Kristiana - Fitondrana Firenena

1. bor2lais ( 20/03/2009 08:38)
Faly miarahaba antsika rehetra.
Amin\'izao toe-draharaha mitranga eo amin\'ny Firenena Malagasy izao dia mamelà ahy hanao copier/coller ny hafatra napetraky ny namana \"prime\" teto izay heveriko fa misy azo raisina sy tsakotsakoin\'ny tsi11 ihany.
Ataoko fa tsy dia olana amin\'i \"prime\" akory izao ataoko izao (ialako tsiny mialoha raha toa ka mahatohina).
-----------------------------
5. Mpandefa : prime [ Valio ] 13-02-2009 13:07:04
Lohateny : Re : Inona moa ny toeran-dra8 eo @ lafiny fiangonana????

Mampieritreritra ny zava-misy ankehitriny ary mampandinin-tena lalina...

[bor2lais> Manaja ny hevitrao aho ary manaiky fa fahefana nomena avy amin\\\'Andriamanitra no natolotra ny filoha Ravalomanana...]

Fa mampandinin-tena ny zava-misy ankehitriny ary tsy itsarana azy velively fa mba handinihan\'ny tsirairay tena... fa Saoly Mpanjaka (Andriamanitra no nanendry sy nanosotra azy) rehefa nialan\'Andriamanitra dia nanamafy fo sy nanamarin-tena... fa rehefa tonga tamin\'ny tsy azo nanoharana intsony vao nieritreritra ny hiverina ka nahavita niantso ny Mpaminany efa maty mba hivavaka ho azy saingy indrisy... ny Farao rehefa nilazan\'Andriamanitra ny tsy maintsy handefana ny vahoakany ho afaka dia Andriamanitra mihitsy no nanamafy ny fony hiziriziry tsy hamela ny Zanak\'Israely nefa indrisy... tsy vitsy ny ohatra maneho ny fiasan\'Andriamanitra amin\'ny olona omena na ampindramin\'Andriamanitra fahefana...

Ny endrika isehoan\'ny asan\'Andriamanitra voalohany dia ny asan\'ny fanahin\'ny fibebahana amin\'izay tiany... indrisy nefa fa hamafisam-po no mbola misy ankehitriny...

Izaho dia mananatra mandrakariva antsika mpino kristiana mba tsy homba ny atsy na ny aroa ary raha mivavaka dia tsy ny ijanonan\'ny olona amin\'ny fahefana indramina na ny andrombahan\'ny olona ny fahefana avy amin\'Andriamanitra fa ny mba iasan\'ny fanahin\'ny fibebahana sy ny fahendrena...

Miala tsiny aho raha hilaza ireto ambarako ireto na dia FJKM aza ny tena ary mbola fitiavana no ilazana izao :
- mila mibebaka ny filoha Ravalomanana fa arakaraky ny hanamafisany fo no hahaloza ny fianjerany (izaho nefa tsy mahalala ny asan\'Andriamanitra ndrao Izy mihitsy no manamafy ny fony)
- mila mibebaka ny fiangonana sy ny filoham-piangonana, ny FFKM, ny FJKM indrindra indrindra fa ndrao tsy nijoro tamin\'ny asany ka mahatonga ny mpanompon\'Andriamanitra miziriziry toa izao... ary indraindray aza mahavaka mihitsy fa toa tsy manan-kambara ny amin\'ny tsy fahamarinana sy ny loza sy ny zavatra tsy mety rehetra eto amin\'ny firenena ny fiangonana (mampatsiahy indrindra ny zava-nisy tamin\'ny andron\'i Hitler tamin\'ny fahanginan\'ny fiangonana teo anoloan\'ny habibiana sy ny herisetra)...
- mila mibebaka ny mpino kristiana fa ndrao tsy mijoro amin\'ny fanarahana an\'i Jesosy ka dia manaiky sy manaraka ivoho ny itarihan\'ireo filoham-piangonana mitarika azy ireo, tsy mandinika araka ny asan\'ny Fanahy Masina ka tonga voazarazaran\'ny hevitra eto amin\'izao tontolo izao... manana adidy ny vahoakan\'Andriamanitra hampijoro ny fahamarinana sy ny filazantsara...

Izaho dia miteny mandrakariva amin\'ny namana rehetra, fa raha marary ny vahoaka dia tsy avelan\'Andriamanitra amin\'izao izany satria ny fahefana izay omen\'Andriamanitra ny olona sahaza izany dia natao hanompoana ny vahoaka sy ny fikatsahana ny irosoan\'ireo amin\'ny fihainoana sy fankatoavana an\'Andriamanitra... i Andry Rajoelina dia azo heverina ho tsy misy akory... ary tsy izy no olana (betsaka isika no diso hevitra ny amin\'io fa handeha atao hoe samborina izy dia gadraina dia apetraho ao amponao ny fanontaniana hoe hilamina va ny vahoaka??? dia hanaiky ny maharary azy va ny vahoaka???)... satria na tsy izy aza no hijoro hilaza ho mpitondra ny hevi-bahoaka dia tsy ilaozan\'izay iray hafa hijoro misolo azy eo... ilay vahoaka mihitsy no efa nikotrika aretina efa elaela ary nitroatra rehefa nisy tafahoatra ny tokony zakany ny niseho...

Handeha isika mianakavy tsy hihatsaravelatsihy, fa fantatsika ny zava-nisy sy ny zava-misy ary miara-miaiky isika fa misy zavatra tsy mazava saingy notakonantsika ny masontsika sy ny sofintsika na dia mihamahantra aza ny vahoaka, satria isika ihany no nametraka io fitondrana io... ka rehefa miseho ny marina na dia tsy amin\'ny fahafenoany aza dia ahodinkodintsika ny marina ka na efa mibaribary aza ny tsy mety dia tsy mba nisy nijoro nananatra na nanoro hevitra na nirotsaka an-tsehatra mihitsy amin\'ny fitiavana hanampy ny fitondrana... fa toa nampirisika aza... (na dia fantatra koa aza nefa fa izay sahisahy foana dia any am-pigadrana na voaroaka tsy miditra eto amin\'ny Nosy intsony)

Koa ny hany ambarako dia ny tsy itsaharana mivavaka mba anehoan\'Andriamanitra marina ny heviny ka aneken\'ny olona rehetra ny voninahiny sy ny fandaharany...

Ho an\'Andriamanitra anie ny voninahitra ary ho amintsika ny fiadanana ao amin\'i Jesosy Zanany... mahereza daholo...
répondu par bor2lais le 24/03/2009 13:04
2. Mandefitra ( 20/03/2009 08:48)
Mampandrinintena tokoa ... Misaotra an ibordlais
Ary mba nankaiza prime?
3. Nandra1 ( 20/03/2009 09:11)
Misaotra an'i Bor2lais nitondra ny hafatra, hendry tokoa izany famakafakan'i Prime izany, herin'ny vavakan'ny maro no nampiova fo an'i Ra8 ary tokony tsy ho havotsony intsony ny famonjena efa azony, ny harena tsara indrindra de ny FANJAKAN'NY LANITRA.
Koa ny hany ambarako dia ny tsy itsaharana mivavaka mba anehoan'Andriamanitra marina ny heviny ka aneken'ny olona rehetra ny voninahiny sy ny fandaharany...

Marina izany ry prime, tsy tonga² ho azy ny nametrahana an'i Rajoelina eo, fa ho fitsapana ary ho fizahan-toetra ny kristianina maro. Vitsy no mety hahatakatra izany hoe EKENA izay rehetra Manjo ary ny fahamarinana ao amin'i Jesoa Kristy no banjinina fa tsy ny fahamarinana @ araka ny eritreritr'olombelona.
Hanjaka tanteraka ny BAROA, ary ho very ny RARINY, hanjaka ny lainga sy ny herin'ny vola ary ny fahefana, sns..........saingy efa voasoratra daholo izany rehetra izany fa ho avy: "Maro no hofotsiana, hodiovina sy hozahan-toetra fa maro ihany ny hanohy ny ratsy ihany, misy ny hahazo Famindram-po fa maro ihany koa no hamafisany ny fony" .
Na eo ary izany rehetra izany, aza kivy na ketraka fa Andriamanitra de mitsinjo ny olony.
4. coopsal ( 20/03/2009 11:56)
Tsy nisy fanontaniana moa teto fa fampandinihin-tena.
Mamelà ahy ianareo hampahatsiaro an'ity valin-tenin'i mia tamin'ny resaka anakiray izay natao teto ity :
mia:
coopsal>mahavarina ny zavatra soratanao ary indrindra ilay hoe
a- Raha Andriamanitra koa no nahatonga izany dia ho tonga amin'ny zava-mahagaga ny fahateren' Atoa Ravalomanana Marc hiala ny fitondrana. Tsy ho amin'ny vahoaka analinkisa na arivo akory aza izany, fa telonjato isa dia ampy hahatanteraka izany ary tsy amin'ny herisetra sy korontana akory, fa araka ny lalàna.
b- Hitantanana ny firenena Atoa Andry Rajoelina. Tsy hisy hafa velively amin'Atoa. Marc Ravalomanana anefa ny lalany, saingy izy kosa tsy haharitra eo fa vetivety monja.
c- Aorian'Atoa. Andry Rajoelina dia olona avy any Avaratra no hitondra sy hanjakazaka eto, kanefa tsy haharitra ihany koa ireo.

Aoka ny fotoana no hitsara raha marina na tsia ny voalazanao fa ny ...


Tao amin'io message io dia mbola nisy ity manaraka eto ambany ity :
coopsal:
d- Eto no misy ny fampisainana antsika Malagasy ary itaomana antsika tena hitady an' Andriamanitra amin'ny fo. Fa raha tsy izany dia hisy korontana hahafatesana olona maro dia maro, roa arivo anatin'ny indray andro voalohany ary mety ho tonga hatramin'ny 120000 ny isan'ireo maty mandrapitsahatry ny korontana.
5. rakaroka ( 20/03/2009 21:04)
Misaotra Bor2lais nitondra hafatra. Dia "Ampahatsiahivo tsara an´i Prime"
fa mahafinaritra an-rRakaroka hono hoe ny "reflexion" mba mihevitra sy miatrika ny "misy manodidina toa izao, indrindra moa ny "hampandroso ny firenena no banjinina". Ny fibebahana anie dia "conscience" miala @ tena fa tsy hoe Atra indray koa no hampibebaka, CONSCIENCE fa misy tsy nety natao ary vonona ny hiala @ izany. Ohatra "zatra mialangalana, dia mba mandray andraikitra!
6. fahamarinana ( 21/03/2009 13:33)
:arrow: misaotra betsaka bor2lais a,tsaroako tokoa io hafatra napetraky prime io sady nampiaeritreritra ihany koa ! :-* (l)
7. ni81 ( 21/03/2009 19:18)
Koa ny hany ambarako dia ny tsy itsaharana mivavaka mba anehoan'Andriamanitra marina ny heviny ka aneken'ny olona rehetra ny voninahiny sy ny fandaharany...

Ho an'Andriamanitra anie ny voninahitra ary ho amintsika ny fiadanana ao amin'i Jesosy Zanany... mahereza daholo..
.
8. fahamarinana ( 21/03/2009 19:36)
:arrow: Amen !!!.. (l)
9. ikaretsaka ( 21/03/2009 20:22)
rakaroka:

. Ny fibebahana anie dia "conscience" miala @ tena fa tsy hoe Atra indray koa no hampibebaka, CONSCIENCE fa misy tsy nety natao ary vonona ny hiala @ izany. Ohatra "zatra mialangalana, dia mba mandray andraikitra!


Marina izany.... saika nataoko namaste fa kay moa tsy I soanja io fa rakaroka
10. bor2lais ( 24/03/2009 13:04)

Misaotra antsika rehetra mandray anjara !

Izaho manokana aloha tsy mahafantatra na mifandray mivantana amin\'i Prime fa tamin\'ny alalan\'ity serasera ity sy ny hevitra naseho teto no \"nahafantarako\" azy. Heveriko fa mandalo eto ihany izy na dia tsy mandray anjara mivantana aza !

Hoy Rakaroka hoe :
\"...Ny fibebahana anie dia \"conscience\" miala @ tena fa tsy hoe Atra indray koa no hampibebaka, CONSCIENCE fa misy tsy nety natao ary vonona ny hiala @ izany. Ohatra \"zatra mialangalana, dia mba mandray andraikitra!...\"

-> misy kely tiako ampiana ihany mikasika io :

Ekena fa conscience miala @ tena ny fibebahana, saingy amiko (amin\'ny maha Kristiana ahy) izay prise de conscience izay indrindra no heveriko fa asan\'ny Fanahy Masina. Izy no toa miteny aloha (na mibitsika mangina) hoe \"tsy mety na mendrika anie io zavatra ataonao io !\". Rehefa avy eo vao mitohy amin\'ny lazainao io : tonga saina (na tsia), mahatsapa ny tsy mety (na tsia), sns ka miteraka ilay fibebahana.

Araka ny voalaza ombieny moa dia hevitro ihany io fa tsy voatery tahaka izay daholo akory ny an\'ny sasany (izay hajaiko tanteraka) ka ialako tsiny mialoha !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2056