Valin'ilay fanontaniana napetrako omaly hoe : "Zavatra 2 tsy

1. essera ( 27/03/2009 05:37)
Valin'ilay fanontaniana napetrako omaly hoe : "Zavatra 2 tsy zakan'ny Ra8"
1/ Tsy sahy miteny izy hoe "Jesosy Kristy".
"Asaivo miteny ange Dada hoe Jesosy Kristy", dia tsy adika akaiky kely hoe "fiangonan'i Jesosy Kristy eto Madagasikara", fa "Mbola misaotra an'Andriamanitra hatrany isika" foana no fameriny ombieny ombieny isaky na dia any am-piangonana aza. Efa ela no nandinihiko an'io na izy any am-piangonana aza. Fa tadidio fa ny Devoly ange manana ny Andriamanitra e. Ny mpisikidy ange manana ny Andriamanitrany ihany koa. Raha azonareo ny tiako ambara dia tsy sahy mi-juré amin'ny Jesosy izy fa fady be. Aza tezitra fa zava-misy io a. Inona no nokozian'i TGV vao nadray fitondrana, niaraka amin'ny Do-tandrokabeany "Eo anatrehan'i Jesosy Kristy". Tsy arakareo ange ireny fa ampahafatarany an'i Dada oe Sahy izy satria tsy misy mitazona pouvoir surnaturel hafa ankoatra izay ao anatin'ny finoany.

2/ Momba ny fanambaram-pananana :
Tamin'ny 2001 hoy ny namana iray no nanambara izy. Tena ekeko ary marina io. Fa rehefa tratran'ny tazom-bola tao anatiny dia tena sarotra dia tena sarotra ny handeha hamosaka eo imason'ny vahoaka an'izay fa na ny vahoaka aza tsy hino hoe 1 + 1 vé mira 2. Tonga dia hisy hilaza hoe : Olona manana ny orin'asan'izy sady miasa. Fa ilay fonction maths nampiasainy no misy expo, integral, probabilité tsy ohatran'lé nianarantsika ireny fa tena proba mitongilana. Nombre complexe moa tsy lazaina intsony fa dia complexe noho ny complexe. Na i Deba taloha aza nalaza hoe nanana diploma sy nahay diplomasia fa nivanaka mihitsy.

Nahita daholo isika ireny vao taona vitsy lasa hoe tairo ny fanambarana fanana fa olona vitsy teo amin'ny fitondrana no sahy. Ary avy eo dia nangingina moramora teny ary dia tsy heno intsony satria samy nahatsapa angamba fa silaka be marina fa aleo atao "Vitrine de Madagascar sy slogan fotsiny iny". Nisy nahateny mihitsy moa ry mahay vava sasany hoe: Asaivo manao ny filoham-pirenena dia tsy hihambahamba izahay hanao an'azy.


répondu par jeanpierre le 27/03/2009 11:49
2. yuka ( 27/03/2009 05:46)
ohatrinona ny karamany de ohatrinona ny karamanao izay aloha valina!
ny fanonona hoe jesosy kristy indray dia tsoriko eto fa ny sekta no tena mazoto manonona isatsegondra io teny io,izany nomahatonga ny olona hirona ho any amireny sekta ireny!
aza dia be fialonana toy io fa tsss,vao mifoha v ianao dia izany foana no hotanisaina eto?
mba manaova koa filoha de milamina ny sainao e! :lol:
3. ifiona ( 27/03/2009 06:14)
bezoro e! :miam: :miam:

:-* :-* :-* :-* :-*

mbola vo nifoha d ts voavakiko tsara lé fanontaniana

:-D

4. essera ( 27/03/2009 06:24)
bonjour Yuka,

1/ Raha ohatra hoe mazoto aloha dia prouver-o ny contraire-n'io teneniko io. Ataovy amin'ny antsipirihiny fa tsy valy boraingina a.

2/ Tsy ny vola miditra amin'ny ra8 no mampalahelo ny olona fa ny tokony vola hiditra amin'ny olona nataony any am-paosiny. Ao ve ? Zany hoe tsy misy idiran'ny ilay vola raisiko mihitsy izany satria izaho tsy ho président de la république fa kosa olom-pirenena mahafantatra ny fanararaotana sy fanaovana tsindry hazo lena atao amin'ny malagasy tena miaina eto Madagasikara.
5. essera ( 27/03/2009 06:25)
Bonjour Ifiona, tezitra be amko aki Cousine Yuka fa nomeko dite tsy nisy ronono ary mofo tsy misy dibera.

8O 8O :lol: :lol:
6. yuka ( 27/03/2009 06:47)
ka ianao irery zao no olona mivazavaza an'izany eo!
TGV ve t@ vao nanomboka ny tolona niteny jesosy kristy izy??
tsy ni fanononana ny anaran'i jesosy no zavadehibe,fa ny fanaovana ny sitrapony! ao ve?
Tsy milay zany mivavaka alahady dia manambana basy alatsinainy izany ry akama a! ao ve?
NY orinasany miodina tsara ny karamany voarainy aradalana rariny raha mitombo ny fananany! aove ?
ohatrinona ny volanao lasandravalo?
ohatrinona ny volambahoka viravirain'ny jiolahy amizao?
handoavana ny ofan'ny resto-gasy sy hiliban'ny minisitra fopla?ao ve?
ny mpadroba dia avela hanao ny asany amizao,jiolahy manafika @ sabatra ,sy basy sns....
atao inona ireny basy niparitaka nirangaranga teny @ 13Mai reny?
valiny: handrobana vahoaka toy ny fanao refa vita ny tolona!
iazy no tambiny hoan'ny fozaorana jiolahy,fozaorana hoa tsy vahoaka izany azo!
7. ralevazou ( 27/03/2009 07:32)
zao ny ahy no mba hevitro amin'io kôzin dra essera io:
Ötsan manao alaelokan zany toi ra ny faitako azy satria io tary io nge efa mba nanana ny fananany iany vô teo ê? ^:^ ; faharoa: sôde fanatisma be am lé oé tokony ho tafa raha tsy léry no teo fa zao no "determinisma" tsotra am reny:
zé kamo sy zatra nanao gaboraraka taloha no tsy nahita mangirana teo de io manao LOHAN JIOLAHIMBOTO IO daôly iz zao :twisted: :twisted: VAKIANA FOTSINY!!! ^:^ ^:^ =)) =)) =)) =)) :-@ :-@ :-@ :-@
8. essera ( 27/03/2009 09:31)
Ho an'i Cousiny Yuka

ka ianao irery zao no olona mivazavaza an'izany eo!
TGV ve t@ vao nanomboka ny tolona niteny jesosy kristy izy??
tsy ni fanononana ny anaran'i jesosy no zavadehibe,fa ny fanaovana ny sitrapony! ao ve?
Tsy milay zany mivavaka alahady dia manambana basy alatsinainy izany ry akama a! ao ve?


Averiko milay be eto mihitsy fa zanaky dada pursanpurporc ny bandy taloha. Ary oh hoe fanatisma no revy tamin'izany dia izay. Fa tsy mety le mivavaka masirasira. Io ange efa faniratsirana an'Andriamanitra mihoatra ny miteny ratsy e.


NY orinasany miodina tsara ny karamany voarainy aradalana rariny raha mitombo ny fananany! aove ?


Tsy miodina tsara ny orinasany fa NAODINA TSARA tamin'ny 0 taxe. Raha tsy voavalin'i cousine ty d omeko ny valiny fa karohy eny ho eny ihany aloha. Inona no zavatra tsy mandoa taxe ny matière première nefa anisan'ny lafo nisondrotra avo 5 heny ny vidiny. Tsy zah no nanafatra an'io sao endrikendrehana eo indray a.



ohatrinona ny volanao lasandravalo?


ohatrinona ny volambahoka viravirain'ny jiolahy amizao?


Odryyyyyy, ohatran'ny manao fanontaniana adaladala angamba. Ianao aloha ve teto an-toerana foana e, sa eto amin'ny serasera fotsiny d à distance no fomba fijery. Tsy vola fotsiny rekany fa hatramin'ny tanindrazan'olona, tanimbary.




handoavana ny ofan'ny resto-gasy sy hiliban'ny minisitra fopla?ao ve?ny mpadroba dia avela hanao ny asany amizao,jiolahy manafika @ sabatra ,sy basy sns....

Nareo zany koa mapmé, olon-tsotra ange dia mahahofa an'i resto gasy fa aiza ary nareo zany. Ambanin'ny 100 000 ny tapak'andro ho an'izay te hanofa kely eny. Simba ve ny caisse n'ny fanjakana.




atao inona ireny basy niparitaka nirangaranga teny @ 13Mai reny?valiny: handrobana vahoaka toy ny fanao refa vita ny tolona!
iazy no tambiny hoan'ny fozaorana jiolahy,fozaorana hoa tsy vahoaka izany azo!


Rehefa manafatra nareo dia tsy maintsy mampiasa ny eto an-toerana izahay, ary ireny dia basy efa ntaolo be fa mbola miasa (mass 36 etc, etc)


9. essera ( 27/03/2009 09:39)
zao ny ahy no mba hevitro amin'io kôzin dra essera io:
Ötsan manao alaelokan zany toi ra ny faitako azy satria io tary io nge efa mba nanana ny fananany iany vô teo ê? ^:^ ;


Tena ekena ilay efa nanana ny fananany mialoha izy. Izay no nifidianako azy tamin'ny voalohany. Fa ny namotehany ny mpandraraha mandeha amin'ny ara-dalàna firifiry teto. Ilay ara-dalàna amin'io no aseho eto aloha, ary ny mapmé dia ny apondra be dia be mampalaelo nanara-dalàna nefa takaka manao maximum amin'ny tsy fanarahan-dalana. Manadihadiha kely amin'ny faritry sava diana , Ambatondrazaka iny. Fikan'ambotra kely ohatran'ny mahazatra.

Ny alahelon-kanina lazain'ise dia tsy nikambabarotra taminy aho akory, na niray petsapetsa, fa ireo very fihinanana eo akaikin'tonelin'Ambanidia ireo ange no tena ay ay ay ay ay. Ny hanina haniko mantsy mbola tsy miova fa ohatran'ny mahazatra ihany koa dia mahazotoa homana ry se.



faharoa: sôde fanatisma be am lé oé tokony ho tafa raha tsy léry no teo fa zao no "determinisma" tsotra am reny:
zé kamo sy zatra nanao gaboraraka taloha no tsy nahita mangirana teo de io manao LOHAN JIOLAHIMBOTO IO daôly iz zao :twisted: :twisted: VAKIANA FOTSINY!!! ^:^ ^:^ =)) =)) =)) =)) :-@ :-@ :-@ :-@


Dia ilay fanatisma indray a : Na tsy reveko aza ny TGV tsy miverina ra8. Iny aloha dia poinsa. Izany hoe tsy fans club na tgv ny aty fa tsy manaiky ny tsindrin-ra8 tsy hazo lena fa efa beton mihitsy.

10. moi ( 27/03/2009 10:54)
Tokony natao hoe zavatra roa tsy zakan'ny mpomba an-dRa8 ilay resaka !
Dia inona kosa ny zavatra roa tsy zakan'i TGV ?
Nefa raha manoratra izany aho dia lasa hampafana ady eto ! Ndao ny zavatra roa mahatsara azy ireo no hanohizana ! Sao latsaka amin'ny fankahalana eo !
11. jeanpierre ( 27/03/2009 11:49)
Ny ahy izao no tsy zakako ilay tsy misy dibera sy yaourt intsony
tsy misy regime intsony ny kofa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0729