Na inona ataon'la RESY ialahy!!!

1. ronaldo09 ( 09/03/2009 06:26)
Hatramin’ny omaly maraina tamin’ny 8 ora no tsy nety nandray baiko avy amin’ny lehibeny intsony ireo manamboninahitra lefitra eo anivon’ny Capsat Soanierana.
Maro ny antony nanaovan’izy ireo izany. Isan’izany ny tsy fankasitrahan’izy ireo ny fihetsika ataon’ny «Emmo/Nat» sy ny « garde présidentielle» amin’izao fotoana izao izay voalazan’izy ireo fa « tsy fampandrian-tany no ataon’izy ireo fa fampihorohoroana». Nisy ny fanakanana izay fiara na olona namofompofona ireo voalaza ery ambony ireo, teny Ankadimbahoaka omaly. Raha ny hita teny an-toerana dia Nissan 4x4 miisa 2 izay nentin’ny mpiambina ny Filoha no tratran’izy ireo. Nisy miaramila fito avy amin’ity mpiambina ity ihany koa tratran’izy ireo ary nisy efatra hafa no navotsotr’izy ireo avy eo. Tany Tsimbazaza ihany koa dia nisy kamiao niaraka amin’ny olona tao anatiny, an’ny Emmo/Nat iray no tratran’ireto miaramilan’ny Capsat ireto. Ankoatra izay dia nisy fiara 405 ihany koa azon’izy ireo satria nampiahiahy ny momba azy. Saika tomefy miaramila ny manodidina ny Capsat mba hiarovana ireo fitaovana marobe ao. Araka ny nambaran’ireto miaramila ireto ihany dia « saika fitaovana avy amin’ity tobim-paritra ity no ampiasaina hiarovana ny Fiadidian’ny Repoblika ». Ankilan’izay dia miverimberina matetika ny filazana hoe « aoka izay ny resaka Emmo/Nat ». Voalazan’izy ireo ihany koa fa « tsy ireto miaramila Capsat ireto ihany no miombon-kevitra amin’izao tranga izao fa efa mirona amin’izany ihany koa ny ao amin’ny Bani, 1er Rfi eny Ivato ary ny Ras eny Betongolo ». Raha ny fanazavana azo dia hiezaka ny hamaha ny olana ao anatin’ny 48 ora ry zareo. Izay mbola hitranga anio dia mbola ankamantatra.
Miantso ny vahoaka indray araka izany ireo mpitari-tolona mba hanohy ny tolona. « Efa nisafidy ny ho tafita isika ka tsy manaiky ny hiverin-dalana intsony », hoy ry zareo. Ao anatin’ny nanao izao antso izao ny filoha nasionalin’ny « Comité National de Coordination », Andry Rajoelina sady Filohan’ny rafitra tetezamita sy ireo mpikambana rehetra.
EMMO-NAT :Niverina andakazerina daholo ny miaramila sy ny zandary ary ny polisy!!!
OK ramiaramila !!!!!Siora e!!!Milay e!!!!reveko an!!!Ny tenanay ange ka zanaka force e!!!Aza miala amy vahoaka oa!!!
répondu par Andribe le 09/03/2009 08:16
2. nyavo2000 ( 09/03/2009 06:35)
Resy de ho hita eo izany ?

Ny mahagaga vao niverina nangina kely ny EMMONAT dia niverina indray ny fanakanan-dalana isaky ny 300 m faritr'Ambanidia, Tsimbazaza, Ankadimbahoaka sns...dia inona moa no tena tanjona, fa hatreto de tena tsy azoko mihintsy...
iza no sakanana : Ny VAHOAKA ?, ny fiainana andavan'andro...

Tena hita fa loham-boto fotsiny ny zavatra atao ary tsy hita mihintsy izay foto-kevitra fampandrosoana dradraina eny @ 13 mai
3. rabaradaka ( 09/03/2009 06:37)
Dadatoa, toa ilay tamin'ny TV plus ihany no averinao, angaha lasa TV plus ronaldo e, sa mpanao gazety fopla?
4. ratavao ( 09/03/2009 06:49)
Ka iza ary aminao no tena nampandroso sy nanome fandriam-pahaleman ny niseho tamin'ny herinandro izay famonoana ny vahoaka sa izao lazainao izao fa sakan-dalana tsy mandratra no tsy mamono ny vahoka? Anao ny fanontaniana ry nyavo2000 tompon'ny emmonat!
5. xxx ( 09/03/2009 07:30)
zao iany bainn à!! ary tsy sasatra zà mamerina azy
TSIRANANA=RATSIRAKA=ZAFY=RATSIRAKA=RAVALOMANANA=ZE HIDITRA EO=TSY HIOVA MIHITSY AKORY NY REVY.

@zao fotoana, dé ezahina mihitsy ny hanampenam-bava ny radio-tv maro eto tanà eto. nefa ny radiomada, MANDAINGA tsisy otran'zany. ary efa manerana an'i gasikara ndray izy zao. nangina ny mbs, de novaina radiomada, :lol: :lol: :lol: :lol: :lol:
matoa ngé lesy nivadika ny mafiady ao @ miaramila, nanana porofo r'zalah, fa ny bandy mpanao rugby mikarama betsaka noho-r'zalah é. ny azon'ireo be galona reo moa efa tsy lazaina tsony, fara-fahakeliny 1 milliard.
ka iza ary no tena mpamatsy azy. i tgv V, miaraka @le "firenena iray matanjaka" ao aorinany. io matsy le fomba fanoratra @le trakta eto @ internet eto. :lol: :lol: :lol: :lol:
6. essera ( 09/03/2009 07:39)
nyavo2000:

Resy de ho hita eo izany ?

Ny mahagaga vao niverina nangina kely ny EMMONAT dia niverina indray ny fanakanan-dalana isaky ny 300 m faritr'Ambanidia, Tsimbazaza, Ankadimbahoaka sns...dia inona moa no tena tanjona, fa hatreto de tena tsy azoko mihintsy...
iza no sakanana : Ny VAHOAKA ?, ny fiainana andavan'andro...

Tena hita fa loham-boto fotsiny ny zavatra atao ary tsy hita mihintsy izay foto-kevitra fampandrosoana dradraina eny @ 13 mai


Ny anton'ny anasiana barazy dia ahafahana misivana ireo fiara entin'ny EMMONAT sy ireo iraky ny filoha ra8 ary ireo mampiahiahy. Ao ve ?


7. Andribe ( 09/03/2009 08:16)
ny tokony hataon ny EMMONAT hampandritany :

- tokony omena vola ny mpikorotana fa tsy tokony darofana
- tokony avela hamaky trano fa tsy azo samborina
- omena bonbon gasy mba tsy hamono olona
- avela hanopa ny anaran ny filoha sy andry tgv mba tsy ho tampenambava
- alaina sary mba ho lasa star national ireo mpanendaka dia avotsotra
vakiana ny fonja

ALEO TSIKERAINA FA TSY METY NY ATAON NY EMMONAT IZAO MIFANOHITRA AMIREO

han milay ny demokrasia gasy an
:-D :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2202