mandat presidentiel

1. ari.malala ( 08/04/2009 08:03)
Tsy mba voaresaka mintsy hoa izy ity, nefa anisan'ny iankinan'ny ain-dehiben'ny firenena iany koa e! Raha ny fanapahan-kevitr'i Andry tgv mantsy d hoe 1taona iany no mahazo mitondra ny prezidà iray, izany hoe isan-taona izany ve d hifidy foana no hatao raharaha? sa hoe ahoana no fandeany? Ilàna vola be anie ny manomana fifidianana e!
répondu par fijo le 09/04/2009 22:26
2. xxx ( 08/04/2009 08:08)
zay no maha tsisy saina azy
3. ari.malala ( 08/04/2009 08:17)
tsssssss tonga d valiboraingona b v rangà no mitsena anay kle :-D :-D :-D
4. ifiona ( 08/04/2009 08:29)
bezoro e

ny fahitako azy aloha dia ôtran' mapmé be fotsiny zany hoe herintaona ihany ny mandat présidentiel zany. Lasa mampatsiahy an'ilay izahay fony mbola kely, dia mameno cahier de roulement, dia samy manana anjara aby ny kilasy iray manontolo, ohatra hoe androany an'i peta ny manao délégué, dia amin'ny herinandro an'i Rakoto ndray, sns. Ka tena lasa ho zany ve izy ty hoe misy "chambre des présidents" dia miandry tour sisa.

Zao no tsy mampety azy:
- ny prezida roa mifanarakaraka tsy voatery hitovy fijery @ fampandrosoana an'i Madagasikara. Jere aty ireto politisiana antsika, mbola tsy mety miombon-kevitra ihany hatr@ zao, na izy samy izy ihany aza.
- fohy loatra zany herintaona zany hahitana ny tena fiantraikan'ny fepetra iray.

Raha mikambana ireo roa ireo dia manome oe raha misy atombokin'ny prezidà 1 dia tapitra lé herintaona ohatra, dia tamy any ndray lé prezidà 2, nefa tsy mitovy hevitra amin'ilay voalohany, dia foanany daholo zay vitan'ilay voalohany, dia manao ny azy izy, mbola tsy tanteraka akory anefa ny fepetra raisiny d'efa voatery miala ndray izy dia lé prezidà fahatelo koa ohatra, mitovitovy fijery amin'ilay prezidà voalohany, dia manjary lasa tsy zavatra mety vita hatramin'ny farany mihitsy e!

Ka inona no firenena handroso amin'izany?
5. xxx ( 08/04/2009 08:30)
F'angah moa 1 taona no noteneniny fa hoe mandat 1.
6. ifiona ( 08/04/2009 08:32)
raha mandat iray ndray dia firy taona ny faharetany hono?
7. xxx ( 08/04/2009 08:36)
Ifiona : ho avy eo ny specialista hamaly anao e (ny herintaona aloha d tsy mandat ny anaran'izay fa teteza-mita) :lol:
8. ari.malala ( 08/04/2009 08:36)
xxx a, ka ts mazava amiko anie ilay izy e! d eo no ametrahako fanontaniana, ary io resak'ifiona io mitnsy no antony ametraako fanontaniana hoe ahoana ny fandehany :)
9. ifiona ( 08/04/2009 08:39)
:lol:
10. ntss ( 08/04/2009 08:42)
Reto TIM reto hoa de illétré be marenina tsy mahazo zavatra mihits
Ny suggestion 'ny Pdt Rajoelina de hoe:

Pas de 2 mandats successif ho an'ny olona 1: izany hoerehefa tapitra ny mandat 1 (5 taona) de misolo hafa aloha fa afaka mbola milatsaka kosa iny olona iny amin'ny fotoana manaraka pour un nouveau mandat.

Tsy haiko na ho azonareo zany fa ny hevitra ambadika io dia izao:
TGV n'a que 34 ans, ka raha mitondra 5 taona izy de retirety politika sahady, ka miomana ianareo fa i Andry Rajoelina Tompoko dia tsy ho retirety politika mihitsy au moins 20 ans
Vive Andry TGV
11. ari.malala ( 08/04/2009 08:42)
fa nareo ve mino fa izay prezidà hifandimby eo de ts hifanohitra? jereo ftsn fa vao tafapetraka ry tgv isan d ny nandrava ny sénat sy ny assemblée no nataony volou
12. ravatorano ( 08/04/2009 08:54)
araky ny resaka mande be amizao aloha dia tsy hihoatra ny mandat anakiroa ho an'izay filohan'ny repobika fahaefatra eo ary ho dimy taona ny faharetany
raha toa kosa indray ka ho mandat anakiray dia hiakatra fito taona ny faharetany satria mihevitra ny maro fa raha izay dimy taona tsy hahafahana mitaratra ny fitondrana iray !
mbola hevitra ho entina eny amin'ilay fikaonandoha-pirenena momba ny lalam-panorenana moa izany fa ry zareo no handinika izay mety amin izany fa isika tsy ao anatin'izany dia eto no manolotra sy miady hevitra fotsiny
13. ari.malala ( 08/04/2009 09:07)
Raha azoko tsara zany io fanazavan'i zoky Ravatorano io d mety hahazo mitondra mandat 2 mifanesy ny filoha iray? Raha izany kosa d toa mba tolérable iany ka! satria afaka hametrapetraka tsara ny programan'asany izy, fa ilay hoe tokony hatao contrat programme dia tokony mba atolotra ho sosokevtra iany ktyyyy! zany hoe toa antsika mandeha miasa iany, misy ny contrat ifanarahana @ mpampiasa hoe ireto avy nyasa sahanina ka raha mahavita d mahazo mipetraka eo fa raha tsy mahavita kosa d ilàna fiheverana fa tsy lasa ilay manao kobaka am-bava! (hevitry ny namana tato io no tohanako mantsy :°))
14. xxx ( 08/04/2009 09:17)
mazava ho azy fa raha mandat fohy kely d tsy hahitàna taratra ny asa natomboka ! ilay mandat 5 taona zao no ohatrany mety d miala rhf vita io :°)
15. fijo ( 08/04/2009 21:09)
ilay nolazainy di ahoe "mandat"iray.ny tian aho fantatra dia firy taona ny mandat iray,satria rah a5 taona izany ,tsy misy zavatra vita eo, fa kilalao no be.rah a7 taona ny mandat,mety azo dinihina ihany,fa na izany aza tsy ampy izany raha hiasana ,indrindra firenena nopotehina toa an'ny madagasikara.
16. ari.malala ( 09/04/2009 05:22)
méa culpa zany fa ts nahazo resaka ah e! mandat 1 iany zany, fa firy taona marina ilay mandat?
17. fijo ( 09/04/2009 22:26)
eo no mipetraka ny fanontaniana;tsar aaloh ailay hoe asiana famerana ny mandat.'mba hialana an'ity hoe tsy hiala aho ity)fa mil ajerena tsar aio mandat io.satria ny asa amina fitondrana anie tsy vita herintaona e,rah amanao firaharahian aamina firenena iray ohatr amomba ny tetik'asa iray.iny mety 3 taona vao vita ary n yfah a4 taona vao manomboka ny asa.ka rah a5 taona io,kialalo wa no betsaka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0713