MIALA SAKANA - ADOLAN-TSENTO

1. benasy ( 10/03/2009 09:30)
Mba hisorohana ny tsy fetezan-javatra kely, mety hanohintohina ny fihevitry ny hafa anefa ; dia heveriko ho adidy ny manamarika etoana : fa toa tsy mety loatra ny fampiasana ilay hoe : « adolantsento » hilazàna ny ambaratongan-taonan’ireo vanto-jaza ho amin’ny fahatanorana ! Ho raki-bolana malagasy.

Metimety kokoa angamba ny filazana amin’ny teny Malagasy madio ranoray ( àry efa fiteny rahateo hatry ny fahagolan-tany tany ) manondro hoe : « miala sakana ».

Ity adolantsento ity mantsy toa manana fandeferana be loatra amin’ny teny frantsay hoe : « adolescent »…….Hamono antoka antsika ve ny fampiasàna ny teny : miala sakana ???

Tsatokazo mpanondro eo an-tsampanan-dàlana ity, tsy mihazona anao tsy handroso ; fa mihazona kely anao hieritreritra….. !
répondu par benasy le 14/03/2009 08:01
2. soanja ( 10/03/2009 10:19)
benasy:

Miombon-kevitra aminao tokoa aho. Ny Miala Sakana dia mahafehy tsara ny filazana io ambarantongan-taona io sady io no ahafantaran'ny mpiteny Malagasy ofisialy azy, ka raha nanova ry zareo dia asa inona tokoa ny antony? Mba azonao hazavaina ve raha fantatrao? Misaotra nitondra ilay reseka etoana.

3. ontsy ( 10/03/2009 11:16)
tsara ny miaina ny tenin'ny akademia (izay nogasiana tamin'ny teny frantsay hoe ACADEMIE) milaza fa : andrianiko ny teniko, fa mbola notohizany ilay izy hoe : fa ny an'ny hafa koa feheziko.
Ny tiako ambara dia izao, izaho koa dia anisan'ny olona mba sarotiny amin'ity fandikana teny frantsay ho malagasy ity toy ny hoe latabatra, kalitao, ary izao dia ito iadiantsika hevitra ito.
Tsara ilay voambolana hoe miala sakana kanefa isika malagasy koa anie hafahafa izay ihany e ! tsy azony ilay izy dia tsy lazainy mitsy.
fa ilay adolantsent kosa, toa mitady hifanaraka ihany satria eo anie dia tsy ny saina no mitondra e ! olon'ny fo satria dia mandeha anjambany hatrany. Ny sento no mitarika, ny sento no mampidola ka lasa adolan'ny sento ry mpiala sakana.
a+
4. fahamarinana ( 10/03/2009 11:49)
:arrow: benasy : tsy dia haiko loatra ilay antony nanovana azy fa ny tiako tsindrina fontsiny hoe hampiova ny lanjany ve ny fanovana anarana na inona io :tsy ampahamora io ambaratonga taona io na hanamafy azy ihany koa.Asa anefa !(l)
5. ikaretsaka ( 10/03/2009 21:55)
sao koa le miala sakana tokony hiala fa avy @ teny arabo hoe "al shakoon"?
dia amin'io rehefa le fotoana tokony hanirian'ny volo..de toa haratana mihitsy mba hahatonga an-dry zalahy voloina...
6. fahamarinana ( 11/03/2009 04:22)
:arrow: ika : kay moa zany izy io ! (l)
7. benasy ( 12/03/2009 06:11)
Eny e! Na arabo, na afrikana, na aziatika..............Tsy asintsika ady hevitra be !
Fa rehefa teny Malagasy izy, dia izay no tiako hasongadina.
Satria, raha izany no zohina dia tokony tsy hisy ny teny frantsay sy ny teny japoney fa teny grika+romana sy teny sinoa no tokony ahazo vahana any amindry zareo!

Sao mbola asan'ny fanjanahan-tsaina indray izy ity e ?

Asa anefa ! fa hitako hoe tsy mety aloha e ! Tena tsy mety ilay hoe "adolan-tsento"..........!
8. ikaretsaka ( 12/03/2009 15:56)
dia tokony hoe ny "akademia" ange iznay aloha no tokony hitadiavana teny hafa e...

ammiko le izy rehefa nogasiana na teny inona na teny inona ka lasa fiteny andavanandro sy ampiasain'ny olona sy izay no mora ahazoany azy dia aleo izay...
aleoko lavitra mihaino hoe iny ny "tom'bil an'ny pompier" toy izay hoe iny ny "fiarakodiandrizareompamonjotranomaysyolonamatianadrano"!
9. benasy ( 14/03/2009 08:01)
=)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
Ka eo indrindra ange ilay olana e !!! =)) =)) =)) =))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1213