Tsy ho voatanan'i CAPSAT ny Fitondrana TGVendrana

1. penguin ( 09/04/2009 06:50)
Na andeha hatramin'ny lohan'i CAPSAT izay manantena ny fananany ireo fitaovam-piadiana ananany aza dia tsy maintsy voahozongozona io fitondrana FATy (na Fahefana Avon'ny Tetezamita) io. Tsy manambola anakaramana ny mpiasam-panjakana eny fa na ny miaramila fotsiny ihany aza ty CAPSAT mpandrahona ty. Ho avy tsy ho ela ny governemanta hifandraisana ary hiarahana manamboatra izany lalam-panorenana sy fifidianana marina izany. Tsy misy izany hoe maharesy tanteraka izany elah akory ry TGVendrana isany.
répondu par fijo le 09/04/2009 22:06
2. essera ( 09/04/2009 06:54)
governemanta hifandraisana ary hiarahana manamboatra izany lalam-panorenana sy fifidianana marina izany


Naninona io no tsy vita nandritra ny nahateo an'i Dada. Zao vao hoe tena hanao am zay izahay.

Tsy misy izany hoe maharesy tanteraka izany elah akory ry TGVendrana isany.


Ny ankabeazan'ny mamo dia miteny hoe tsy mamo aho ka.
Ny ankabeazan'ny resy dia manao ilay hoe : "Nataoko ninan fatiny iny ra ts notazonina teo a."
Ny hita aloha izao dia teo amin'ny pilopitra ianao no nikodia tery amin'ny mpiangona ka efa olona hafa indray no mitory teny. :oops: :oops:
3. andrywai ( 09/04/2009 06:55)
Ny hoe governemanta teny @ 13 mai aloha dia aza manantena fa ho anareo araky ny fiheveranao ho mpandresy ny laka. Na ny toeran'i Roindefo aza mihozongozona indrindra moa fa ireo mpikambana amin'ny governemanta-ny. Miseho daholo ny olana rehetra izao satria tsy mitovy ny horakoraka eny @'ny 13 mai sy ny tena fandraisana andraikitra.
4. penguin ( 09/04/2009 07:04)
Ho an'i essera mihintsy no nanokafako ny hevitro ity. Tsy TIM aho manoratra saingy mirona @'ny ara-dàlana ary tsy manaiky ny fandrombahana fahefana tsy @'ny fifidianana. Tena marina ny anao fa tsy eo amin'ny fitondrana intsony i Dada ary mamo tokoa no mandà izany raha ny hita maso no jerena. Any ivelan'i Madagasikara izy ary na ny lapa rehetra aza efa eo ampelatanan'ny mpandroba fahefana. Izany kosa tsy midika fa mandeha ny asa rehetra. Midira amina tranom-panjakana iray ianao fa tsy misy asa mandeha ao ary na ny fanendrena tompon'andraikitra aza tsy mbola vita nefa efa hafiriana no nisian'izany governemanta TGVendrana izany. NOho izany TSY MBOLA MPANDRESY TANTERAKA NY TGVENDRANA AKORY ary hikoaka ihany koa.
5. xxx ( 09/04/2009 07:04)
Ka izay no alehany rehefa tsy mandinika tsara vao manao zavatra .
6. Oay ( 09/04/2009 07:08)
xxx:

Ka izay no alehany rehefa tsy mandinika tsara vao manao zavatra .


izany hoe mbola marina aloha izany hatreto ilay tenin'i Marc Ravalomanana manao hoe:"efa notsapainareo tsara ve ny herinareo"


7. penguin ( 09/04/2009 07:08)
Ny hita maso ary fantatry ny rehetra dia mitolona tsy misy doro-trano na fanimbana zavatra na terisetra miampy tosika CAPSAT no ataon'ny mpandala ny ara-dàlana saingy mandeha ary ahitana vokatra izay tsy zakan'i TGVENDRANA.
8. xxx ( 09/04/2009 07:13)
i 8 vendrana mbola michoisir tovovavy any choiszilandy no sady manafosafo osy mainty tena vendrana iny klee!!
9. penguin ( 09/04/2009 07:16)
Vendrana io satria taritin'ny olona amin'ny sangany ary mampiasa hevitra sy tetika fozaorana. Tsy maintsy miala io na ahoana na ahoana satria tsy lanim-bahoaka tamin'ny fifidiana fa TGV natosikin'ny CAPSAT. Ny tany miodina fa ho azo ny CAPSAT aoriana ao satria ny fitaovampiadiana no azy fa tsy ny SAINA.
10. xxx ( 09/04/2009 07:17)
penguin:

Ny hita maso ary fantatry ny rehetra dia mitolona tsy misy doro-trano na fanimbana zavatra na terisetra miampy tosika CAPSAT no ataon'ny mpandala ny ara-dàlana saingy mandeha ary ahitana vokatra izay tsy zakan'i TGVENDRANA.


mpandala ny ara-dalana? ovay le mot fa mahamenatra, tsy ny ara-dalana no tadiavinareo fa ny sezanareo sy ny fihinananareo
efa impiry voateny teto fa raha misy ny vendrana de ra8, satria ? zany rehefa vendrana manome ny fahefana efa an-tanana, olona mpivaro-dronono tsy de nandalina fahaizana loatra moa ka tsy mahagaga, fa nareo misolelaka aminy koa no tena vendrana, ho aiza intsony e!,
11. penguin ( 09/04/2009 07:27)
Ny hoe ho aiza intsony indrindra no anamafisako fa tsy mbola mandresy tanteraka elh TGVENDRANA. Porofon'izany dia ny fanarahana izay asa natombokin'y lazaina ho mpivaron-dronono fotsiny fa tsy hita izay mampiavaka ny tena. Ary aza adino ny mandeha mamonjy mijery ny ministera isan'isany hoe misokatra fa tsy misy asa mandeha sa mandeha ary mandroso ny TGVendrana ? Tsara ianao no mijery izany mivantana.
12. papala ( 09/04/2009 08:12)
nahoana no mbola hitomaniana hosokafana ny TIKO? zany no maha TGVENDRANA AZY sy ny tariny? rehefa potehina ny zavatr'olona dia tokony mba hanakambo, mba manolotra zava-baovao @ vahoaka! fa tsy ny etan'olona no ahodikodina!
TENA TGVENDRANA! hoy XXX : Lazaina fa mpivaro-dronono tsy de nandalina fahaizana iR8, nefa ny MAGROS SY NY TIKO VITANY nanerana ny MADAGASIKARA NAmpaha-befialonana ANDRY miseho azy ho COMMMERCIAL SY GESTIONNAIRE nivoaka teny @ paradisan'ny oniversité !
13. penguin ( 09/04/2009 08:58)
Fantany fa tsy ahavita mitovy ny zavatra vitan'izany TIKO izany izy ary manana ny lanjany izany Groupe TIKO izany noho izany dia tsy sahiny ny manaraka ny hirahiran'i VIVA hoe poteo tanteraka. Mamelona olona maro mivantana sy tsy mivantana io fa ny maha-pitari-dronono ny olona no ventivetesiny. Izao kenda tsy misy zavatra mandeha satria tsy mpanamboatra vola akory ny CAPSAT fa fitaovana ary miandry vola ihany koa.
14. xxx ( 09/04/2009 09:32)
Moramora ihany ry penguin fa lahy tokana io aina io anie e,
15. xxx ( 09/04/2009 09:49)
Inona no tianareo Andriamanitra any an-danitra sa osy volamena?za alo de menatra @ reny osy volamena sy fanompoan-tsampy be reny e!!!!!Madagasikada ve de hitsahina? asiana dian-tongotra? zarazaraina?Zany rehefa manao ratsy é.
Nareo ihany no nahatonga izao zavatra rehetra zao, mangina ry TGA.
Aza manasa atidoha fa tsy mamely é.
mbola ho mafimafy noho izao aza no famaizana anareo demony ireo ry penguin fa miomana fa tsy mbola ampy izay , malhereusement tsy mbola hita ny adresse nlah !!!
16. KALACK ( 09/04/2009 09:54)
aza petsaina kosa lets penguin fa vizana eo lery de tsisy akama tson tsika a,,,
17. penguin ( 09/04/2009 10:19)
Raha olona mahantra naninona no tsy nozaraina ny volamena satria mahazo vary kitapo maro izany ho haniny. Sa volamena sandoka. Vao mitsaka ny TGVendrana dia mamono omby koa inona fa samy fihinana na ondry na inona. Tsy petsan'elah ny penguin satria efa zatran'ny mangatsiaka. TGVendrana tsy maintsy miala na harary aza elah isany. =)) =)) =))
18. andrywui ( 09/04/2009 10:25)
manonofy atoantdro penguin !!!!??? hany e?? te-ho goaka angah laisany ?? ha aha aha aha aha !!! tsy maintsy miala ???
19. penguin ( 09/04/2009 10:32)
TGVendrana naka fahefana an-keriny no miala raha tsy hain'elah. Efa zatra mampanonofy vahoaka ka "machine administrative" mandeha any Frantsa no lazaina mandeha aty Madagasikara. Mba ny zava-misy resahina ry donto a sa menatra ny hamaly ny fanontaniako hoe milaza Ministera iray ka miasa ara-dàlana ny mpiasa ao ary mandeha izany asa izany fa na ny "En tête" aza tsy hita atao ahoana. Porofoy izany hoy aho raha diso f'aza mitapy saonina.
20. fijo ( 09/04/2009 22:06)
lavareny izy ity ry zalahy,ary rah asamy hiziriziry ,dia i madagasikara izay lazain afa "tiana "no ho simab.ka ny fanafodiny ,dia ny miresaka sy mifandamina,fa ho lasa ady an trano rah aizao no mitohy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0512