Adim-poko horangitin'ny TGV
1. sohitika2008
(
21/03/2009 22:34)
Sahirana ny TGV @ zao satria tsy ankasitrahan'ny vahoaka eto Antananarivo. Melohin'ny firenen-drehetra eran-tany koa. Ka raha tsy tafavoaka eo izy dia ahiako handrangitra adim-poko no paikany manaraka. Koa atao ny ANTSO AVO :
Ny fihavanana hatrany no nandrafitra ny fiaraha-monina malagasy hatramin'izay. Maty isika raha lasa mivadika krizy ara-piarahamonina ny krizy politika io.

répondu par itaramasoandro le 25/03/2009 17:08
2. xxx
(
22/03/2009 11:05)
Mb dadany koa zany hevitr'i soitika izany re olona o! tamin'ny ra8 teo dia nizesta be hoe lasanay ambaniandro amin'izay izao ny tanàna, ary dia izay tokoa ny zava niseho. Avy teo niady an-trano tao nareo sy ny zanakareo ihany, i Tgv io. Dia nivadika ny rasa, dia mbola ambaniandro ihany no eo. Dia nareo ihany koa no manakorontana ity madagasikara iray manontolo ity. Dia izao indray hoe firaisankina satria ve tsy ianareo no mitondra. Mba mieritrereta ry soitika fa aza miteniteny foana.
3. racom
(
22/03/2009 16:28)
Sao dia zatra ny lalan-dronono niaraka tamin-dr8 ary sohitika dia lasa mamoron-kevitra hafa indray.Mandiniha vao miteny ry akama.VIVE TGV
4. itaramasoandro
(
25/03/2009 17:08)
aza mety horanitin'ny mpanankaso na avy eto an-toerana izy na avy any ivelany fa TSY NISY, TSY MISY ARY TSY HISY NAOVIANA NAOVIANA, ny fampiadiana ny Malagasy iray fototra-iray fihaviana.
jereo ny lasa sy ny tantaran'ny Nosy ary ekeo fa nitambatra ny sakalava sy ny merina tsy hidiran'ny frantsay hanjaka, ary nitambatra ho iray ny Malagasy nohon'ny fahaizan'Andrianampoinimerina izay nilaza andrariny fa ny ranomasina no valamparihin'i Madagasikara, tany iray vahoaka iray tsy azo zarazaraina, miteny teny iray izay nanaja hatrany ny tenimparitra satria noraisina tao @ tenim-pirenena ny teny hitoviana ary manaja ny hitenena'ny tsirairay ny tenin'ny faritra hiainany.
ary manankaikeza kely ny taonjato hiaintsika fa ny mdrm dia Malagasy iray fototra, tsy misy hoe foko aty na foko ary, fa iray no nitambatra hanafaka ny tanindrazana teo ampelatanan'ny mpanjana-tany frantsay. Nopotehin'ny mpanjanaka anefa izany firaisankina izany.
ankehitriny, isika Malagasy indray va re no hamerina ny natoan'ny mpanjanaka? Sanatria.
TSY NISY, TSY MISY ARY TSY HISY NAOVIANA NAOVIANA, ny fampiadiana ny MALAGASY IRAY FOTOTTRA-IRAY FIAVIANA.
itaramasoandro 8)