29 Mars eny Mahamasina
1. Bazily
(
28/03/2009 05:33)
Miarahaba antsika jiaby.
Hono ho aho, ny fotoana rahampitso izay atao eny Mahamasina ve fotoam-pivavahana hitondrana ambavaka ny fiainampirenena izay tanterahan'ny FJKM manerana an'i Mcar ve sa tolona ataon'ny TIM sy ny mpomba ny ara-dalàna ho fanoherana ny fitondràna ny teteza-mita e?
Raha ny aty Mjunga manko dia fiaraha-mivavaka ataon'ny FJKM ho fitondrana ambavaka ny fiainampirenena ary nomarihin'ny mpitarika ( ireo Mpitandrina ao ) fa tsy misy resaka politika, nefa ny an'ny Tanà ( ny TIM no marimarina ) dia toa fanetanana ny olona hahafeno ilay isa ho 100.000 personnes , hanaporofoana fa tsy mankatô ny fitondrana teteza-mita ny azy ireo.

répondu par Bazily le 28/03/2009 06:13
2. xxx
(
28/03/2009 06:03)
Tsotra ny teniko ry akama.
Tsy ny fanohanao ny TIM na ny TGV intsony no vahaolana ho an'ny firenena amin'izao fa ny fanehoanao fa tsy ankasitrahanao ny FILALAOVAN' IREO MPANAO POLITIKA NY VAHOAKA MALAGASY.
Aza mandeha any fa fandrebirebena anao no atao any.Mody hoe vavaka vavaka ho an'ny firenena nefa politika no tena ao ambadika.
Raha toka tsy misy manohana ny TIM na TGV dia ho foana ny ady.
MBA TONGAVA SAINA AMIN'IZAY

3. Bazily
(
28/03/2009 06:13)
Misaotra anao ry xxx , tsoriko aminao aloha fa eto Majunga zah zao miresaka aminao io. Izay indrindra no antony ametrahako an'io fanontaniana io, tsy hoe manakana ny Fiangonana FJKM aho tsy handray anjara @ fiainampirenena fa kosa raha ny foto-dalàna ijoroan'ny FJKM dia voafaritra mazava ao fa tsy azo ataon'n fiagonana ny mijabaka ny resaka politika, fa kosa afaka mandray anjara izy ho an'ny fiainampirenena, ny olona ( ny kristiana ) kosa dia tsy vofetran'izany foto-dalàna izany. Marihiko entoana fa ny fiangonana no resahantsika eto. Tsy miresaka tsangan'olona isika. Sao de izay indray no hampidi-kizo ity Fiangonana ity ho any amin'ny fiapangàna hafa indray momba ny resaka politika (cf ny nahazo an'ny pasitera Lala izy tokony hialàny lavitra ny hiverenan'ny toy ireny ) izao fihetsika ataon'ny TIM sy ny mpomba ny ara-dalàna izao, tokony tsy hatao fitaovana ny Fiangonana.