ontsa ny fo mijery ireo mba panohana ny TGV

1. myari ( 30/03/2009 07:36)
Hatramin'izay aho dia nieritreritra ihatrany hoe mba misy manana ny mahaizy ihany ny mpanaraka an'i TGV rehefa tena dinihina anefa ankehitriny dia maha ontsa ny milaza azy satria tsy hita mihintsy izay hikilasiana azy, sady tsy mpiasa , tsy mpianatra , tsy fonctionnaire fa dia ireo olona izay tsy nahita asa sy tsy mba niasa hatranmin'izay niainany fa ireo izay atao tip top fotsiny rehefa misy ilana azy dia homena karama vary masaka dia faly tsy misy ohatr'izany.
répondu par papala le 31/03/2009 13:06
2. xxx ( 30/03/2009 08:10)
Izay mihitsy ilay izy ry myari an! Izahay pro-TGV no olona tena ambany amin'ity société malagasy ity. Tsy nianatra, tsy misy asa, tsy hita izay hikilasina azy araka ny teninao. :)

Fa maninona i dada no tsy mba mikarakara anay???? Sa i dada manavakavaka????

:)
3. KALACK ( 30/03/2009 08:15)
zan ve ry Myria ? so d dis fijer toi ? d innn ar zan no solution f problem daol zo zan
4. essera ( 30/03/2009 08:17)
Ka ireny tsy nianatra sy tsy niasa ireny no tena sahirana ry zareo a. Ireny no tena mila ampiana fa ao ny fahantrana tena any amin'ny fakany fa tsy toy ny maloton'alika ka ny avo ihany no tovanana.

Mapmé ange le fiteninareo e. Tsy manan-jo ve ny olona sahirana hitaky ny zony fa izay fonksionera sy manan'asa sy ny mpianatra ihany ve no mahazo migrevy.

Tena manao revina snobisma no iafaranareo.
5. xxx ( 30/03/2009 08:20)
maha-ontsa ahy indray ny mijery an'zareo ao Ambohijatovo matahotra ny hovery fihinanana de manao ze azo atao rehetra, tsy fitiavan-tanindrazana akory fa fitiavan-tena sy seza ary vola, adalan-dra8 ny azy te hanome ny fitondrana an'ny miaramila
6. deric ( 30/03/2009 08:25)
Mila miarina ny fisainanao mba hiarenana'ny fijerinao sy fahaontsan'ny foanao.
sa ve diso fijery sa diso fanoratra ianao?
Tsy ny mpanaohana an-dr8 ve no mahaontsa? Ireo no voakarama varimasaka hatramin'ny andro nitsenana an-dR8 teny Ivato tamin'ny fiatombahan'ny tolona nataon'i TGV (notaomina tamin'ny fiarabe ny mpokna avy aty amin'ny commune manodidina)
Tsy vitan'izany fa nokaramaina koa hameno an'i mahamasina taoarion'izay (vavolombelon'izany ny avy aty amin'ny faritany fa tsy niononana tamin'ny commune manodidina), ny loza dia vaky barara ny nafenina fa ady vola no n itranga tamin'ny fiafaran'ny fihaonana teo mahamasina, satria tsy ampy hono ne sos, nentin'ny sefom-pokontanin'ny sasany nandositra indray hono ny tokony ho karaman'ny sasany...
tsy vitan'izany fa niara-nirohotra nandany ny andro hanohana an-dr8 indray teny iavoloha satria voan'ny sitrany ahay. Nojonoiny tamin'ny teny hoe "hiara-maty aminareo eto aho", kanjo inona eo fa ny ainy nop navotany ka nilaoazany teo ireo mahaontsa.
mbola manadany andro eny ambohijatovo ihany ry mahaontsa na dia efa nametra-pialana sy nanavotra ny ainy aza R8 (teniny ny hoe "nanavotra ny aiko aho"rehefa tsara afina any Swasilandy izy), fa aiza ilay hoe "hiara-maty aminareo"?
Avereno dadanay hoy ry mahaontsa, kanjo rehefa reny fa nanavo-tena any Swasilande dia niova feo indra hoe "miverena dada ô!"
dia hita tokoa ry mahaontsa fa miaina amin'ny ditra toa ireny zaza nilaozan-dray ireny, ka dia manao ny tsy fanao.
MAhaontsa tokoa fa ry zareo indray no mitsapatsapa izany hoe ho hita eo izany demokrasia izany, ka zavatra tsy niainany tokoa izany hatrizay fa tratr'ilay hoe "vitako io, hatao io, handray fanaphan-kevitra aho..."
misaotra e!
7. KALACK ( 30/03/2009 08:27)
Eny oa les farafaharatsn mb nampitainy tam Yvan Randriasandratriniony na i Harinaivo ny Fitondrana d mb hafahaf kokoa n tantana , zao ef ety ambavan'n mamba ny Fitondran vao oe "" Ana 'ty touu !!""
8. saranga ( 30/03/2009 08:31)
Tsy mba mpanara-baovao nama ity deric ity fa angamba mpiasan'ny TGV ao an-tranony. Ny mpomba an'ny TGV nama de dahalo sy totakely a, ny mpomba an-dRavalo kosa de olona milay sady mahatsiaro tena. I deric indray de olona sady tsy izy (fa olona ihany) no mpisolelaka ary mety ho lasa ministre tapakandro. :roll: :^)
9. KALACK ( 30/03/2009 08:39)
Tena marina kos n tenin DERIC e, ar ts nanome hevitr izy fa n tantara no naverny , ka ten mpanara- baovao sy manao analyse tsar mits i Deric ka, Ts nanome havitr izy fa Ny tenin'iRavalo rehetr nampanaten ol sy nivadik tampok sy ts hita no naverin deric eto , misaotra les a, alefas ian les ny analyse lety a, aza mihaino ny Tim mpanatsatso fa avoahy ze marn rehetr
10. pit ( 30/03/2009 09:22)
Ny, tena marina de izao, ny mpomba tgv de tsy mataty democratie kou refa azony ny fitondrana de gejainy ny olona tsy ho eny ambohijatovo, ny ato @ ministeranay zao de misy liste noire ho an'izay mande eny nefa ry zareo teny @ 13mai tsy nisy nandrara, zany ve no democratie notakina, tsy ekanay zany, mpamosavy milevina amorondalana io ka matatesa valikitsaka,merci
11. agoago ( 30/03/2009 09:36)
zao ihany mba teniko aminareo mpitolona mpanohana ireo e: vola miliara Ra8 sa vola TGV miliara ve efa nandalo sa vao ho tonga ao antranonareo aloha e.
Ny ahy ny aiko no mba ananako sy itovizako amin'izy ireo, dia kajiko aloha raha mbola omena andriamanitra ahy
12. xxx ( 30/03/2009 10:47)
essera:
Ka ireny tsy nianatra sy tsy niasa ireny no tena sahirana ry zareo a. Ireny no tena mila ampiana fa ao ny fahantrana tena any amin'ny fakany fa tsy toy ny maloton'alika ka ny avo ihany no tovanana.

:) :D
enjana ity fomba fitenenanao aza ty kosa aloha e!
13. irihat ( 30/03/2009 13:44)
Ze tsy eo @ fitondrana ihany no mi-critique fa aza samy manao taim-bava eo. fa raha be analyse zany de izao :
1. t@ fihaonana voalohany natao Ra8 sy Andry de ny tenin Andry de hoe tsy ilaina ny sommet africain, dikan'izany de tsy ilaina koa izay infrastructure rehetra momba io ;
2. refa nitokana ny kianjan'ny demokrasia Ing. maire t@ zany sy t@ propagande maire, de hoe mahazo maneho hevitra ankahalalana ny olona ary afaka manao meeting ;
3. vao miakatra eo @ fitondrana izahay dia hataonay 10.000fmg ny litre menaka
4. tsy hiditra @ asan'ny orin'asa

Dia izao ary no mba analyse-nakà :
1. tsy ilaina ny sommet africain : nahagaga anefa fa hoe vao avy niresaka ta@ Ing. Khadafi i Andry de nilaza teo @ 13 mey fa vonona ny handray ny sommet (efa voafitaka aloha ilay gasy tsy nianatra) ;
2. kianja demokrasia : toa tsy mahatanty refa manao meeting ny hafa fa ry Alain Ramaroson ihany no tompon'ny demokrasia, de ravana @ basy sy grenandy ny olona tsy @ zone rouge sy tsy misy fitaovam-piadiana. AIZA RE RY DEMOKRASIA E, mba asaivo averin'i Onitiana Realy kely hoe l'invité de zoma famaranana ny propagande maire Andry ;
3. sortie d'usine menaka any Mahajanga aza 21.000fmg ny litre de ahoana no hahatafavoaka izany. ary ny frais maritime, ny nividianana azy, ny stockage aty dago, de ho tafavoaka ve izany?! soa ihany aho fa olona tsy nianantra sy tsy an'asa no lazaina an'izany. Fa raha hanao io koa nga izy tsy mbola rahoviana vao tonga aty dago ny menaka hafarana : trajet 21 jours raha Fos-sur-mer + transaction de vente sns e, tena soa ihany ao fa tsy nianatra sy tsy an'asa e ;
4. tsy hiditra @ asan'ny orin'asa : fanga tsy efa izany ity nilazana hoe 1.000fmg ny mofo paokaty eny Ambohijatovo (an-kolaka no hilazana izany @ boulangerie sa matanjaka be MOFO REY hanao mofo 1.000fmg, sa ahoana Ra-Bernard a, matanjaka enao an)

ô ry essera, ireny olona lazainao tena sahirana ireny tsy sahiran izy fefa zay no fiainany. Mahita 1000fmg izy androany de mi-consomme any @ bar, tsy mahita de lasa ry tia mirenireny a. Ianao afaka manao serasera sahala @ zao no tena sahirana (le vahoaka moyen eo afovoany) fa ireny efa fiainany. izy hiraharaha ze hena kisoa sy voanjobory any, ary na izany fromage zany ary mamparary azy ny mihinana azy.

Zahay aty dago aloha @ zao de kely sisa de hiverina t@ andron'i Ratsiraka e, crise PPN. Efa hilahatra menaka izahay zao afaka atsy ho atsy fa ry Andry sy ry Monja Roindefo afaka mividy huile d'olive à 60.000fmg la bouteille.
14. xxx ( 30/03/2009 15:28)
KALACK:

Tena marina kos n tenin DERIC e, ar ts nanome hevitr izy fa n tantara no naverny , ka ten mpanara- baovao sy manao analyse tsar mits i Deric ka, Ts nanome havitr izy fa Ny tenin'iRavalo rehetr nampanaten ol sy nivadik tampok sy ts hita no naverin deric eto , misaotra les a, alefas ian les ny analyse lety a, aza mihaino ny Tim mpanatsatso fa avoahy ze marn rehetr


MILA TSY HO VOAVAKAY IZAY SORATAN4 ITY KALACK ITY MARINA MOAAAA!!!!
8O 8O 8O
15. nancy ( 30/03/2009 16:31)
Fa maninona no tsy miezaka fa miandry fanampiana lava izao e?? Karakaraina ahoana enao? tsy azoko mihitsy. Efa lazaina foana fa rehefa tsy hanampy ny tenanao enao de raisina eo. N'iza n'iza president eo tsy hanatitra vary any anaty vilaninao izany. Vao may moa loza fa dia hiandry tsy misy eo ianao raha i tgv koa no antenainao, na haniry nify aza ny akoho...

xxx:

Izay mihitsy ilay izy ry myari an! Izahay pro-TGV no olona tena ambany amin'ity société malagasy ity. Tsy nianatra, tsy misy asa, tsy hita izay hikilasina azy araka ny teninao. :)

Fa maninona i dada no tsy mba mikarakara anay???? Sa i dada manavakavaka????

:)



16. papala ( 31/03/2009 06:02)
TENA mahontsa mihintsy ny mijery an'izy ireo satria de kilasin'ireo olona tsy mba HETY HIVOATRA MIHINTSY IREO TOE-TSAINY! nahita aho omaly teo analakey , zaza mbola kely tokony hianatra de efa amporisihina misotro toka de ampitondraina vato sy langilangy de efa mihivingivina daholo romotrabe, nde hanenjika ireo olona avy eo ambohijatovo.

ka amiko de tsy misy olona hanana raha tsy AVY @ : - HAKINGATSAINY,
- NY HERIM-PONY,- NY FINIAVANY,- NY TOE-PANAHINY,-MAHAY MITSITSY,-MIHAFY.

KA REHEFA NY OLONA NO TSY MANANA AN'IREO NA DIA MBA IRAY MONJA AZA DIA IRENY OLONA AZO AMPORISIHINA IRENY NO FIAFARANY, omena ron-jato de lasa,na omena mofo sy kafe de lasa.....................

IZAHO zay manoratra de tena kamboty mbola kely, fa nivavaka aho, nanana ny herim-poko aho, nihafy aho de tonga nitovy t@ olona rehetra ihany niafarany. fa tamin'izany tsy nisy olona nijery ahy zany teo e!

tena marina mihintsy ny an'i myari, fa tokony hazaviny le izy.
17. deric ( 31/03/2009 12:13)
Aiza zao se mahonena eo raha ny mpmba ny TGV no resahina. Io fa mibaribary ny ambadika rehetra... mbola hita-poko hitam-pirenena ihany fa hay misy fizaram-bary sy vola sandoka ho an-dry mpomba an-dr8 teny Ambohijato. Tsy izany ihany fa hay tsy mahazo fahazon-dalana akory fa jadona toy ny mahaztra fotsiny eo amin'ny kianjan'ny demokasia eo.
Aveno dadanay, miverena dada ô! Nga nisy nandefa azy Swazi any fa izy no ...
aleo faranana eo fa tena mahonena marina, mpanara-dalàna hono rehefa avy nanitsakitsaka an'izao lalàna rehetra izao.
18. papala ( 31/03/2009 13:06)
mahonena satria MPANDROBA SY MPANGALATRA DAHOLO SADY MPANDORO TRANON'OLONA, tsy mba miezaka ny hikarama fa te hanana tampoka zany, sady BE FIALONANA daholo RATSY SAINA . Teny Nanisana t@ FANDROBANA NY tranon'ny PDS , ny fosséptique de tsy menatra akory lolohavina lay mpanaradia an'i TGV ^:^ ^:^ ^:^ ^:^ ^:^
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1363