Faritany mizaka tena. Atsangano ny efitra!

1. bozyboleta ( 02/04/2009 11:06)
Rehefa nandinika aho dia tena hevitra tsara ny an’ny CRN hoe faritany mizaka tena. Tohanako I Zefa Albera amin’io.
Io ihany no hitako hoe hirika ahatafavoahan’I Madagasikara @ krizy miverimberina satria efa latsaka anatin’ny Malagasy maro ity resa-poko sy fiaviana ity. Izaho anisany.
Fihatsarambelatsihy daholo ny filazana hoe Malagasy iray tsy mivaky. Efa hita fa mivaky ary matoa tsy natao mitovy dia tokony ekena fa tsy mitovy fa tsy amboamboarina pasopasohina eo foana.
Tsy aleo ve samy masina an-taniny, samy manasoa ny azy, samy mihinana ny vokariny, sns… dia ho hita eo hoe iza no tena tafa?
Ary rehefa hoe mizaka tena dia tanterahina hatr@ farany fa tsisy ankiantso vonjeo.
Sa misy matahotra?
répondu par bozyboleta le 02/04/2009 13:38
2. Oay ( 02/04/2009 11:15)
Bozy a! satria ve mampety an'i dadantsika indray ity faritra mizaka tena ity d hoe tairotairo, aza milalao afo ry zoky fa sao d may @ izany isika a!
Raha ny momba an'i dadabe Zafy d avelao hirediredy ao, fa zarazarao hanjakana fotsiny izany!
Marefo be ny sisintantsika ka mora hidirana ary ny faritra mizaka tena d fitaovana iray azo ampiasaina raha toa ka tiantsika Malagasy izay miseho ao afrika ka anjarantsika ny misafidy!
3. yvaj ( 02/04/2009 11:23)
Hafa ndray anie io e: atao io handrangitana ny adimpoko izay efa raikitampisaka any anaty olona any.
Za manokana dia tsy tia an'io satria zao:
- Alefa hody doly zany ze cotier eto tana dia toy izay koa ze merina any@ cotes?zany hoe samy mody @ faritany misy azy? dia ahoana ny metis?
- Ny mpianatry ny oniversite no tsy hanaiky an'io koa satria te hianatra eto daholo.
- Ny fampidirana entana avy any ivelany ndray de hosahirana Tana satria tsy mba misy port na dia betsaka aza ny vokatra eto.

- Fehiny: tsy mety @ gasy io fa nosy anie madagasikara e.
Mba asio fieritreretana ihany hoa.
4. xxx ( 02/04/2009 11:24)
rAHA VAO MISY RESAKA ADY PARITRA DIA TAFIDITRA AO I MOUNGAB MPAMPIADY OLONA TSY MATAHOTRAN ANDRIAMANITRA INY ?

TY IO ALOHA DIA MIOMANA AMPIADIHO IHANY NY OLONA FA TSY HO ELA DIA HO ATAON'NY capastS LASA FOLO NY LOHAN' TY

TY IO NO FOTOTRY NY RATSY REHETRA TSY MAHAY AFA-TSY MAMPIADY OLONA

zafy albert a ! katsaka tsaramaso voanjobory aza mirediredy sy ilaozana mitanisa voabjobory ry omenana ny am... ty
5. essera ( 02/04/2009 11:25)
boziboleta koa zan manao raisonnement-njaza izany.

Jereo ny faritany rehetra eto Mcar raha tsy mifampiankina na ara-toekarena io na inona. Ny maha-d'accord ahy dia eo amin'ilay hoe décentralisation ny administration satria mandreraka kosa ilay hoe mila mandeha lavitra be Tuléar-Tana-Tuléar raha hanao taratasy oh.

Fa jereo tsara ny fivoaran'izany fa hisy faritany tena ho lasa marefo tena marefo satria na ny vola miditra ao aminy aza dia tsy dia ao loatra, ary hisy koa ny firenena (faritany ankitrio io) hamilafila satria tsy maintsy mandalo ao amin'ny na avy ao aminy ny entana iray vao afaka miditra eto Madagasikara.

Ny an'ny Be kintana ange efa tena lasa lavitra be ary dingana maro no natrehiny vao tonga amin'zao na ireo fanjakana federaly sasany.

Ny mety amin'oul zany ts voatery mety aminao fa mila mandinika tsara ny contexte ao amin'ilay firenena sy ny zava-misy vao poins izay.

6. xxx ( 02/04/2009 11:29)
Mbetika ra mongabe mody manao teny cotier eto hampiandiana ny cotier sy ny merina sy ny faritra hafa , gagaly be efa tsy mahavita miadana @ fiainany lery dia hampiady foana no ao @ n'ny coco n'ny lery , ndao ry zalahy karavasiana a!
7. bozyboleta ( 02/04/2009 11:36)
Tsy hevitr'i dada zany mitsy io kah. Ary mino aho fa tsy iombonan'ny zanany hafa amiko ihany koa.
Fa io no hitako fa mety @ zao zava-misy zao.
Na mpitondra iza na iza no teo ary na iza na iza no mbola ho eo, nodradraina foana ary mbola hotakiana hatrany ty hoe fisoloana tena ara-paritra ity (io aloha angamba no mahadika le hoe représentativité régionale ).
Koa satria tsy maintsy misy solontenan’ny faritra niaviany tsirairay ny ambaratongam-pahefana isanisany, dia alefa fahoany fahoany fotsiny na dia fatritran’olona tsisy ilàna azy aza. Ka aleo ho an’izay faritra soloiny tena ny hadalany fa tsy ny besinimaro @ faritra hafa no hizaka ny fôpla ataony sy handoa hetra ho an'ny karamany.
8. xxx ( 02/04/2009 11:47)
haTaon'ny be kintana maniry kintana ty io , tsy mahatakatra ny hoae vaza mody miady ho fanina akana ambolansy eo ! , tsa ho poins ny hevitr 'ingahy fa marivosalosana loatra bon courazy :lol:
9. Oay ( 02/04/2009 11:48)
bozy a!
enao ry ray amandreny mitady hiverintsaina an! sao d efa nareo sy dadabe Zafy ary no miarataona ka mitady hanao kirin'antitra toa azy enao.
Ny mahatonga ana miteny hoe i dadanay ndray izao no manao an'io d izao:
_indray andro izay za tafaresaka t@ ilay namako TIM izay d ozy nedala Antananarivo anie lety ry Oay no tsy tia an'i baina fa ny faritany mirevy anazy daholo é!
Gaga nefa za fa @ izao Antananarivo ihany no mihetsika mitady ny hiverenan'i dada.
D @ zao mahita i dada fa ny ampahany (Mba tsy hilazako hoe ireo mpiasanay) @ Antananarivo d mbola mitady ny hiverenan'i dada d io indray dada fa hoe atsangano ny efitra atsangano ny efitra,
Za ary tezitra t@ dada anie rehefa niteny izy hoe mandritra ny fandraisana ny UA d iVato no renivohitra d iny napetrany ilay PD...s.
10. bozyboleta ( 02/04/2009 12:19)
Io adim-poko io efa nisy foana ary mbola hisy fa tsy ilaina sarontsaronana izany. Nanao ahoana ny t@ 2002, ary nanao ahoana ny tany Antsohihy sy Ambanja farany teo?
Tsy ho foana io rehefa mbola samy mifampijabajabaka @ tsy anazy e!
Ny ahy tsy asiako fihatsarambelatsihy mihitsy.
Aleo samy masina antaniny fa tsy eto aminay izahay no ampitahorin'ny mpianatra Ankatso sy andefasana miaramila côtiers hamono anay eny andalana eny. Teo Analakely za t@ maraina ka nahita tsara ny zava-niseho nataon'ireo miaramila gena ireo.


Fa jereo tsara ny fivoaran'izany fa hisy faritany tena ho lasa marefo tena marefo satria na ny vola miditra ao aminy aza dia tsy dia ao loatra, ary hisy koa ny firenena (faritany ankitrio io) hamilafila satria tsy maintsy mandalo ao amin'ny na avy ao aminy ny entana iray vao afaka miditra eto Madagasikara.

Aleo hifampitazanana eo e!
Raha ny valinteny hitako eto aloha hatr@ izao dia be ny matahotra satria tsy hahavita tena fa mody sarontsaronana ty adim-poko ity.
11. essera ( 02/04/2009 12:59)
Miteny "hetra" i bozyboleta fa io izao dia efa misy lesoka amin'ny fidiram-bolan'ilay firenena tsirairay avy rah tena hiditra lalina.

Misy firenena manao exportation be mihitsy ohatra dia manam-bola be ny fanjakana, ary misy ny importation indray aza no betsaka ka farany dia ao no manovokovoka ny mpitondra ka dia izao no ihafarany :

Appareil ménager 100 000 Ar ao amin'ny faritany iray, lasa 250 000 Ar ao amin'ny firenena iray. Raikitra ny bizina eo amin'ny mponina ao amin'ny firenena roa tonta eo amin'ny frontière ka dia ho lasa Cuba ny firenena sasany fa amin'ny teny gasy fotsiny. Ny sasany Swaziland satria lasa ekena ny polygamie.

mba diniho tsara ange. Tsy te hiteny anarana faritany eto aho sao dia lazainareo hoe manambany sanatria ny faritany iray na manambony ny faritany iray. Réalité eto amintsika io tsy nasiako akandasitra.

Conclusion : tsy maintsy hisy ny hantsana lalina be eo amin'ny firenena na faritany amin'izao fotoana. Nefa izao ary izy ity efa mismis ian a.
12. bozyboleta ( 02/04/2009 13:05)
Conclusion : tsy maintsy hisy ny hantsana lalina be eo amin'ny firenena na faritany amin'izao fotoana. Nefa izao ary izy ity efa mismis ian a.

Aleo hita eo e! Izay ange no notadiavin'ny faritany sasany e!
Avereno ny tantara fa tsy izaho no nitady an’io voalohany. Efa t@ 1991 andron-dratsiraka no nisy an’io. Federalisma no notadiavina t@ izany saingy tsy tafa fa taty aoriana napetraka ilay hoe faritany mizaka tena na province autonome.
Tonga teo @ fitondrana ny filoha Ravalomanana dia napetraka ny faritra 22. Mbola nodradrain’ny mpanohitra ihany, izay avy aiza no betsaka? fa mivangongo ao Antananarivo ny fahefana. Ary ity Merina mitondra ity no mila potehina.
Dia naongana Ravalomanana ary natsangana ny fitondrana fôpla, dia mody natao ao daholo reo mpanohitra teo aloha rehetra na dia efa hita aza fa tsy alehany.
Dia mitsangana hanohitra hatrany ny CRN satria mbola malama loha no mitondra ka aleo indray hozy faritany mizaka tena no tadiavina. Ka rehefa io no tadiaviny ary mino aho fa tsy ny CRN irery no mitady an’io, dia aleo omena azy dia hifampitazanana eo e!
Tahotra ny tsy ahazaka tena no betsaka nefa manao ratsy loha sady be fialonana. Dia famotehana an’Antananarivo sy fandemena ny mponina ao aminy no tian’ny vendrana atao. Ka rehefa izany ihany moa dia aleo samy hanana ny azy fa tsy ny gadra afaka mpamono olona no hampihorohoro anay eto @ tananay.
Miharihary ange ireo fa tsy i Bozy akory no mamorona.
Tsisy fihatsarambelatsihy.
13. essera ( 02/04/2009 13:18)
Fa manin alo tam tanindrana no nitondra teto mada ts nanin fa non merina d mis ts maazaka.
Mataatra iverina faha-panjaka anga nareo.
14. bazylou ( 02/04/2009 13:25)
ny ahy ny tena reveko dia le hoe samy mamaritra ny eoa ntokotaniny dia samy prezda daholo e!! aùin'izay misy 18.000.000 prezda ao mada!!! :-D :-D :-D
15. bozyboleta ( 02/04/2009 13:38)
Fa manin alo tam tanindrana no nitondra teto mada ts nanin fa non merina d mis ts maazaka.
Mataatra iverina faha-panjaka anga nareo.


Avereno aminao ihany no fanontaniana. Iza le tsy nahazaka hatr@ zay 7 taona izay e! Ary iza le mbola tsy mahazaka @ zao na dia tatezamita fôpla aza?
Ny anay rehefa io no tadiavina dia tairo any fa zay mahatanty.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0494