Tena DJ ny filohan'ny HAT

1. vilambava ( 08/04/2009 10:03)
Io no halalana ny filohan'ny HAT: ancien DJ. Kanefa araka ny fahitako azy dia mbola mitana ara-dalana an'io asa maha DJ azy izy io izy ankehitriny, satria tsy ilay heviny fantatr'izao tontolo izao hoe Disk Jockey izy fa Didy Jadona no asany. Dia ny aina no mahatezà hahita ny hiafarany eto isika.
répondu par fijo le 08/04/2009 20:37
2. rabaradaka ( 08/04/2009 10:08)
Marina zany dadatoa ! Mahereza mividy vary 500 Ariary ny kilao sy menaka zarana fotsiny e ! De aza adino ny mivavaka hoe ampio zahay Andriamanitra hanala an'ny TGV
3. vilambava ( 08/04/2009 10:11)
Vary 500 Ar ve? Fanambaniana ny malagasy io amiko. Nahoana no hamaivanina tahaka izany ny vokatry ny hasasaran'ny tantsaha tao anatin'ny volana maro? Sa vary nafarana sy sisa tsy lany tany ambadika tany? Dia vao maika fanambaniana raha izay.
4. Mirananirina ( 08/04/2009 10:32)
Asany kosa ve ialany ry vilambava a. :) Mahazo vola anie io no maha" célébrité " e
5. ravatorano ( 08/04/2009 10:33)
tokony tsy ho menatra amin'izany hoe nanao DJ izany aloha Ingahy Andry Rajoelina io toy ny hoe Ravalomanana mpivaro-drononao nitaingina beka nitondra ireny fitondrana ronono misarona ireny erak'i manjakandriana.
Samy manana ny "départ"-ny avy ny olona e fa tsy nisy avy d tafa be avy hatrany rah tsy dia hoe angah ka efa nanakarena talohan'ny nahatrehanao ny ray amandreninao ka nisonanika sy niaiana tao anati'izany ianao ary mbola tafita noho'ny amin'izany koa !
vary 500 ariary io dia natao hanamaivanana ny "couche vulnérabel" amizao fotoana izao.Tsy hijanona haharitra io fa handalo fotsiny ihany araky ny filazan'ny minisitry ny varotry ny HAT.Izany hoe afaka roa na telo herinadro eo dia hiakatra any amin'ny 950 ariary any ny vidin'io vary io ary ny mpivaotra rehetra dia afaka mivarotra azy io avokoa fa tsy toy ny amizao hoe eny amin'ny firaisana ihany no ahitana azy !
6. caprio ( 08/04/2009 10:38)
Sarotra be ny mitady vahaolana raha tahakan'izao toe-tsaintsika zao foana no mitohy,satria ny pomba ndra8 dia mahita lazaina foana,dia tahaka an-zay koa ny pomba an-dra Andry,ady seza io ry zalahy fa efa lasany iny aloha dia anjaratsika TIM ndray zao no mitady vahaolana mba hangalana azy na @fomba inona io na @fomba inona
7. essera ( 08/04/2009 11:00)
Sambasamba mba nitovy hevitra kosa izahay sy Mirananirina. Ary tsy misy koa ny hanao kirina be fahatany izany satria :

Ny olona tsy manana saina sy fahavononana ny handroso na efa tsy fidiny ny hoe "izy tamin'ny 10 taona ihany no fiainany izao".

Mety vokatry ny tsy fidiny ho'aho fa raha azonao atao ve ny mandroso fa ianao mihitsy no te ho dj mandrapahafaty dia izay izany no tena asa tianao sy fantatrao fa hahavita anao.

8. Mirananirina ( 08/04/2009 12:41)
Teto france anie efa nisy "facteur" nilatsaka président e :) olivier Besancenot izy izay raha tsy diso aho.
9. andrywui ( 08/04/2009 12:53)
Ary inona no hitovizan'ny politika sy ny ronono , na ny fromage sy ny lalampanorenana ary ??
10. fijo ( 08/04/2009 20:37)
ilay literaD sy J anie no resahina eto e.nareo koa tsssss
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1133