samy manao izay tiany atao fa nahazo fahafahana

1. nalison ( 09/04/2009 13:56)
Fanatanjahantena

TVM – Kilalao ratsy !
Inona àry ity !?
Taitra avokoa ireo nanaraka ilay lalao baolina kitra nihaonan'i Villareal sy Arsenal tao amin'ny T.V.M., ny talata alina teo: nivadika tampoka ny sary teo amin'ny manodidina ny 20minitra nilalaovana. Kianja hafa indray no hita ary olona roa monja no teo amboniny, lahy sy vavy. Azonao ilay izy ê ! Nisy namadika ho ao amin’ny 89(XXL) ny “canal”. Niova ho “canal 4”(TF1) indray avy eo dia niato kely vao niverina tamin'ny laoniny. Tohina tokoa ny raiamandreny maro noho izany, indrindra fa ireo izay niara-nijery tamin’ny zanany. Ny sasany aza tonga dia tsy nijery intsony fa sao mbola miverina ilay sarimihetsika mamoafady. Soa ihany aloha fa tsy mbola tany amin’ilay tena lalao fa hatreo amin’ny fanafanan-tena fotsiny ihany. Fa ankoatra izany dia mangataka ireo mpanaraka ity «Champion's league» ity mba halefa “en différeé” ilay baolina faharoa toy ny efa fanao hatramin'izay.
Rabenaivo
répondu par soanja le 10/04/2009 19:55
2. soanja ( 09/04/2009 16:40)
nalison:

Izay no mampalahelo. Raha mbola tsy maka fanapahan-kevitra amin'izany ny ray aman-dreny amin'ny fandrosoana ny zanany hijery fandaharana direkta indrindra amin'izao sahotaka izao dia tena hanana olana tokoa ny zanany ary ho diso fanantenana foana izy satria tsy kely lalana ny ratsy.

Mila mividy ireny fitaovana firaketana ny zavatra mandeha amin'i tele ry zareo ary mamafa izay tsy ilaina rehefa avy notiliana daholo ny ao anatiny mba haroso amin'ny voatavo tsy mifandraka.

3. xxx ( 09/04/2009 17:25)
tsy ny ray aman-dreny no tokony haka fanapahan-kevitra ry soanja fa ny fanjakana a!, tvm anie io fa tsy rta na hafa e!
4. bazylou ( 10/04/2009 09:42)
marina izany ary samia miaro ny rambony ary e!! :-D :-D
5. soanja ( 10/04/2009 19:55)
xxx:

tsy ny ray aman-dreny no tokony haka fanapahan-kevitra ry soanja fa ny fanjakana a!, tvm anie io fa tsy rta na hafa e!

Asa re fa raha zah manokana dia tsy mahatoky haino aman-jery mandeha direkta aho raha resaka Fanabeazana (zany hoe misy zaza eo) no resahina fa mila arahiko maso daholo izay mety ho fisehon'izany amin'ny zanako. Ny tiako tenenina dia tsy afaka hanantena olona, na fanjakana na n'inona n'inona aho fampahomby ny fivoaran'ny fiainanan'ny ankizy fa isika RAD no maka fepetra voalohany. Satria nahoana na TVM na RTA na CNN dia afaka ny hanelingelina izany tokoa rehefa te hanao izany ry zareo. Mitanila foana ny serasera matetika na dia efa misy aza ny miezaka tsy hanao izany. Ao koa rahateo ny mahaolombelona izay mety tsy azo lavina fa be ny adala sy ny mitady izay hanakorontana ny hafa na hanimba ny hafa mihitsy aza.

Asakasakareo anefa fa hevitra ihany iny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6326