MANAHY NY AIN'NY FILOHA ROA LAHY AHO!

1. a256011 ( 12/03/2009 13:52)
Mampanahy be ahy ihany ny ain'izy roalahy. Ny antony dia efa maro loatra ny olona maty, vokatr'izao korontana izao.
Angamba tsy hiadiana hevitra hoe iza no niavian'izao korontana izao. Samy manana ny heviny.
Ny andaniny izay milaza fa noho ny FILOHA RAVALOMANANA no nahatonga izao (Ny fiziriziriny @ heviny sns...), nampiana ny hoe efa namono olona.
Ny ankilany indray milaza fa ny FILOHA NY TETEZAMITA ANDRY RAJOELINA no nahatonga izao, noho ny ambopo diso-toerana dia niziriziry t@ heviny izy, ary izy koa no nitarika ny olona mba ho vonoin-dRavalomanana.

MARO LOATRA NY OLONA MATY !

Ny nanana ny maty dia samy manana ny heviny avokoa. Ny tena loza @ izao zava-mitranga izao dia samy miketrika valifaty goavana avokoa izy ireny, ary samy manana ny moyen ahafahana manatanteraka izany.

Ny manana ny maty izay momba an'i TGV dia nahazo ny miaramila CAPSAT, ny manana ny maty momba an-dRavalo indray dia manana ny EMONAT (POLISY SY ZANDARIMA) indrindra moa fa nisy ny polisy niharan'ny fitsaram-bahoaka(...)
Ho an'ny miaramilan'ny CAPSAT dia efa nasehony miharihary ny fironana ho amin'izany.
Ho an'ny ankilany kosa dia mety tsy hiseho mivantana @ izany fivononana ny hamaly faty izany, fa mety hiseho @ vanim-potoana tsy ampoizina. Satria somary tsy nampoizin'izy ireo loatra ny fikomian'ny miaramila tampoka iny.
Sanatria tsy mankasitraka izany aho tsy akory, fa ny fandinihako izao zavatra izao dia ohatra ny mirona ny @'izany.
Enga anie ka ho diso ny fijeriko. Ho entin-tsika ho aiza ity FIRENENA ITY?
Moa ve manana ny marina tsy misy kianina RAVALOMANANA ? Moa ve tsy azo lazaina ho tsy namono olona i ANDRY TGV ?
ENY sy TSIA ny valiny satria samy manana ny fijeriny izany ny tsirairay. Ny marina anio mety ho diso rahampitso, ny fahafatesan'ny sasany mety ho fiveloman'ny sasany (ny fahorian'ny sasany ho lasa fifalian'ny sasany), ny fananan-karenan'ny sasany mety hitarika fahantran'ny sasany, ny fanirian'ny sasany mety ho loza ho an'ny sasany...


AIZA HO AIZA ILAY FIHAVANANA MALAGASY?

ENGA ANIE KA HO DISO AHO, KA HOELA VELONA IZY ROALAHY, ary ahita tsara ny zava-bitan'izy ireo mandritra izany fiainany izany, ary samy hitsara ny tenany amin'izay nataony avy, fa tsy ho an'izay nataon'ny HAFA IHANY. DIA HO ELA VELONA KOA ISIKA MIANAKAVY @ FIATREHANA NY KRIZY AORIAN'IZAO TOLONA IZAO. Dia samy tsara aby!



répondu par fijo le 12/03/2009 22:06
2. njara2007 ( 12/03/2009 14:48)
Marina ary ekeko ny fihevitrao ry zokibe a... Fa izaho kosa dia miantso ny mpomba ny andaniny sy ny ankilany mba tsy hifampihantsy intsony mba tsy hisian'ny ady an-trano eto Madagasikara intsony. Aoka isika mba hifampandefitra hatrany; hikatsaka ny soa iombonan'ny firenena fa tsy ny an'ny olon-tokana. Amiko ary araka ny fiheverako dia tokony hotanterahina ny fihaonam-be mba hampilamina tanteraka ity firenena malalantsika ity..... Mr RAVALOMANANA; Mr RAJOELINA Andry: samy manana ny fahadisoanareo ianareo saingy hoy ny soratra masina: "Aza mitsara mba tsy ho tsaraina" koa miangavy an-tanandroa; an-tanantelo; antanankefatra;... anareo miralahy ny tenako mba hifandray tanana. Ho ela velona anie Madagasikara tsy misy ady an-trano
3. zandikely ( 12/03/2009 15:12)
ZAREO ROALAHY MIHITSY NO MPAMONO OLONA SY MANAKORONTANA NY TANY SY NY FANJAKANA IZAO
TSY MBOLA NIAINA TAHAKA IZAO NY MALAGASY HATRAMIN'IZAY
4. andrywui ( 12/03/2009 15:33)
kay ve ny Tim gentil be tahakizany iany e!! de maninnn no ref zao vao milaza anzany ?? tsy tara loatra ve ?
5. yvonKEL ( 12/03/2009 15:49)
Andrywui
Tsy fotoanan'izany tsony zao fa fitadiavana vahaolana @ tsy hisian'ny ady an-trano eto .sanatriavo enga anie tsy ho tonga @ izay fa tena zava-doza anie izany rankizy Andrywui eee
6. andrywui ( 12/03/2009 15:55)
Ka nahatsapa anzany iany ny Tim maninnnno izao vao latsapanenenana e!! maninnn rah hatramzay no efa niresaka nfanakalo hevitra ! tsy be taimbava ts nanambany olona tsy mitovy hevitra !
7. Oay ( 12/03/2009 18:25)
Ny vahaolana:
_ravana daholo ny andrympanjakana misy amin'izao fotoana izao.
_ny fitondrampanjakana d apetraka eo @ ireo Ray amandreny ampanahy (FFKM io an!)
_Raisina ho adidy ny fiarovana ny aina sy ny fananan'ny andaniny sy ny ankilany io no asan'ny miaramila.
_miroso @ fihaonambempirenena mba hirosoana @ repoblika vaovao.
8. fijo ( 12/03/2009 22:06)
misy tsy misain amihintsy fa di any hoany fa hoany ihany.izay n omanimba io firenena io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1599