Fanontaniana

1. xxx ( 07/04/2009 22:01)
Ahoana no ahafantarana fa mamela heloka Atra? Ahoana no ahafantarana fa voavela ny heloky ny olona iray rehefa avy nanota izy ka nifona teo anatrehan'Atra? Afaka mamaly faty ve Atra? Sa manasazy?
répondu par ARICO le 19/05/2009 08:38
2. niryna ( 08/04/2009 03:49)
xxx:

Ahoana no ahafantarana fa mamela heloka Atra?

Ny teniny ao amin'ny baiboly no efa nanambara izany tamintsika ary dia mino izany koa isika

Mankanesa aty amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa izaho no anome anareo fitsaharana .Izany hoe hoento eo aminy avokoa ny fahotantsika ho dioviny
Raha hanatona Azy isika,raha miaiky izany fahotana izany ka mibebaka dia ho henontsika ho maivana tokoa izany rehefa mino ny teny soa nomeny antsika tao anatin'ny baiboly

Koa raha mahatsampa isika fa meloka eo anatrehany ary dia mangataka izany famelankeloka izany dia ho voavelany avokoa izany.
Ahoana no anaovako izany ? Avia hifandahatra amiko ( hoento aty aniko ny olana,ny heloka rehetra ) fa na dia mena toy ny jaky aza ny fahotanareo ( na inona izany na inona ) dia ho fotsy toy ny oram-panala ( dia ho dioviny ary tsy ho tsaroany intsony) raha toa ka zaraintsika aminy izany ,raha toa ka mino Azy fa manafaka antsika amin'ny heloka rehetra tokoa izy(finoana izay tsy hita maso kanefa manaiky tokoa ny saina izay teny nomeny fa tsy ho tsaroany intsony.
18 Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy.Isaia 1:18


Ahoana no ahafantarana fa voavela ny heloky ny olona iray rehefa avy nanota izy ka nifona teo anatrehan'Atra?

Ny teniny no nanambara izany ,dia izay resahintsika foana ao anatin'ireo tenin'Atra ireo (ny baiboly no efa manambara izany)
Mankanesa aty amiko hianareo izay miasa fatratra ....
Aiza ireo olona niampanga anao ? hoy kristy tamin'ity vehivavy tratra nijangajanga ka saika notorahin'ireo olona vato
Rehefa niteny i kristy hoe :Izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy
Nisy niampanga anao va izy ireo ?
tsia tompoko hoy ravehivavy tamin'i kristy
Izaho koa tsy manameloka anao hoy Izy
Mandehana ary ka aza manota intsony

Teny azo raisintsika amin'ny fiainantsika koa io hoe raha nibebaka tamin'Atra aho ka nangataka famelankeloka taminy tokoa dia mino aho fa ho avelany ny heloko ary ho dioviny izany ary tsy ho tsaroany intsony araka ny teny nomeny ao amin'ny soratra masina. Mino an'izany aho,nivavaka taminy aho,maivana ny enta-mavesatra noentiko.Isika ihany dia mahita experience amin'izany rehefa tena mibebaka tokoa sy tena mino azy ka

Afaka mamaly faty ve Atra?

Ahoana hoy ny teny ao amin'ny Eksodosy ? Andriamanitra mitso-drano ny taranaka aman-dimby rehetra izay matahotra azy fa manozona kosa ny taranaka mandimby ho an'ireo izay mandositra azy,manao Atra hafa

Sa manasazy?
ahoana ny tantaran'i Noa ? Nasiany nanao sambo fa ho aringany ireo olona izay nanalavitra ny fony tamin'Atra sy nivavaka tamin'ny andriamani-kafa ka olona valo sisa no velona ny sisa maty avokoa :ny taranan'ireo olona ratsy teo anatrehan'Atra satria nivadika taminy.

Sodoma sy Gomora: nametaveta ny fiangonan'Atra ,nametaveta ny mahaolombelona namboarin'Atra ka ny lahy nivady ny lahy..Omeo anay hoy ireo olona tao an-tanana ireo vahiny roa lahy ireo hiaraka aminay.Tsy nanaiky i Lota .Hay anjelin'Atra ireo lehilahy tonga tao amin'i Lota ka dia nampandre an'i Lota sy ny fianakaviany izy mba hiala tao an-tanana satria ho aripan'Atra avokoa ireo olona nivadika taminy :nanao andriamani-kafa sy nampirafy azy tamin'ny hafa:sampy ,andriamani-kafa sns .
Tsy navelany nierikerika ny fianakavian'i Lota kanjo raha niherika ny vadin'i Lota dia nivadika vongan-tsira..

Ireo tantara ireo izany dia azo lazaina fa mamaly ratsy Atra ary manasazy ihany koa .
Koa maninona ary ireny olona sasany ireo sady tsy mino an'Atra izy kanefa toa mandeha tsara ny fiainany ?
ie ,mety tsy mivaly eo noho eo ny fitodiany lamosina an'Atra sy ny fanaovany ratsy fa izao fotsiny no tadidio:mandia tany ka tsy maintsy ho lena ary soa lavo ahay hamindra ,soa kenda ahay hitsako,Misy farany ny zavatra rehetra ary samy mbola ho tsaraina avokoa ny rehetra.Ny mahasamihafa azy dia any am-parany any ahazo marim-pahakasitrahana ireo nanompo azy,nizara ny teniny ka nampahafantatra ny famonjena ao amin'ny kristy,ireo izay tsy nihaino sy nivadika taminy kosa dia ho hadininy aminy koa izany ka izy ho afaka na ho any amin'ny farihy mirehitra hafo:fahoriana mandrakizay izay misy ny fikotrihan'nify sy fijaliana ary fitomaniana (oops) sao dia ho avy indray ireo mpilaza fa mampatahotra ny tena

Azafady fa lava be


:-* :-*
3. soanja ( 09/04/2009 05:52)
xxx:

Ahoana no ahafantarana fa mamela heloka Atra? Ahoana no ahafantarana fa voavela ny heloky ny olona iray rehefa avy nanota izy ka nifona teo anatrehan'Atra? Afaka mamaly faty ve Atra? Sa manasazy?


Manasa anao zany aho hamaky ity resaka valin-javatra natao ity satria ao dia manazava tokoa ahoana ny handraisan'Andriamanitra antsika tsirairay avy amin'izay zavabitantsika rehetra.

Amehezako azy anefa dia tia antsika Andriamanitra. Io dia na manao ratsy isika na manao tsara isika dia tia antsika lalandava Andriamanitra ary tsy miova ny fitiavany. Ny fahafahantsika mahalala kosa hoe hiova sy hanatsara ny fiainantsika ary miezaka manao izany ka mahatsapa ianao fa manana ny fitoniantsaina dia midika izany fa efa namela anao Andriamanitra ary mitombo lavitra ny fahatsapanao ny hatsarany ka ny fahasoavana no hanenika ny fiainanao.

http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m49dc3180b09db#m49dd8b779fa22

Mahereza hatrany fa Andriamanitra dia Fitiavana!

:-* :-* :-* :-* (l)
4. ARICO ( 19/05/2009 08:38)
xxx:

Ahoana no ahafantarana fa mamela heloka Atra? Ahoana no ahafantarana fa voavela ny heloky ny olona iray rehefa avy nanota izy ka nifona teo anatrehan'Atra? Afaka mamaly faty ve Atra? Sa manasazy?

ARICO
Raha miaiky ny fahotantsika isika dia matoky sy marina Izy ka hamela ny fahadisoantsika sy ny helotsika ho afaka amin'ny tsy fahamarinana rehetra.............
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2189