Mandrotirotika ny foko....
1. soanja
(
19/03/2009 01:12)
Mandrotirotika ny foko ny mahalala
Fa mizarazara ilay nosy malala.
Mandrotirotika ny foko ny mahatsapa
Fa Notafiana ny lapa.
Mandrotirotika ny foko ny maheno
Fa mbola ho ela vao ho feno
Ny fahatomombanao ry Gasikara tiako indrindra
Sarotra harindra!
Soanja
:cry: :cry: :cry: :cry: :cry: :cry:

répondu par benasy le 15/04/2009 10:41
2. Mandefitra
(
19/03/2009 09:18)
Tompo o vonjeo
Fa amoron-kady zao
Ny firenenay
Ny fonay mba tendreo
Hatoky indrindra Anao
Ka tsy hanahiahy.
Na mifofofofo
Mamono sy mandripaka
Mamotika mandrava
Ny asan’ilay fetsy
Dia hino Anao tsy hiofo
Tsy hivadika tsy hisintaka
Hatoky lalandava
Satria Ianao Mpandresy
Ny Voninahitrao
Tsy ho ela dia ho hita
Tsy maintsy ho tafita
Ny tanindrazanay
Fa amoron-kady zao
Ny firenenay
Ny fonay mba tendreo
Hatoky indrindra Anao
Ka tsy hanahiahy.
Na mifofofofo
Mamono sy mandripaka
Mamotika mandrava
Ny asan’ilay fetsy
Dia hino Anao tsy hiofo
Tsy hivadika tsy hisintaka
Hatoky lalandava
Satria Ianao Mpandresy
Ny Voninahitrao
Tsy ho ela dia ho hita
Tsy maintsy ho tafita
Ny tanindrazanay
4. soanja
(
20/03/2009 01:36)
Inona no antenaina amin'izao sahotaka izao
Izay jerena toa mitory raorao
Oviana no hiposaka ilay masoandro mpanantenana
Mba hanome hira fiderana.
N'inona n'inona manjo anao ry fireneko
Tsy maninona fa hoekeko
Rehefa tony ny kotrokotrokao
Dia hiara-paly izahay hanotrona anao.

5. soanja
(
20/03/2009 01:41)
Mandefitra sy Fahamarinana> Ampitiavana hatrany :-* :-* :-* (l) (l) (l) (l)
7. Koditra
(
21/03/2009 22:36)
Msôtra @lé ainga-panahy tsarabe.
Nefa tandremo iany io be sentimaka be lôtra io, rizalah no miady seza any nefa isika no ho tapaka lalandrà melou an-drizalah. Mety hoe tsy manan-tsafidy isika @zao zava-mitranga izao, nefa io no zava-misy dé aleo revéna milamina, miandry fifidianana dé mahaiza misafidy mba tsy ho anenenana any aoriana any. Tsy midika akory izany hoe tsy mirarà ny zava-mitranga fa fahaizana mampiono-tsaina 100% fotsiny ihany.
kourazy daôly eh!

8. soanja
(
22/03/2009 19:41)
Koditra:

Tsy misy fisaorana Koditra. Ny santimaka dia zavatra tsy mba azo fefena mihitsy rehefa raikitra izay. Toy ny afo milelalela ny fon'ny mpifankatia vao nifanopy maso io mantsy e! Ny fahaizana kosa mahay manamboatra ny fifandraisan'ny tena sy ny zavamisy mahatonga izay fihetse-po izany ho toy izany no tena zava-dehibe.
Misaotra mampahery!
9. maeva74
(
10/04/2009 15:47)
Manaova toy ny hazo ao Ambohomiangara;
Ny voany voa mahareta
Ny raviny,ravi-mahalefitra
Ka mba mahareta ny ratsy ataon´ny olona
Ary mahandrasa ny soa mbola ho avy
Mivadiha mandry raha torovana
Mitsangana raha voly
Mialohafa raha haraka
Mitapia andro raha ankona
Fa ny tsihy no fola- mandefitra
Hain- teny nangonin´ny Ntaolo
Ny voany voa mahareta
Ny raviny,ravi-mahalefitra
Ka mba mahareta ny ratsy ataon´ny olona
Ary mahandrasa ny soa mbola ho avy
Mivadiha mandry raha torovana
Mitsangana raha voly
Mialohafa raha haraka
Mitapia andro raha ankona
Fa ny tsihy no fola- mandefitra
Hain- teny nangonin´ny Ntaolo
10. benasy
(
15/04/2009 10:41)
Tena sambany aho nahita ny TENA MALAGASY raha resaka tanindrazana no resahina ! Sambany, sambany, sambany ! Tohizo lehiretsy a! hay tsy very momoka akory ny tena Malagasy fa ao ihany !
Tsy ahasoa antsika ny ady an-trano, tsy mety amintsika ny hamotika ny mpara-belona amintsika @ fanompoana ilay andriamanitrakelintsika ; mainka tsy mety amintsika ny hiantso VAZAHA handamina satria kely fisainana ve isika ?
TSIA - Aleo ho avy ny fifidianna....? Asehontsika mpifidy fa isika no manapaka !
Raha hanafatra ihany; tsy aleo ve mpanara-maso ny fifidianana ???