Amiko mbola tsy mahay pôlitika ny gasy !

1. lemenakely ( 05/04/2009 17:52)
Be loatra ny manao anti-jeu @ ity raharaha manga ity eto MADAGASIKARA ,be ny famadihana palitao ary ny itêret personnel no aloha dia izao no vokany :?:
répondu par badboy le 05/04/2009 22:18
2. tovolahy007 ( 05/04/2009 18:17)
Efa izay ilay nitaizana an'ireo gasy panao politika ireo e. Inona mo ny zava-nisy nandritry ny fanjanahantany, fanjanahantsiana no nisy, ka ireo ny zanany ireo zao. Ny tenanao aloha jerena hoy ny frantsay fa inona no iraharahianao an'izay vahoaka any. De indreo izy ireo izao, afak'omaly MENA, omaly MAINTSO, androany lasa MAVO ADALA.hahaha. Loza mitsy e.

Ozy ilay rangahy lehibe iray zay, mitahia izy fa efa lasanko-razana: Raha tena tina ny hampandroso an'ity nosy ity hoy izy de vonoina daolo ireo olona izay mihoatra ny 50 taona rehetra. Nihomehy aho t@ zay ary niteny taminy hoe, mba lalina ko zany. Fa ankehitriny aho de mahita fa tena zavatra marina no nolazainy satria, hay ny tena tiany lazaina de hoe: ireo no tena zanaky ny mpanjanaka, ary mitoetra ao antsain'ireo hatrany ary ho ampitainy any @ taranany ny fomba ratsy notezaina azy. Ka tena hita izao fa to tsy handroso mitsy i Mada fa sasatry ny arenina.
3. Mirananirina ( 05/04/2009 18:36)
Izay mahitsy no izy,soa aho fa tsy mpanao politika,Raha tsy izany ve izay tonga eo dia mbolangina daholo,nefa ny vahoaka mihinan'ny tadiny daholo
4. ndenn ( 05/04/2009 19:35)
Hafa ko izany ;
Lohateny : Amiko mbola tsy mahay pôlitika ny gasy !
Be loatra ny manao anti-jeu @ ity raharaha manga ity eto MADAGASIKARA ,be ny famadihana palitao ary ny itêret personnel no aloha dia izao no vokany

Ka domaine abstraite anie ilay politika rehefa tena jerena ra menakely e , tsy misy lalànany !
5. andrywui ( 05/04/2009 20:45)
hi !hi! hi! hi! hi! hi! aleo alo ah androany hihomehy fotsn fa fin week end
6. badboy ( 05/04/2009 22:18)
Inona aloha no tena tian'i lemenakely ho lazaina @ ilay tsy fahaizana manao pôlitika : ilay tsy fahaizamitondra ny raharahampirenena sa ilay tsy fahaizana mijoro @ hevitra sy ny antoko niaingana?

Raha ny fahazoako azy manko dia mifangaro voraka izireo ao anaty hevidranamana intérêt (tsy fahaizamitondra) + famadihampalitao (tsy fijoroana @ hevirta sy ny antoko niaingana)!

Ny tena marina angamba dia tsy manao pôlitika isika gasy fa vao mitady ny lalana hahafahana mametraka ilay fototra ahafahana manao pôlitika! 8) 8) 8)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0488