fa maninn no migidra otrany valala ankarona isika...

1. milamm ( 31/03/2009 08:50)
samy nanao ny tsy mety izay mitsamm donky ,ratsy aby nefany Ravalo no lanimbahoaka tsisy nandany i Andry fa nampiasa herimbotay,sa raha tsy henika ny toy farihy difotry ny rà-ny tsy manantsiny tsy azo ajanona ,ny tena atidoha toa ny frantsay nefa tsy misy maratra fa fivarotana fitaovam-piadina io na fampindramana mersenera hanofana ny kapisaty fampindramam-bola sy fandrobana solika avy eo mandeha ihany(sady milako no maka menaka e),toy zany ko ny marionetiny sy Ravalo mpisamm,mba sokafy tsara ny maso fa tsy aleo ve mijery mpanao politika mifamaky vava indray fa ny vahoaka no mpitazana e,eritreritra ny ahy iny =)) =)) mba tonga saina oa sika rehetra fa ry lerony nge efa samy misy miliara maro daoly ny bankiny e ny rehetra mihamahantyra, http://www.jeuneafrique.com/Article/ARTJAWEB20090320145329/-France-ministre-Bernard-Kouchner-Francafrique-L-Afrique-selon-Kouchner.html
répondu par Hinagasy le 02/04/2009 02:53
2. Oay ( 31/03/2009 09:16)
Ka leizy ry milamm d izao a: "Tsy fantatrin'ny fanatika mihintsy ilay hoe" Aleo milamm d misesy" io ny olana.
Azavaiko kely fa mbola azo atao:
>>Taloha tsy nanaiky ny niresahana ny mpitondra fa nanao be marenina sy didy ny be sandry ny antony d satria:
>>95% ny solombavambahoaka d TIM ary ny ankamaroan'ny d mpiasan'i Ravalomanana tao @ TIKO no nirotsaka nofidiana d midika izany fa tsy nahaleotena ireny solombavaTIKO ireny fa tsy maintsy nanaraka ny baikon'i prézida (azonareo antsaina ve ilay fanononana an'io teny io)
>>100% ny loha olona d mpanohana an'i prézidà d ny filou an'ity andrimpanjakana ity ary moa d mpiasan'i Ravalomanana mihintsy, iza indray no afaka handà an'izany.
Ka @ izao fotoana izao efa mba olona mahaleotena daholo no eo @ ilay HAT satria tsy misy na iray aza mpiasan'i Andry Rajoelina noho izany d raha tsy mialy i Andry Rajoelina d mipitsika ny bandy an!
Ka maninn raha mba hoe miady hevitra eny ambony latabatra aloha manatanteraka an'ilay fihaonambe d refa tsy milay ny kozy mivoaka avy eo d tairina @zay ny fidinana andalambe d izay ilay hoe aleo milamm d misesy!
Sa lasa i patron d ny mpiasa tsy mahatapaka hihihi... ka lasa mpametraka baomba hanakorontanana ny fiarahamonina.
3. xxx ( 31/03/2009 09:26)
Ka ilay fihaonana aza efa nanda koa ny fiarahamonimpirenena fa tsy maintsy atao ny 2-3 zao le izy koa.
Dia ahoana zany?
Ze eo anie manao ny ataony daholo e: efa hoe haute politique io, adimpianakaviana no iantombohany, de izao.
4. milamm ( 31/03/2009 14:16)
Ny fahitako az alo mitono-tena ho lehibe tsy mahatapak'ahitra i Andry TGV satria ny fitazomana ireo kapisaty biby fampitahorana toy ny TTS taloha ho antoky ny fandriampahalemana dia tompon'andraikitra tanteraka izy amin'ny fihetsika nadatsahan'ireo antoko miaramila mpampihorohoro ny filaminam-bahoaka,ary mitombo hatrany ny tsy hafaliam-bahoaka no vono olona an-kitsirano maneho ny heviny tena tsy tsy mifanaraka @ zon'olmbel era-tany io no tsy ekeny lalam-panorenana ,sanatria ve d avela ho eny ampelan-tanany manam-bola vitsivitsy foana ny aim-pirenena fa lany olomanga i Gasikara , betsaka ko no tokony ho tonga saina tsy hanao ny vahoaka tsinotsinona fa raha tsy henoina ny hatany fa jadona no asetry azy dia izao no iafarany ?
5. Oay ( 31/03/2009 14:26)
Ka mba hiverenan'y filaminana hoy aho d "Tairo ny ady hevitra eny ambony latabatra fa aza matahotra" ary mbola averiko fa na ny HAT ary d maro ireo ao ireo no mitady fika haniliana an'ireo goaka antitra ireo.
Raha mandeha aingana anie ny fifidianana ka mipetraka tsara ny lalampifidianana ka sahy ny TIM d lazaiko fa hifampitady ny eto @ tanana é! fa tsy ho loko tokana ny ao @ antenimierampirenena.
io zalahy d raha tiantsika ny tsy hisian'ny rà mandriaka d tsy misy toa ny dinika ambony latabatra satria mbola averiko fa "Ny hery tsy mahaleo ny fanahy"
6. milamm ( 31/03/2009 17:57)
Oay zany v tdy resaka misaritaka ihany ra tairo ny resaka ambony latabatra nefa ny kapisaty atsy tsy mijanona mandripaka vahoaka tsy voafehiny HAT sady tsy izay mintsy no ilainy mpitokona rehetra ankoatry ny mpilahatra andalam-be ,miala i Andry fa tsy voafidy ary ary hiandry fitsarana ireo herisetra nampisainy sy ireo kapisaty miandry koa ny afaka manome solotena ny TGV handray anjara fikaonadoham-pirenena.Aza maika hoe efa vita izay,deba aza tsy naharesy tosika ny vahoaka ka raha tsy voafantsiky ny vahoaka de ho samboriny ireo mpampandry tany ny firenena mikambana sy ny vondron'ny afrikana satria efa nihoson-drà ko ny tanany
7. Oay ( 01/04/2009 09:47)
milamm:

.Aza maika hoe efa vita izay,deba aza tsy naharesy tosika ny vahoaka ka raha tsy voafantsiky ny vahoaka de ho samboriny ireo mpampandry tany ny firenena mikambana sy ny vondron'ny afrikana satria efa nihoson-drà ko ny tanany


Ka i dada koa ary lasa nifindramonina any afrika fa tsy naharesy tosika ny vahoaka.
Mbola averiko fa tsy nety ny nataon'ny TGV ary i Oay d tsy TGV satria i Oay d tsy tia ny fidinana andalambe hakana fanjakana.
Fa ny mampalahelo d ohatran'ny lasa fanjakan'ny tsy misy fanahy ny eto Madagasikara satria izay haka fanjakana d eny andalambe daholo.
Mbola mila averina amintsika ve fa indroa nanao fianianana i dadantsika t@ 2002 satria t@ voalohany tsy nisy fanjakana teto ambonin'ny tany nakatoa anazy satria tokony nanao fihodinana faharoa vao nisy lany.
Hamaranako azy d izao é! rehefa afaka miresaka eny ambony latabatra d eny ambony latabatra aloha mampiseho ny maha be saina .Koa satria misokatra ny ady hevitra @ alalan'ny fihaonambempirenena d tokony hanararaotra an'io.
Raha toa moa ka tsy mifanaraka d tairina ny ady d aleo manisa ny maty refa avy eo. i Oay aloha d tsy TIM sady tsy TGV ka d mahatoky izy fa tsy anisan'ireo hofaty fa mpitsabo ny maratra sy mpanisa ny maty no anjarany rehefa raikitra ny ady an-trano é!

8. xxx ( 01/04/2009 10:18)

Ka i dada koa ary lasa nifindramonina any afrika fa tsy naharesy tosika ny vahoaka.

i dada tsy ny vahoaka no nanosika azy handeha fa ny vava basy ny capsata

i Oay aloha d tsy TIM sady tsy TGV ka d mahatoky izy fa tsy anisan'ireo hofaty fa mpitsabo ny maratra sy mpanisa ny maty no anjarany rehefa raikitra ny ady an-trano é!

i oay de mazava be f TGV fa menatra aminy pisera! satria jiolahimboto no tohanany

Mbola mila averina amintsika ve fa indroa nanao fianianana i dadantsika t@ 2002 satria t@ voalohanya tsy nisy fanjakana teto ambonin'ny tany nakatoa anazy satria tokony nanao fihodinana faharoa vao nisy lany.

ianao ihany de mahalaza azy, nisy ny fifidianana taminizany fa ity(TGV) de resaka foza orana fotsiny izao
9. milamm ( 01/04/2009 17:13)
manampy hanaitra ny anjombon\'ny fieritreretan\'ny olom-pirenena rehetra tahaka ahy no anjarako,efa nisy tokoa ny fikaonan-doha mpirenena izay nomanina hisamborana an\'i Ravalomanana izay tsy tanteraka nefa dia natomboka t@ fikomian\'ireo manamboninahitra vitsy kapisaty nipoaka ny 08 martsa nisamborana ireo jeneraly tsy nokaramaina sady paika efa vita lamina nomanin\'ireto andiamiaramila vitsy mpikomy hangalàna ny lapan\'ny praiministra ary nifarana t@ lapan\'i filoha teny Iavoloha sy ny afera episcopat ,nahatonga ny tsy tan-dalàna hisoloky ny tenany ho mpandàla ny ara-dalàna.tsy eken\'ny ambanilanitra ny fitondrana tsy tan-dalàna mandatsa-drà ao aminy ary tsy hiraviravy tanana ny any ivelany na dia tsy hisy hijoro hiaro ny filaminam-bahoaka aza ireo ampinga natao hiaro ny vatana sy tandroka hiaro ny vozona,raha vahaolana ny hamela ireo tafika vahiny ny firenena mikambana hialoha lalana hanelanelana sy hiaro ireo aina sy fananany malagasy ary hanana ny zony sy ny fahafahany hiaina ara-dalàna sy haneho ny heviny mandrapahatongan\'ny fitondrana mahefa eken\'ny daholobe hikarakara ny fifidianana
10. Hinagasy ( 02/04/2009 02:53)
Ka izay marina indrindra no tokony hianjeran'io fitondrana sandoka io, hoe ataovy ny resaka ambony latabatra nefa ny fampihorohorona sy ny fanaovana ramatahora ny olona, ny fisamborana olona etsy andaniny. Dia ny valiny izany fihaonambe izany dia ny valiny tiany hiseho satria ny basy miatranatrana manao izay hampihorohoro ny olona ihany.
Izaho tena tsy manana andrasana amin'ireo olona ireo mhitsy, fa tena vitanireo ny lasa mampihorohoro olona any amin'ny birao fifidianana, manala ny bulletins ny sasany etc... satria ny zavatra nampisehoany hatreto dia manao herisetra sy ambolofo be fotsiny.
Ka alohan'ny izay mety ho fifidianana dia miala teo aloha io fitondrana sandoka mpampihorohoro io!! ary avelao ny olona haneho ny heviny!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1212