hihihih sary tetezamita

1. xxx ( 23/03/2009 15:26)
Mba nanopy maso kely tao amin'ny site sobika ny tenako ka torana nihomehy raha nahita ilay soratra hoe tetezamita miala. Eny fa na dia ny fitondrana tetezamita aza eto mintsika dia mila haongana. :) . Fa inona ny problème raha miandry ny éléction démocratique dradradradraina lava e, éléction izay ho ataon'ireto mpanao tetezamita ireto. Sa lé korontana sy ady lava mihitsy no tena tadiavintsika malagasy e! Dia raha asorina eo ireo dia ahoana indray? dia firy indray no ho faty?? dia oviana indray vao ho tapitra zany gidragidra izany??? dia rehefa miongana eo ry TGV, dia inona indray no atao??? hanao éléction ve?? nefa ilay éléction efa ho ataon'i TGV ihany, sa averina ra8 ??? matoa izy tafala teo nefa dia, ao raha.
répondu par taralila09 le 24/03/2009 07:44
2. hery ( 23/03/2009 15:46)
mandrodana izay fanjakana tsy ara-dalàna fotsiny aloha.
Tsy mety raha ambiance foza orana ohatra an'izany no hirosoana amin'ny fifidianana.
Mba mieritrereta hoe raha hisy fifidianana eo dia izay manana basy sy CAPSAT ihany no ho lany fa izay tena manana projet hanatsarana ny firenena tsy ho tafiditra mihitsy... tssss

Aleo indray Coutiti mihitsy no mikarakara fifidianana raha izany
3. xxx ( 23/03/2009 15:56)
hay ve mba mahatsapa ihany elisany raha vao misy fihetsehana atao ka manohitra ny mpitondra, tsy maintsy hahongana io fa tsy misy hilana azy na hikarakara fifidianana na tsy hikarakara, miala aloha zay koa no tadiaviny zao tontolo zao!
4. xxx ( 23/03/2009 16:27)
raha vao misy didin'ny be sandry , didy jadona , sy mitady hanao " la loi du silence " dia azafady fa tsy hanaiky

Ny vahoaka no tokony hitsangana voalohany hanakana izany fa tsy miandry hijaly akory vao hihetsika dia hanao izay tiany ry mpanao didy jadona
5. andrywui ( 23/03/2009 17:02)
Ka mipetrah ary alo zany de miandry ny mandat manaraka !! de manao hendry tsara fa tsy mandrangitra ny olona vao nivoaka krizy eto ee!! sa ve nareo mahavita ireo malagasy mijaly ireo e !!! ???


:evil: :evil: :evil: :twisted: :twisted: :twisted:
6. ifiona ( 23/03/2009 17:07)
olona voafidy ara-dalana tompoko no nahonganareo, ary tsy navelanareo niteny izahay t@ alalan'ny referendum na tianay ho esorina io olona io na tsia, koa manomboka izao dia mahaiza mionona fa tsy maintsy miala ny mpanogampanjakana.

andrywui mba miheveratena ihany fa enao ihany no milaza fa be ny olona mamaky ity forum ity
7. andrywui ( 23/03/2009 17:12)
Be ny olona mamaky ity Forum ty ko rangitinareo hanongana ioFanjakana vaovao io ndray ve de tsy hanaiky ny TGV de hifanongana foana eo de ahoana ??? efa nitondra teo 7taona ngarangidn ra8 tsy namokatra de aleo ndray hitondra mandat ray cny TGV de ho hitanareo eo anie ny firifatrany e !!! sady TGV milay be misy etage le izy sady lavabe !! ifiona ara mitaingina foana ref miakatra a Paris !!! ha aha aha ah
8. pikatti ( 23/03/2009 18:13)
tsy asorina dieny mbola tsy lalim-paka ny fitondrana nangalarina toa izao mazava be zany tsy mila ,ny vahoaka malagasy dia tsy nila amporisiha na izany na nokaramaina toa ny volan-dra tgv sy ny dinozoro fa mamay ndray aloha ny manaraka ty é
9. xxx ( 23/03/2009 18:50)
andrywui:

Ka mipetrah ary alo zany de miandry ny mandat manaraka !! de manao hendry tsara fa tsy mandrangitra ny olona vao nivoaka krizy eto ee!! sa ve nareo mahavita ireo malagasy mijaly ireo e !!! ???


:evil: :evil: :evil: :twisted: :twisted: :twisted:


KA NANINONA KOA RAHA MBA NIANDRY NY 2012 RAHA MAHAY MAHATSAPA ANIZANY IHANY? KOA TSY VAO MAIKA AZA KIRIZY NY AN'I TGV?


10. rakaroka ( 23/03/2009 21:15)
[quote=ifiona]
olona voafidy ara-dalana tompoko no nahonganareo, Driiiiy fa ny teo aloha rehetra anie voafidy ara-dalàna daholo no nahongana e, tsy nisy mihitsy ny eksepsiô fa isaky ny misy "vahoaka tafafoha =>"Fanova ny Filoha1"
11. xxx ( 23/03/2009 21:43)
Tena manao ambony-ambany ,aloha-aoriana, havia-havanana ny fandehan' ny tantara ry zareo a ! tsy maintsy mandeha @ izany ilay izy!! Sarotra be .
12. taralila09 ( 24/03/2009 07:44)
HO TONGA NY 29 MARSA 2009.
RODOBE ANGAREDON'NY VAHOAKA MALAGASY TIA TANINDRAZANA
62 taona izao ny MDRM … … 114 taona ny MENALAMBA tao Andrefan’Ankaratra.
Dia io indray I LAFRANTSA fa manao ny ataony mampanangatra ny PADESM AREMA sy ny Gasy Vazaha an-Taratasy tarihan'ny Taranak'i Galliéni Vaovao (TGV):
• MANDORO SY MAMOTIKA ny ASA vitan'ny Vahoaka Malagasy tato anatin'ny 49 taona nahazoana ny Fahaleovantena.
• MANDRAVA ny FOTODRAFITRASA FAMPANDROSOANA voajoron'ny Malagasy taona vitsy fotsiny taorinan-dRatsiraka.
Tsisy henatra sy tahotra intsony amin'izao efa taonjaton'ny fanatontoloana (mondialisation) izao ary eo imason'ny diplomatin'izao tontolo izao noMANONGAM-PANJAKANA ary MANDROMBAKA FAHEFANA @ hery mitam-basy hatreny Antanimena ka hatreny @ CAPSAT.
Tsy misy hankato izay fanjakan'i Baroa baribarianina mpandrombaka fanjakana @ "demokrasia" sandoka, hanindry sy hamono antsika eto.
Tsy misy Malagasy manaiky hiforitra eto mandritra izany 24 volana izany ary na 1 volana akory aza.
Tsy misy Malagasy manaiky an'I MADAGASIKARA TANINDRAZANA MALALANTSIKA hiverina hobaboin'i Lafrantsa intsony.
Ny 29 marsa: Andron'ny tanindrazana
Tsy izay Vazaha an-Taratasy, Taranak'i Gallieni Vaovao (TGV) no hisoloky ny tanindrazantsika eto.
Sanatria!!! Fihantsiana mihatra @ hambompontsika MALAGASY tsy mihoatra an'izany.
RODOBE ANGAREDON'NY VAHOAKA MALAGASY TIA TANINDRAZANA
NO ANDROAHANTSIKA AN'I BAROA MPANDROMBAKA FANJAKANA HIALA TEO
Ka inona no hatao ??
Samia miteny. Samia maneho. Asaivo miteny daholo ny mpiray tanàna, ny mpiara-miasa, ny mpiara-mianatra, ny mpiray taxibe, ny mpiray kazerina, ny mpiara-mody, isika rehetra rehetra.
Manorata. Ampiteneno ny taratasy, ny gazety, ny radio, ny rindrina, ny akanjo …
Mifamoria. Henoy, raiso ny toromarika. Ity no toromarika voalohany.
Esorintsika teo ny mpanao Fanjakan'I Baroa.
Demokrasia Tàn-dalàna Tsisy Raorao ny antsika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2974