Eritreritra sendra nandalo maromaro iany...

1. ari.malala ( 17/03/2009 07:38)
Miarahaba,

Tsy any @ politika no nandefasako ity satria eritreritra nandalo iany moa ny ahy.

Angaha moa ny sivily tsy tokony hanana fahazoan-dalana vao afaka mitana fitaovam-piadiana? Ary raha ny fahalalako iany koa dia toa misy karazany iany ny azon'izy ireo tazomina (ilay karazany aloha tsy haiko hoe inona avy fa tsy mahay resaka arme mintsy aho an! fa eritreritra sendra nandalo ny ahy hoa) Ny tiako iaviana dia izao e, ireo basy lazaina fa very t@ fifanjevoana, ahoana no fomba ahitana azy ireny sy hi récupérer na azy ireny faingana? (azafady fa tsy haiko mintsy ny dikan'ny récupérer @ teny malagasy). Misy sivily hono asaina mitàna basy dia asaina miambina, dia ahoana moa izany, efa nahazo fiofanana ve izy ireny sa dia mitànatàna basy amizao fotsiny? koa raha inty ka izy mikitikitika iny no mipoaka eny aminy eny iny zavatra iny na sendra mahatifitra olona "tsinahy" dia iza no tompon'andraikitra? sa iza no gadraina?

T@ ireny fifanenjehana mavaivay teto Antananarivo ireny dia nirefodrefotra ny mananasy mandatsadranomaso sy mankarenintsofina :°) nolazain'ny gazety nefa fa toa hoe mitarika tsy fahasalamana hoe ny fofony, dia iza moa izany izao no mandray andraikitra @ ireo izay tratry ny fahavoazana t@ ireny, indrindra ny zaza madinika sy ny beantitra raha nisy izany satria izy ireo hono no tena tsy mahazaka izany voalohany?
répondu par ari.malala le 26/03/2009 05:15
2. RATOVOARY ( 17/03/2009 08:20)
azafady fa tsy haiko mintsy ny dikan'ny récupérer @ teny malagasy
= mamerina, hamerenana ( mba eritreritra nandalo koa iny :lol:
Angaha moa ny sivily tsy tokony hanana fahazoan-dalana vao afaka mitana fitaovam-piadiana? Ary raha ny fahalalako iany koa dia toa misy karazany iany ny azon'izy ireo tazomina (ilay karazany aloha tsy haiko hoe inona avy fa tsy mahay resaka arme mintsy aho an! fa eritreritra sendra nandalo ny ahy hoa) Ny tiako iaviana dia izao e, ireo basy lazaina fa very t@ fifanjevoana, ahoana no fomba ahitana azy ireny sy hi récupérer na azy ireny faingana? (azafady fa tsy haiko mintsy ny dikan'ny récupérer @ teny malagasy). Misy sivily hono asaina mitàna basy dia asaina miambina, dia ahoana moa izany, efa nahazo fiofanana ve izy ireny sa dia mitànatàna basy amizao fotsiny? koa raha inty ka izy mikitikitika iny no mipoaka eny aminy eny iny zavatra iny na sendra mahatifitra olona "tsinahy" dia iza no tompon'andraikitra? sa iza no gadraina?

Tena marina fa voafetra ny azon'ny sivily hampiasaina ary voafetra koa ny fomba hampiasana azy. Andoavan-ketra koa aza ireny ( ilay azo ampiasaian aloha de tsy dia haiko loatra koa e!)
3. ari.malala ( 17/03/2009 10:04)
Ratovoary, :lol: enao an :-D sotsa betsaka nampatsiay :-P
4. mimioa ( 17/03/2009 10:49)
ka eo indrindra no olana satria civil tsy nandalo fiofanana no asaina mitazona basy : de manjary ny vahoaka tsy mana-tsiny no miferin'aina am le izy !!
5. Samoana ( 17/03/2009 15:07)
Hoy ari.malala: "T@ ireny fifanenjehana mavaivay teto Antananarivo ireny dia nirefodrefotra ny mananasy mandatsadranomaso sy mankarenintsofina nolazain'ny gazety nefa fa toa hoe mitarika tsy fahasalamana hoe ny fofony, dia iza moa izany izao no mandray andraikitra @ ireo izay tratry ny fahavoazana t@ ireny, indrindra ny zaza madinika sy ny beantitra raha nisy izany satria izy ireo hono no tena tsy mahazaka izany voalohany?"

Afaka andro na volana na taona maro any voa misy fiantraikany amin'ny toe-pahasalamana ireny mananasy ireny. Tsy maintsy mivoaka an-gazety na filazana amin'ny radio raha misy fandraisana anjara ambany fiandreketan'ny ministera mikasika izany. Aleo anefa tsy miandry an'i paoly fa aleo tonga dia manatona dokotera ORL raha misy ahiana momba ny fahasalamana (lasa marenindrenina, lalodalovana na kitaitaimbombona tsy toy ny mahazatra ohatra :wink: )
6. ikaretsaka ( 17/03/2009 16:04)
Raha ny tena marima sy ny tokony ho izy aloha dia tena misy lalana tokoa ny fananan'ny sivily basy (sy fitaovam-piadiana maro) ...nefa na dia izany aza, na any @ tany tena azo lazaina hoe fatra-panaja lalana aza dia tsy maintsy misy ihany mibrioka tsary manara dalana.

Ny hitako maha samihafa azy fotsiny dia ny any @ tany sasany mihatra mafy kokoa ilay lalana rehefa misy tratra
Fa ny any amintsika ohatran'ny tratra de misehoseho gazaty de manao sous marins de goragora izany
7. Mirananirina ( 18/03/2009 14:18)
ka eo indrindra no olana satria civil tsy nandalo fiofanana no asaina mitazona basy : de manjary ny vahoaka tsy mana-tsiny no miferin'aina am le izy !!

ekena mihitsy izany.
Inona moa no tsy vita ao madagasikara ao e,rehefa manambola ianao dia anananao zay tianao.Na dia voarara aza.
8. ari.malala ( 19/03/2009 07:02)
mampalahelo!
9. Koditra ( 21/03/2009 12:38)
Afaka manao fangatahana ny sivily tsi1.1 raha te-hitazona basy, raha tsy diso aho dia any @ biraon\'ny Faritany Antananarivo no manao fangatahana (ny eto Tàna fa tsy haiko ny any @ faritany hafa). Tsy izay rehetra mangataka anefa dia mahazo aby fa betsaka ny fepetra takiana : olona tsy mbola nigadra na voasazy (bulletin n° 3); ny karazana basy angatahinao (PA, basimborona ...); ny tena zava-dehibe sy hanamora ny fahazahoanao azy dia ny antony ilànao ny fampiasàna azy, entinao mihaza ve (basimborona) sa fiarovan-tena (ohatra oe saofera fiara mpitondra volan\'ny banky, na mpividy omby any Tsiroanomandidy enao nefa mitondra volabe mandende ...) izany oe tsy maintsy manome antony matotra be enao, raha tsy diso koa aho dia mbola misy karazana ankety kely ataon-drizareo ny @ momba anao, izany oe tsy mivaly vetivety ny \"autorisation de port d\'arme\".
Marina tokoa fa andoavana hetra izy io ary azo havaozina isan-taona ny fahafahana mitondra azy.
Raha misy adinoko dia tohizako @manaraka.
10. fahamarinana ( 21/03/2009 14:27)
:arrow: koditra : ngaha ianao zanaka miaramila kay ! :) (l)
11. Koditra ( 21/03/2009 14:46)
Fahama : Resaka sivily òtranà io resahatsika io ka! Betsaka ary ny zanaka miaramila tsy mafantatra an'io akory satri ny miaramila sy ny zandrary ary ny pòlisy tsy mila autorisation.

Raha misy olona tratran'ny mpitandron'ny filaminana mitondra basy tsy manana "autorisation" zany dia azo sokajiana avy hatrany ho toy ny jiolahy.

12. ikaretsaka ( 21/03/2009 16:36)
Any amintsika tokoa tsisy an le manala exam vao mahazo permis e?
Any @ states sasany any bekintana manko ilay manala exam hoe mahay manala ny bala.mandio.nanao entretiens .ary indrindra mametaka ilay surete vao mahaso alalana na basimborona aza
13. Koditra ( 21/03/2009 22:01)
Ika : ry zalah eto amintsika tsy mijery anzay ka, ny tena mahamailo azy dia ny oe sao dé entina androbàna sy hanaovana asa maloto lé izy, enaran'lé olona manokana io fikojakojana io. Raha tsy diso koa aho dia misy karazana basy tsy ilàna "autorisation", izany oe karazana basimborona ihany izy io fa tsy tadidiko ilay karazany. Zà zao manana basy tsy andoavan-ketra, tsy mahafaty lé izy fa mipoaka kely fotsiny dé mamoaka entona mahatorana, indrindra indrindra lé refa mitsifotra iny fotsiny lé izy, defa kôpy elah eh! :-D :-D
14. fafa75 ( 22/03/2009 06:38)
:-D :-D :-D
15. Koditra ( 22/03/2009 20:53)
fafa75 : tifiriko @ basiko eo enao fa ataôvy tsara an! :lol:
16. ari.malala ( 23/03/2009 07:01)
koditra, ampirimo tsara any iany ny basinao fa tsis ilàn'ny eto am serasera azy kle :-P :-D
17. RATOVOARY ( 24/03/2009 07:02)
Zà zao manana basy tsy andoavan-ketra, tsy mahafaty lé izy fa mipoaka kely fotsiny dé mamoaka entona mahatorana, indrindra indrindra lé refa mitsifotra iny fotsiny lé izy, defa kôpy elah eh!

De elah ve aloha lava basy sa .... :lol:
Tonga de koditra ny sipa raha vao mahita an'io basin'lah io. Ampirimo haingana marina dieny izao. :-D :-D :-D :-D
18. ari.malala ( 24/03/2009 08:16)
Ratovoary, inona koa zao no ilaivanao ny halava na ny hafohin'ny basin'i koditra? :-D :-D :-D :-D
19. RATOVOARY ( 24/03/2009 08:26)
Ari> :-D :-D :-D ka lery milaza fa manana basy tsy mahafaty e! ary zah sûr fa ny vhv no tena mora tifirina am'zany basin'lery zany. =)) =)) =))
20. Koditra ( 25/03/2009 19:19)
koditra:
...Zà zao manana basy tsy andoavan-ketra, tsy mahafaty lé izy fa mipoaka kely fotsiny dé mamoaka entona mahatorana, indrindra indrindra lé refa mitsifotra iny fotsiny lé izy, defa kôpy elah eh!

Ari - RATOVOARY : diso fandray kely fotsiny nareo mitsam fa lé basy vokatry ny tsaramaso hohanina io noresahako mamoaka entona mahatorana sy tsy andoavan-ketra io. :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1901