Efa TENA TSY RARINY intsony...

1. Randria2009 ( 18/03/2009 22:36)
Mbola azo antsoina hoe olombelona ve ny mahavanona izao habibiana tsy rtoa aman-tany izao?

GAZETIKO
Anio, 18-03-2009 l Laharana : 3316


vaovao misongadina 19-03-09
Manameloka ny Fjkm omaly teny Andrainarivo

Nasaina nisotro ny fivalanan-dranony ny pasitera Rasendrahasina Lala


Miantso ny kristiana rehetra ho tony ny Fiangonana Fjkm, ary niantso ny Malagasy handala ny fihavanana, ny fanajana ny “Aina” sy ny “Raiamandreny” ary ny zon’olombelona.

“Novonoina ny Pasitera Rasendrahasina Lala. Nasaina nivalan-drano izy ary avy eo nasaina nosotroiny izany. Izany no notantarain’ny Pasitera Rasendrahasina tamiko. Indroa nihaona izahay androany. Mitaraina izy fa marary azy ny ilany havia rehetra”. Toy izany ny fitantaran’ny Mpitandrina Razafindrakoto Hasinarivo ny nanjo ny Filohan’ny FJKM, ny mpitandrina Rasendrahasina Lala nandritra ny nitazonana azy taorian’ny nisamborana azy teny Antanimena ny talata lasa teo. Nitafa tamin’ny mpanao gazety mantsy ny Birao Foibe FJKM taorian’ny fanompoam-pivavahana natao teny amin’ny FJKM Andrainarivo.
Raiamandreny
“Manamafy ny maha-Raiamandreny ny mpitandrina Rasendrahasina Lala, ny Fiangonana Fjkm. Melohiny ny herisetra amin’ny endriny rehetra ataon’olon-tsotra, na ataon’ny miaramila. Miantso ny fiangonana rahavavy eo anivon’ny FFKM mba hihevitra sy handray andraikitra manoloana izao zava-tsarotra nanjo ny iray tamin’ny Filoham-piangonana izao izy. Niharan’ny herisetra ny tenany nanomboka tamin’ny nisamborana azy teny Antanimena sy nandritra ny fotoana nitazonana azy”, hoy ny fanambarana novakian’ny Sekretera Jeneralin’ny FJKM, Atoa Marinasy mpitandrina, tamin’ny mpanao gazety. Fanambarana izay efa novakiana nandritra ny fotoam-pivavahana omaly ary haparitaka any amin’ny FJKM rehetra.
Zon'olombelona
Feno hipoka ny Fiangonana Fjkm Andrainarivo. “Miantso ny kristiana rehetra ho tony ny Fiangonana Fjkm, ary niantso ny Malagasy handala ny fihavanana, ny fanajana ny “Aina’ sy ny “Raiamandreny” ary ny zon’olombelona” ireo mpikambana ao amin’ny Birao Foiben’ny FJKM notarihin’ny Mpitandrina Ramambason Laurent, Filoha mpanamy. Naneho firaisankina ho an’ny mpitandrina Rasendrahasina Lala ny kristiana Fjkm izay tonga maro tokoa teny amin’ny FJKM Andrainarivo. Nitarika izany ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana, ny mpitandrina Radimisaon Jonah. Nitory teny ny Filoha Lefitra ny mpitandrina Ramambason Laurent; ary namaky ny fanambarana avy amin’ny FJKM ny Sekretera Jeneralin’ny fiangonana ny mpitandrina Marinasy. Tonga marobe ireo vahoaka kristiana avy ao amin’ny Fjkm. Fitondrana am-bavaka manokana ho an’ny Filohan’ny Fjkm, ny mpitandrina Rasendrahasina Lala no natao tamin’izany, izay marihina fa efa navoaka. Fantatra nandritra izany fa efa nisy antso sy taratasy fampaherezana avy amin’ny kristiana any ivelany voarain’ny FJKM noho izao tranga izao.
H.R.

eFA TSY IZY INTSONY........
répondu par laimiday le 04/08/2012 07:17
2. xxx ( 18/03/2009 22:38)
efa mifamphinanemaniny eto e
3. fijo ( 18/03/2009 22:40)
misaotra odon an;merci e
4. vale ( 18/03/2009 23:51)
tsy rariny mihintsy aloha izany e!!! efa tena biby mintsy ny sasany, mampalaelo
5. saranga ( 19/03/2009 05:22)
Efa asehon'Andriamanitra sahady zany ny faharasian'ny TGV sy Ratsiahonana. Mitaona antsika hanamafy orina ny fitokonana faobe (grève générale) hanoherana ny fitondran'ny TGV
6. cocorie ( 19/03/2009 07:24)
Andriamanitra no hiady fa isika hangina e!
7. majakely ( 19/03/2009 07:58)
taibe zany !!!!
8. xxx ( 19/03/2009 08:37)
zao lay zavatra tsy mety é, sahala @lé tsy nety t@ 07-02 koa izao zavtra misy zao.

HELOHINA DOLY REFA SAMY NANAO NY TSY RARINY. NA NY NAMONO, NA NY NAMPISOTRO AMANY
9. andrywui ( 19/03/2009 13:14)
tena nihinana ny tsy fihinana zany Rasendra klé ! ko hita fa efa soavaly maty zao mo ko mbol notaingenana ihany !!


:snif: :snif: :snif: :miam: :miam: :snif: :snif:
10. pikatti ( 20/03/2009 00:43)
elah koa ry andrywui mbola ampianan-dry zalahy fa fa mijapy dj pelaka :snif: :snif: :snif: :miam: :miam: :snif: :snif:
11. laimiday ( 04/08/2012 07:17)
Aiza hoaiza ny firenentsika main'izao fotoana izao ?
12. laimiday ( 04/08/2012 07:17)
Aiza hoaiza ny firenentsika main'izao fotoana izao ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3383