Malagasy miray hina (video Ambohijatovo 23 martsa 2009)

1. ifiona ( 23/03/2009 20:01)
http://www.youtube.com/watch?v=A61gTVqqr4Q

:roll:
répondu par taralila09 le 24/03/2009 07:26
2. xxx ( 23/03/2009 20:39)
misaotra é! mitohy hatrany ny tolona! mba handefaso zay kabary teny raha misy é! na ny ambiansa tena fotsiny ihany aza!
3. Noue ( 23/03/2009 21:03)
misaotra akia ifioana aaa ! :-* :-* :-*
4. pikatti ( 23/03/2009 21:15)
mbola ho avy ny manetsabe
miasaotra ifiona :-* :-* :-*
5. Oay ( 23/03/2009 21:37)
Mahafinaritra fa lasa vitsy ny mpanao xxx fa nahazo fanantenana vaovao ny andaniny ary ny ankilany d nahazo fahefana.
6. patrick2002 ( 23/03/2009 22:34)
dia mankahery anareo Ravalomananiste rehetra izany ,dia mahavita be eh! courage daholo eh!
7. rastafarai ( 24/03/2009 02:06)
:-D Betsaka ihany kou ny somera an!! Ny olona sasany angamba miasa...sa manaiky ny fandehanana any ny patron @ zao!? :-P
8. taralila09 ( 24/03/2009 07:26)
HO TONGA NY 29 MARSA 2009.
RODOBE ANGAREDON'NY VAHOAKA MALAGASY TIA TANINDRAZANA
62 taona izao ny MDRM … … 114 taona ny MENALAMBA tao Andrefan’Ankaratra.
Dia io indray I LAFRANTSA fa manao ny ataony mampanangatra ny PADESM AREMA sy ny Gasy Vazaha an-Taratasy tarihan'ny Taranak'i Galliéni Vaovao (TGV):
• MANDORO SY MAMOTIKA ny ASA vitan'ny Vahoaka Malagasy tato anatin'ny 49 taona nahazoana ny Fahaleovantena.
• MANDRAVA ny FOTODRAFITRASA FAMPANDROSOANA voajoron'ny Malagasy taona vitsy fotsiny taorinan-dRatsiraka.
Tsisy henatra sy tahotra intsony amin'izao efa taonjaton'ny fanatontoloana (mondialisation) izao ary eo imason'ny diplomatin'izao tontolo izao noMANONGAM-PANJAKANA ary MANDROMBAKA FAHEFANA @ hery mitam-basy hatreny Antanimena ka hatreny @ CAPSAT.
Tsy misy hankato izay fanjakan'i Baroa baribarianina mpandrombaka fanjakana @ "demokrasia" sandoka, hanindry sy hamono antsika eto.
Tsy misy Malagasy manaiky hiforitra eto mandritra izany 24 volana izany ary na 1 volana akory aza.
Tsy misy Malagasy manaiky an'I MADAGASIKARA TANINDRAZANA MALALANTSIKA hiverina hobaboin'i Lafrantsa intsony.
Ny 29 marsa: Andron'ny tanindrazana
Tsy izay Vazaha an-Taratasy, Taranak'i Gallieni Vaovao (TGV) no hisoloky ny tanindrazantsika eto.
Sanatria!!! Fihantsiana mihatra @ hambompontsika MALAGASY tsy mihoatra an'izany.
RODOBE ANGAREDON'NY VAHOAKA MALAGASY TIA TANINDRAZANA
NO ANDROAHANTSIKA AN'I BAROA MPANDROMBAKA FANJAKANA HIALA TEO
Ka inona no hatao ??
Samia miteny. Samia maneho. Asaivo miteny daholo ny mpiray tanàna, ny mpiara-miasa, ny mpiara-mianatra, ny mpiray taxibe, ny mpiray kazerina, ny mpiara-mody, isika rehetra rehetra.
Manorata. Ampiteneno ny taratasy, ny gazety, ny radio, ny rindrina, ny akanjo …
Mifamoria. Henoy, raiso ny toromarika. Ity no toromarika voalohany.
Esorintsika teo ny mpanao Fanjakan'I Baroa.
Demokrasia Tàn-dalàna Tsisy Raorao ny antsika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0512