sy ny helo, tsy tonga tety ny Zanak 'ATRA HAMONJY ANTSIKA mba tsy ho very tafasaraka Aminy

raha tsy nibrioka ny consciencen'ny zanak'olombelona tsy tonga ny Tompo nanoro antsika hoe tsy izany fa izao !

Ny fisainako mety ho tsinontsinona fa ny teny ao anaty baiboly ihany no nahatonga ahy niteny izany ry Ika

Ny tiako ho lazaina dia hoe mpanota daholo isika, efa very daholo t@ i adama sy eva voaroaka tao edena satria tafasaraka t@ TOMPO

Nandefa ny mpaminany IZY hampiavana antsika AMINY nefa tsy nohenoina ireny, novonoina, nenjehina, dia Ny Fitiavany antsika no antony nanadefasana an'i JESOA HO AVOTRA FARANY ho antsika.

Tena fitiavana lehibe satria isika anie mpanompo e, IZY nefa Andriamanitra.
mpanompo isika fa nohariana hitovy endrika Aminy, ka izay no anisan'ny nahatonga ny devoly hialona sy hamitaka antsika.

Ny marina izany dia NY Fitiavan'Atra antsika tsy ho very any @ helo mandrakizay no Nandefasana an'i KRISTY

12. coopsal ( 28/04/2009 06:50)
ikaretsaka:

hafahafa be izany credo an'i mia izany
...
raha tsy nibrioka ny consciencen'ny zanak'olombelona tsy tonga ny Tompo nanoro antsika hoe tsy izany fa izao !

==> Ho an'izay nahatsapa fa niboriako ny conscience-ny ka voaheloka ho amin'ny afobe mandrakizay izy, tonga Jesoa hilaza amiNy fa Izy tenaNy no hilanja ny fanamelohana, ary ny ràNy halatsaNy ho fanadiovana ny loto.
Ho an'izay mihevitra fa ny sasany ihany no miborioka conscience fa ny tenany ok satria mba miezaka ihany ... hoy Jesoa hoe "raha tsy tonga aho nilaza taminy ny faharatsiany dia ho tsy nanan-keloka izy, fa ankehitriny, efa tonga aho nilaza, koa tsy misy fialàna ho azy intsony".
- Ho an'izay tsy mba nanatsatoka antsy nanitifitra basy olona, nilaza Kristy "izay tezitra @ rahalahiny dia mitovy @ namono olona eo anatrehan' Andriamanitra".
- Ho an'izay tsy mba nijangajanga, nilaza Jesoa fa "izay mijery vehivavy ka mila azy dia meloka nijangajanga taminy tao am-po ... Ary izay nampijangajanga koa dia meloka"
- Ho an'ireo mihevitra fa manatanteraka ny teniny na ny voadiny, nilaza ny Tompo fa "izay rehetra ankoatra ny `eny` sy `tsia` dia avy amin'Ilay ratsy".
- Ho an'ireo mihevitra fa hahavita ho tia ny namany tahaka ny tenany, tahaka ilay jiosy nanontany hoe "iza no namako ?", nanome fanoharana ny Zanak' Andriamanitra, ilay hany Mpampihavana, dia ilay antsointsika hoe Samaritana tsara fanahy, niafara tamin'ny hoe : 'iza no namana' ?, namaly ilay mpanontany hoe "ilay namonjy" (= ilay Samaritana), hay, mandehana ary tanteraho ny hoe "tiava ny namanao tahaka ny tenanao" ==> tiavo ny Samaritana tahaka ny tenanao ny jiosy. Ankehitriny, misy antokom-pinoana sasany izay raisin'ny kristiana sasany tahaka ny nandraisan'ny jiosy ny Samaritana.
- Hoy Ny Mpitsara voatondron' Andriamanitra hoe : "raha misy mitondra anao any amin'ny fitsarana, mihavàna aminy dieny mbola eny an-dalana, raha tsy izany izy hanolotra anao @ Mpitsara, izay hanolotra anao amin'ny polisy ka handefa anao an-tranomaizina". Raha Kristy no Mpitsara, iza no entina hotsaraina ? " ... nefa tsarovy fa hoentin' Andriamanitra hotsaraina ianao". Ka izay no ilazan'ilay Mpampihavana hoe, mihavàna amin' Andriamanitra dieny ety.
"Mihavàna amin' Andriamanitra" ==> tapaka ny fihavananao amin' Andriamanitra,
ianao fa tsy ny sasany ihany.

Tanteraho ny lalàna araka izay iheveranao azy, kanefa kosa rehefa misy tsy tanterakao na dia sombiny kely aza, dia hadinina amin'izany ianao, hotsaraina amin'izany ianao ary voaheloka amin'izany ianao. Fa Andriamanitra tsy mba miangatra amin'ny fitsarana, fa mitsara marina ny zavatra rehetra.
Amin'olombelona aza voalaza hoe "nul n'est censé ignorer la loi".
Amin' Andriamanitra ny lainga dia lainga, fa tsy misy lainga masina.
Amin' Andriamanitra ny mamono olona dia mamono olona (tezitra @ rahalahy dia mamono olona), fa tsy misy fahatezerana rariny sy tsy rariny.
Amin' Andriamanitra ny fijangajangana dia fijangajangana, fa tsy hoe izay nijangajanga tsy nahy dia tsy isaina ho nijangajanga. Fa hoy Jesoa hoe "izay tsy nanao ny tokony nataony ka tsy nahafantatra dia ho voakapoka. Ary izay tsy nanao ny tokony ho nataony kanefa nahafantatra dia ho voakapoka mafimafy kokoa".
Ankehitriny ianao dia mahafantatra ny tokony nataonao rehetra, nataonao ve ireny ? Fa raha nisy izay tsy nataonao dia mafy kokoa ny kapoka hahazo anao noho izay tsy nahafantatra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0456