Ny ao amin'ny D. Politika
1. soanja
(
12/03/2009 04:32)
Mba eritreritra nandalo tokoa ny ahy ity dia zaraiko aminareo. Kiano/tohano aho fa vonona hiaino ny feonareo.
Tiako i Madagasikara ary tena faniriako ny hananany filaminana sy fivoarana ary firoboroboana amin'ny lafiny rehetra. Nefa indrisy fa tsy sahy mandalo ao amin'ny Dinika Politika intsony ny tenako mba hialana amin'ilay sendotra lava sy ny alahelo tsy hay tohaina amin'ny lafiny isan-karazany io na hevitra na vaovao misy ao sns... Nefa anie efa ampiasaina daholo ny teknika isan-karazany tsy hanjakan'ny tebiteby sy ny troatra anaty tsy voafehy. Mahatsapa aho fa fanina izany rehefa mieritreritra ny vaovao avy amin' ilay tanindrazako, ireo olona be dia be tsy tambo isaina ao anatiny miaritra fijaliana sy fiafiana ary horohoro. Ireo Gasy be dia be maneran-tany maharary, ontsa, kivy, miady mafy! Inona no ataoko? Inona no hiafarany? Hanohana an'iza ary hanao inona rehefa avy eo? Naleoko tsy manokatra akory ilay pejy mihitsy aloha. Tahotra ary ve no mianjady amiko sa fitiavan-tena mitady hisisika? Marihako aloha fa mamaky vaovao tsy tapaka amin'ny gazety, google alerte, ny blaogy ary mahazo vaovao amin'ny mpanao gazety tokoa aho fa ity Dinika iray ity no tena ahitako ny fahalemeko. Anareo indray ary! Namaste!

répondu par xxx le 18/03/2009 14:50
2. soanja
(
12/03/2009 04:34)
Diso Pejy koa izy izany. Tena efa fanina marina. :-D :-D naika tany amin'ny Eritreritra mandalo no nanaovako azy. Azafady ry Malagasy tia kolontsaina, zava mandalo ny ahy iny.
4. tywa68
(
12/03/2009 16:31)
Slt Soanja : normal zany e ! zah koa d aleoko mijery lavitra fa tsy miditra mihitsy fa tsssssss mankarary saina fotsiny rhf tsy hiainana d lasa tsss maha-be resaka nefa tsy misy azo atolotra hanamaivana ny any Mcar akory ! :cry:
Ary tsy ao @ Politika ihany io an ! :wink:
Fa misaotra anareo namana mazoto, ary mahay mandahatra (mba manary dia e) :°) sa tsy zany ry Ikaretsaka sy Fijo ?
Ary tsy ao @ Politika ihany io an ! :wink:
Fa misaotra anareo namana mazoto, ary mahay mandahatra (mba manary dia e) :°) sa tsy zany ry Ikaretsaka sy Fijo ?
5. ikaretsaka
(
12/03/2009 17:28)
tywa: efa hoe shhhh fa mijery alavitra fotriny sika...
za efa ela no OLP (olona leo politika)
za efa ela no OLP (olona leo politika)
6. ni81
(
12/03/2009 17:36)
za efa ela no OLP (olona leo politika):-D :-D mandreraka sady mankaleo ilay izy ka! Izany hoe taolana ny nify ka dia mihomehy...
7. sitlo
(
12/03/2009 17:52)
Ilay izy aloha mampalahelo. Tena ekena izany.
Fa raha ny D. Politika eto amin'ny serasera indray dia misy ny misaina, ary misy ny miala voly. Mahaiza fotsiny maneho ny hevitrao (amin'ny fomba fohy) dia tafita ny hevitra dia izay.
PS: raha tia hikotrana dia mandehana mandrangitra sinoa ao amin'ny youtube. Ho hitanao eo fa zazabodo ireto :-D sy =)) sy ny sisa ireto raha eo amin'ny lafiny mamono resaka. Mety ho i hery koa angaha no mahay mi-jongle tsara.

8. ari.malala
(
13/03/2009 07:05)
Ny tena manafintohina ao @ dinika politika ao de ny olona sasany tsyhaiko na ts mahafehy ny fihetseham-pony na efa izay no fiainany, fa d teny ratsy zao! hitam-poko hitam-pirenena! mody ovaina ny fanoratra azy na ts soratana hatr@ farany fa fantatrao iany hoe teny ratsy no tiany tenenina sy soratana eo! mahate hiteny mitnsy hoe ra za no manana andraikitra mamafa an'itony efa ela itony no voafafa :-P
9. ni81
(
13/03/2009 07:13)
:-D :-D
Ny mpiandraikitra efa sahirana fa tato ho ato tena tssssssss! Omaly zao nisy maro tao dia voafafa, dia izao indray dia vao nisy nametraka lien sahady.
:twisted:
Ny tena manafintohina ao @ dinika politika ao de ny olona sasany tsyhaiko na ts mahafehy ny fihetseham-pony na efa izay no fiainany, fa d teny ratsy zao! hitam-poko hitam-pirenena! mody ovaina ny fanoratra azy na ts soratana hatr@ farany fa fantatrao iany hoe teny ratsy no tiany tenenina sy soratana eo! mahate hiteny mitnsy hoe ra za no manana andraikitra mamafa an'itony efa ela itony no voafafaka ny eo voafafa ny teny ratsy sy ny sary ratsy ange ry ari fa tsy vizana mihitsy ireo mpandefa azy eto e!
Ny mpiandraikitra efa sahirana fa tato ho ato tena tssssssss! Omaly zao nisy maro tao dia voafafa, dia izao indray dia vao nisy nametraka lien sahady.
:twisted:
10. ari.malala
(
13/03/2009 07:18)
ni81 ka ts le dinika iany no fafàko ra zany fa hatr@ le mandefa ko :-P
11. ni81
(
13/03/2009 07:24)
ni81 ka ts le dinika iany no fafàko ra zany fa hatr@ le mandefa koMarina mihitsy fa saingy izao! Voafafa ny ps-ny teo aloha dia mamorona ps vaovao indray izy rehefa avy eo. Firifiry moa ireo olona mpiteny ratsy sy nanompa ny mpiandraikitra teto aza no voafafa ny ps-ny? Fa avy eo izy namorona ps vaovao dia mbola eo.
12. RATOVOARY
(
13/03/2009 08:07)
Zaho de isan'ny mpamaky ny D. Politika, fa tsy mpandray anjara ao noho izy tsy voafehiko de aleoko mamaky de mivanitika refaveo, misy mahafinaritra ahy ny fomba famalin'ny sasany ao fa tsotra sy mendrika fa ny ankabetsahany kosa de misy somary mandreraka kely ihany, tsy ataoko hanafintohina ahy anefa zany na dia eo aza ny fanevatevana sy famingavingàna indrindra fa faompàna ( na mivantana na ankolaka ) ataon'ny sasany. Ilaina ihany ny famakiana azy io na dia misy mamafy lainga aza, mba ahafahanao manamafy izay sombim-baovao hafa voaray sy hitanao any ankafa any. Itsikio fotsiny ihany dia ihomehezo fa aza maka aretim-po aminy akory. (l) (l)
13. Samoana
(
13/03/2009 09:03)
Mifangaro amin'ny an-dRatovoary sy Sitlo ny hevitro sy ny fanaoko. Miezaka misedra izay ambaran'ny rehetra aho na misy maharary sy tsy mendrika aza ny fomba fanehoan-kevitry ny namana sasany. Fianarana avokoa izany entina mampitaha ny fivoatry ny fahendrena malagasy fahagola sy ankehitriny.
Isika malagasy moa vitsy no tena hoe nianatra sciences politiques izany. Izay no mahatonga ny fisavorovoroana satria tsy mahay mandahatra hevitra fa famelezana tsangan'olona no tena imasoana sy mahafinaritra ny saintsika.
Ambadik'izay koa anefa aza adino fa misy ny efa tena matihanina amporisihan'ny antoko misy azy hanakorontana tsotra izao. Fianarana ho antsika daholo izany fa tsiky dia ampy e :wink:

15. Mirananirina
(
13/03/2009 12:47)
Indraindray mahakamo na ny mijery ny ao ary,fa misy ol 1, manome lohateny 10,ao anatiny 1 andro,nefa misy itovizany ihany ny zavatra ambarany,hany ka tsy hita voavaky sy valiana intsony indraindray.
16. ari.malala
(
13/03/2009 13:26)
Eny e, atao iany ny tsy ho sorena fa misy fotoana tena ianao mba liana @ zavatra 1 teniratsy no ao, misy manao copier coller mandreraka b! izay izao no tshaiko fa teo aloha teo za ts niditra tsony fa leo b!
17. ari.malala
(
13/03/2009 13:36)
Eny e, atao iany ny tsy ho sorena fa misy fotoana tena ianao mba liana @ zavatra 1 teniratsy no ao, misy manao copier coller mandreraka b! izay izao no tshaiko fa teo aloha teo za ts niditra tsony fa leo b!
18. soanja
(
13/03/2009 14:44)
Ireo voalazanareo roavavy eo ambony ireo no mahatonga ahy nitsahatra tsy hijery ao satria toa manome fanafitohinana ny tenako ihany aho raha mankao, zany hoe mametaveta ny saiko sy ny fanahiko satria safidiko ny hiditra hamaky ao nefa ny ao resaka miverimberina tsy misy tanjona mazava hanatsara zavatra, ny ompa tsy voatanisa intsony tao, ny fanabatibatiana olona, ny copy paste, ny resaka/hevitra tsy misy fototra/porofo mazava na tena famafazana lainga mihitsy aza. Hitako ao koa ny falemen'ilay fireneko amin'ny lafiny rehetra, hany ka aleoko aza mifikitra amin'izay mbola tsara iainako sy mahametimety ny momba ahy manokana, izay anefa no hitako faraidina raha ny safidiko no atrehako.
Ny hany tahotro dia ny hoe hampihena ny fitiavako hanompo ny fireneko, ny tanindrazako ve ny fahalalako fa tsy hisy zava-banona ao anatiny mandritra ny fotoana tsy voasaina akory aloha hatramin''izao?
Enga anie aza hitako aza mahita ahy fa namany manota aho raha izay no misy!
Misaotra anareo nanome ny heviratreo tsy nihambahamba! :-* :-* :-*

19. xxx
(
18/03/2009 14:50)
Ny fiheverako azy dia tena taratry ny zava-misy any M/car ny miseho ao @ D. Politika : finfandrangitana sy fifankahalàna no novolena ao an-tsaina sy ao am-pon'ny malagasy
Mahafantatra olona maromaro mpiray fiangonana, mpiara-miasa ,mpifanolo-bodirindrina eny fa na tokatrano aho @ izao fotoana izao fa dia tsy afaka ny hiresaka intsony indrisy
Marary fo toa anao koa aho rehefa mandalo ao ary mametra-panontaniana foana hoe izaho ve no susceptible sa ahoana ? Tsia fa ilay respect mihintsy no efa very .