Aleo handray andraikitra ny tanora ry BEVOLOMBAVA ISANY

1. essera ( 20/03/2009 14:21)
Maninona moa raha avela hanao ny asany ilay miakatra eo aloha.

Vao manomboka ilay zavatra dia efa ny fanakorontanana no manomboka. Miala tsiny aho Dada8 fa ianao aza iny efa mba nanaja tena fa ireto club des fans anao indray izao ireto mitady hanolo ny 13 mai ireto.

Andry R. ange efa nanolotra an'Ambohijatovo na 13 mai ho anareo e.

Ny Arema aza ange nanaja tena ihany rehefa lasa ny dadany, ka aleo ny rahalahinay hampiseho izany hoe MAHAVITA ZAVATRA NY TANORA fa lasa efa fahazaranareo sy ankafizinareo ny mibahambahana ny olona misondrotra sy révélation.

Azonareo ny manalava araka izay tianareo an'ity abréviation ity :
T . G . V
Na koa maka information eny am penguin amin'izay anaram-bositra omenareo azy.

Raha nitondra i Ravalo ka niteny hoe TATEZANA tamin'ny voalohany aho no nihomehy fa nony vita ny TATEZANA dia hitako ihany hoe nanao izy ka tsy anaovana fanaratsiana be fahatany.

Rehefa hafahafa ny fiteniny teny Frantsay, nihomehy aho tany amboalohany fa rehefa nahay nifandray tamin'ny vahiny izy tsy olana izany.

Ka dia rehefa mitondra i Andry Rajoelina dia ihomehezo aloha fa zaza ray ranon'orana fa rehefa avy eo mba mety ho hitanao eo ihany ny vokany.

Ao ve ?


répondu par xxx le 21/03/2009 20:54
2. xxx ( 20/03/2009 16:01)
voafelak'i bevolombava eo ty fa mangina ! tsy kilalaonjaza na kilalaon'antitra io raharaha io fa aferan'ny izay be vava sy be sandry

eny e! aleho entin'ny zandry kely aloha fa mbà ho lasa volombava moderne
asa angamba !
3. xxx ( 20/03/2009 16:35)
Ie aleo entin-dry tanora Ratsirahonana, Ndremanjato ... ilay tanora dinosaures ireo e :-D :-D :-D
4. xxx ( 20/03/2009 16:46)
ry elefanta no efa manampatra ny hangedany ao ka tsy hanahirana izy ity , rehefa lany ny fond ny volo rehetra afaka hamidy e !
5. Mirananirina ( 20/03/2009 17:53)
Tanora ,mety ho ety ihany ,fa ity miady toerana resampiankaviana ity ,mankaleo.
6. xxx ( 20/03/2009 18:12)
efa mankaleo hono ireo fianakaviana miady toerana a! ka samia meritreritra
sinon miarà mitondra ao re olona e!
7. xxx ( 20/03/2009 18:16)
fa angà moa mpihavana i ra8 sy tgv ?
8. Jekanefara ( 20/03/2009 19:28)
Koa raha i TGV moa no hiditra eo ka haninona. Toa izy no nanala fa tsy afaka hiditra akory. Oh,... Adinoko tokoa fa hay moa mbola hanova constitution hahafahany milatsaka hofidiana.

Raha tsy hoe hovonoin'ny sasany alohan'izany fanovana constitution sy fifidianana izany. 24 volana anie ka mbola tena lava e!

Dia inona fa tsy hiverina @ efa naloany indray ny gasy, ry Ratsiraka mianakavy. Sa "the third time is a charm?" Ny Gasy ho'aho tsy mba mieritreritra mihitsy. Tsy mahita afa-tsy ny hatendron'orona na dia efa hita miharihary izao aza hoe iza no ao ambadikin'ny train TGV. Ririnin-dasa tokoa angaha ka tsy tsaroana... Aleo hihinanana ny nampihinanina an'i Pasitera tany daholo fa kely saina. Dia miverena midododo mitaraina eto hoe mafy ny fiainana. Te-hanao aminy eo!
9. xxx ( 21/03/2009 03:29)
Mba vonjeo izahay kely saina éééé !!! dia voahozona hovonoina foana izany ny kely saina sy ny dondrona ho an' ny sasany ? fa iza no manana fahefana ny @ fisiana eto an-tany ? ny politika ihany vé ? sa ny fahefan' ny tany aman- danitra ? sa ny treron ' ny be ambaindainy ? :oops: :oops: :oops:
10. xxx ( 21/03/2009 20:54)
ho an'i jekanefara , ngà izy nanao je ho anao ary izy angà niandry hodokafanao
fa inona no mahatonga ano hiteny io ???? misy antony fantatray o!o!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0809