Miaramila gasy mina-taiparasy en live

1. bozyboleta ( 26/03/2009 11:05)
Mitazana film en plein tournage zao.
Manao andiany roa ireo ny foza eto analakely.
Ireo koa ny miaramila miandry fotsiny ao anaty camion eo @ esplanade.
Vao manomboka mivoaka izao ny avy ao Ambohijatovo dia torahan’ny foza fa tsisy mihemotra kosa ny olona.
Ery @ Ralaimongo koa misy andiam-poza hafa.
Fa reto miaramila mihitsy kay no tena V.
Inona zao no tsy anakanana an’ireo foza ireo nefa efa hita fa mpanakorontana? Mijery fotsiny ry V. Tena tsy alehany reto.
répondu par tafondro le 26/03/2009 14:44
2. Mirananirina ( 26/03/2009 11:09)
Za zanaka miaramila e
3. bozyboleta ( 26/03/2009 11:25)
Nanomboka nanakana teo @ pharmacie Razafimandranto ny tgv foza ary tena teo anoloan’ny miaramila teo @ esplanade mihitsy no nisy an-jareo.
Tsy nihetsika mihitsy ry miaramila V fa nitazam-potsiny na dia nitora-bato ny olona nidina avy tany Ambohijatovo aza ry foza.
Niroso hatrany ny andiany avy tany Ambohijatovo dia rehefa lasa tany akaikin’ny 13 mai tany dia nanaraka avy tato aoriana ry miaramila tsisy saina dia nanao tifi-danitra rafales be.
Tena mifoka môly reo fa tsy normaly intsony.
Maso mahita fa tsy honohono.

Za zanaka miaramila e

Henatra zao ny manao an’reny akanjo miaramila reny.
Tsisy hoe manara-dalàna na mutins fa mitovy daholo.
Samy V. Samy fôpla satria tsisy mijoro miaro ny vahoaka sy ny fananany izany fa manao lohana môly daholo.
Miaramila gasy, mina-taiparasy.
4. nyavo2000 ( 26/03/2009 11:30)
Zao ry zalahy de efa nanapoaka tsipoapoaka tsy hay na tifi-danitra na tifitr'olona.

Mila tonga haingana ny SADEC sy ny casque bleu ahitana hoe tena milay ve ireto CAPSTA ireto fa ny fananana basy no heverina ho hery

Mirananirina:

Za zanaka miaramila e



5. ratavao ( 26/03/2009 11:46)
Azaa maika fa efa ho avy ny SADEC e! amin'izay ny trondro ho voaaro tsara amin'izay, rehefa miaro foza ny miaramila gasy
6. bozyboleta ( 26/03/2009 12:00)
Lasa mamerina ny tsianjery hanihany t@ mbola kely aho nahita ny nataon'ireto miaramila V reto.
Mba SA2 ihany ny tena taloha t@ SNHFAP mba mahalala ny fitsipika miaramila fa reto @ zao reto teha 0 manatody.

Maramila vatatay
Tsy mahazaka bomba ray
Raha ireny no manambady
Dia mivarina any an-kady

Miaramila Gasy
Mina-taiparasy
7. Mirananirina ( 26/03/2009 12:06)
Henatra zao ny manao an’reny akanjo miaramila reny.
Tsisy hoe manara-dalàna na mutins fa mitovy daholo.
Samy V. Samy fôpla satria tsisy mijoro miaro ny vahoaka sy ny fananany izany fa manao lohana môly daholo.
Miaramila gasy, mina-taiparasy.

Tsy ny rehetra akory aoka hazava????????raha be indrindra 10 ny tsy manaradalàna dia ny rehetra no mahazo tsiny.Izahay mbola fière hoe zanaka miaramila.
Miaramila Gasy
Mina-taiparasy

Efa hira hatrizay io fa tsy vao izao e.
8. bozyboleta ( 26/03/2009 13:03)
F'angaha misy miteny hoe hira vao izao??? Ndry tsy mamaky an!

Tratra ny fikan'i alain ramaroson. Kay izy no nampandefa an'reto foza teo analakely hanakorontana.
Diso tetika nefa fa ny hendry efa nahalala mialoha ny hevi-dratsiny.
Natao niandry teo @ esplanade reto miaramila, ary ny foza efa nokaramaina hanakorontana ny olona mirava avy any Ambohijatovo.
Avy eo noeritreretina hitsoaka tany @ pavillon reto olona dia efa nisy foza niandry fotsiny tany hamaky ny pavillon mba handotoana ny olona avy eny Ambohijatovo. Ary dia hiditra ny miaramila hisambotra.
Kinanjo tsy nahomby ny tetika fa tsisy nandeha tany ny olona.

Nanao valan-dresaka t@ mpanao gazety le alain ramaroson ny atoandro teo dia niantso ny miaramila hiaro ny 13 mai ary hijery izay tokony hatao ny olona eny Ambohijatovo.
Tena efa nasosan'ny môly koa le zalahy iny.
9. kokoloina ( 26/03/2009 13:03)
Mampalahelo nareo fa manao vavan'ny matyan-drano
miady misy maty hisotroana kaoatry e!
otrany efa lany dozy le cafe teny mahamasina d'apres 7fev iny.
Nareo pro8 no tene V efa nifiran'i dada ko mbola oe dada a dada,sady tsy manakambo,fa eny amin'ilay place de demokratia,saika tsy namelana ny foza hitokona no mandimby azy sady to oe tsy te hiala eo tsony fa tamana be!
10. bozyboleta ( 26/03/2009 13:07)
Maty an-drano ahoana kay! Aiza zay rano eo?
:lol: :lol: :lol:
11. bozyboleta ( 26/03/2009 13:09)
Maty an-drano ahoana kay! Aiza zay rano eo?
Ny foza no tia rano fa zay angaha foza?
:lol: :lol: :lol:
12. tafondro ( 26/03/2009 14:44)
Ny miaramila eo am-perinasa dia tsy natao hieritreritra fa nomema baiko hanatanteraka ny ordres du jour ,ary hadalan' ireo izay tsy mahafantatra izany ,eny fa na dia ny rahalahiny aza no mifanehatra @ eo anivon' ny manifestation dia tsy maintsy ny ordre no vitaina aloha vao mitsinjo ny fianankaviany izy .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0532