anti-depresseur

1. xxx ( 05/03/2009 16:59)
Miarahaba anareo ,

Za nomeny dokotera anti-depresseur Seroplex , de novakiko le notice de bedebe mitsy le effet secondaire de matahotra za de tsy nohaniko le izy hatrizao , za nefa nomeny rdv aminy 17 zao.

So de efa mba nisy taminareo nihinana azy io , de ahoana ny effet ny taminao ??
répondu par xxx le 14/04/2009 19:07
2. elyzo ( 06/03/2009 07:20)
Za lou mbola tsy nihinana e, fa saingy torohevitra fotsiny ho anao: ny effets secondaires dia rare ny fitrangany raha tsy we à longue durée angaha na surdosé ny fanafody nohaninao! Sady enao ko ne mbola tsy nihinana kory v dia efa atahotra izany sahady? Andramo ihany aloha fa ny Dr v d anome anao zvt tsy hety eo e? Maztou
3. xxx ( 06/03/2009 12:26)
Ny effets secondaires dia METY fa tsy voatery mitranga. Arakaraka ny toe-batan'ny tsirairay aloha voalohany indrindra, araka ny fatra sy ny fotoana hinanana azy ihany koa avy eo.

Matoa nomen'ny dokotera dia fantany fa mety sy hahatsara anao izany ka hano aloha, azo ajanona na ovaina foana iny raha misy antony manokana avy eo.
4. xxx ( 06/03/2009 16:32)
Misaotra anareo namaly ,

Tapaka ihany ny hevitro fa hohaniko androany de ho hitako eo ze effet ny , ny dokotera tokoa ve de hanome fanafody tsy ahasoa ahy ???

Lazaiko anareo eo ze tohiny .
5. Lejoba ( 10/03/2009 15:58)
ie, misy dokotera manome zavatra mahery loatra. tsy haiko izay antony.
Misy dokotera gasy be mpandeha izay eto France, raha olona mitaraina aminy hoe tsy matory @ alina dia tonga dia Antarax no omeny, ohatra. hay tena fampiasa hampatoriana olona hodidiana mihitsy ilay izy. nisy olona tratra mantsy, nasainy nanao traitement andro maromaro fa tena saiky natory teny @ arabe mihitsy ilay olona. soa fa tsy mitondra fiara.

Misy dokotera manao routine ihany fa rehefa tena manalasala aloha .....
Fa @ ankapobeny, ny anti-depresseur ireny be effets secondaires be foana. Anisan'izany ny hoe mampatory. Hi-calmer-na ilay olona mantsy no tanjona amin'ireny ka misy lasa malemilemy be mihitsy dia tsy maha-saina intsony ka izay no heverin-dry zareo ho hanafoana ilay depression.

Tsy aleonao, mpivavaka (mpiandry ohatra) no atonina raha problème-na depression izany? Ny fo sy ny fanahy no mila tony fa tsy ny saina no terena tsy hieritreritra tsinona.

Matoa mi-depra dia misy blem izay, nefa tsy misy fanafody chimique mamaha problème fa toy ny daina sy ny taoka fotsiny : mampanadino vetivety.

Mba andramo ihany
6. diamondra27 ( 12/03/2009 19:47)
fa tena tsy vita ny fanamboniana morale ve aloha le izy fa tsy maintsy mihinana anti-depresseur e
sao de mba vitan'ny therapie ihany hoe mila mi-évacuer ny stress sy ny angoisse sns aloha.
7. diamondra27 ( 12/03/2009 19:53)
aza manao surdose fotsiny raha sendra adino ny minana azy

de aza misotro alcool koa fa tena toxique be

ra vao hitanao fa misy signe le effet secondaire de ajanony haingana ary tel-o ny Dr-nao hoe tsy zakanao le izy ka sao de tokony hosoloiny


dia mila mianatra tsy mi-panique koa aloha ianao e
8. ikaretsaka ( 12/03/2009 20:44)
ary mihinana anti depresseur aby reto le...

:-P

galeoka ihany hoa fa tsy atao a gogo fotriny
9. diamondra27 ( 13/03/2009 11:00)
ikaretsaka: aleo tsy mivoady aloha fa alohan'ny hatongavana amin'io ange de tokony misy zavatra hatao e

ny ahy de sourire hatrany ny anti-depresseur-ko hatramin'izao aloha, tena mahomby be io an.
Raha vao tsy mi-sourire enao de tena tsy mande le fiainana

fa inona aloha le hoe galeoka izany fa tsy arako?

le anti-depresseur koa ange misy ambaratongany e, hoe debut ve sa efa tena tafalatsaka lalina le izy de arakaraka izay le fanafody omena
10. ikaretsaka ( 13/03/2009 22:12)
Galeoka li hatagny antagnagna rehefa famadihana e.... mitsitra aby re diso daozy. Fenoina humour koa ry diams mety a
11. xxx ( 20/03/2009 14:40)
Lejoba:

ie, misy dokotera manome zavatra mahery loatra. tsy haiko izay antony.
Misy dokotera gasy be mpandeha izay eto France, raha olona mitaraina aminy hoe tsy matory @ alina dia tonga dia Antarax no omeny, ohatra. hay tena fampiasa hampatoriana olona hodidiana mihitsy ilay izy. nisy olona tratra mantsy, nasainy nanao traitement andro maromaro fa tena saiky natory teny @ arabe mihitsy ilay olona. soa fa tsy mitondra fiara.

Misy dokotera manao routine ihany fa rehefa tena manalasala aloha .....
Fa @ ankapobeny, ny anti-depresseur ireny be effets secondaires be foana. Anisan'izany ny hoe mampatory. Hi-calmer-na ilay olona mantsy no tanjona amin'ireny ka misy lasa malemilemy be mihitsy dia tsy maha-saina intsony ka izay no heverin-dry zareo ho hanafoana ilay depression.

Tsy aleonao, mpivavaka (mpiandry ohatra) no atonina raha problème-na depression izany? Ny fo sy ny fanahy no mila tony fa tsy ny saina no terena tsy hieritreritra tsinona.

Matoa mi-depra dia misy blem izay, nefa tsy misy fanafody chimique mamaha problème fa toy ny daina sy ny taoka fotsiny : mampanadino vetivety.

Mba andramo ihany



Tsy ratsy ilay mivavaka fa na izany aza ...

Tsy masiaka akory sanatria fa rehefa tsy voafehy ilay taranja dia tsaratsara tsy miteny fa manjary mamoy hevi-diso. Ny ampiasana Atarax amin'ny olona hodidiana dia tsy hampatoriana azy mihitsy fa anxiolytique zany hoe mba tsy hampitaitaina azy amin'ilay hoe hodidiana.

Tsara raha misy dépression sitran'ny vavaka fotsiny ihany, fa ny dépression dia aretina tena aretina ary tahaka ny aretina rehetra, tsy afangaro amin'ilay antsoina hoe "déprime" na "coup de blues" mety mahazo ny tsirairay.

Raha tena déprimé ny olona iray, na ny hivavaka azy mety ho sarotra ho azy, tsy laitran'ny resaka "volonté" intsony koa ka izay no hilàna fanafody.
12. xxx ( 21/03/2009 12:37)
Miarahaba anareo ,

zay za vo tafaverina , nohaniko le fanafody de nalamilemy be za ny ampitso tsy tafatsangana teo ampandriana , sady narary be ny lohako , de nantsoiko ledokotera de nilaza oe atsasany ihany ary hohanina raha marary ny lohanao .
De refa nihaona taminy za de nilaza izy fa tsy ampy le dose fa tokony comprime iray isaky ny mihinana no izy , de miandry eo aminy 2 semaines eo zany vo hita ny effetny.
le izy anie tsy oe atao hanadinona ny blem fa mba hampatanjaka le saina efa reraka.
Tsy manakana ahy hivavaka zany , fa aleoko ihany aloha manao traitement raha misy mety mahasoa ahy.
13. vale ( 03/04/2009 00:16)
marina izany, ny anti-dépresseur tena ilaina tokoa raha olona mi-déprime, tsy mitovy amin'ny stress manko ny dépression fa somary délicat, zah koa manko mandray anti-dépresseur, fa ny effet indisérable aloha tsy maintsy misy, sady mampahazo poids be koa iny indraindray an, (c'est mon cas!!), ary koa mety hampisy trouble eo amin'ny cycle menstruel) fa raha oul mi-déprime dia tsara mihintsy mandray fanafody, satria rehefa mi-déprime ny oul iray tsy vitany intsony ny mitsky izay(Diam !!!), na hanogo ny volony aza tsy vitany fa satry hatory foana, ary miteraka migraine be ihany koa ny dépression. Ary ny tena ratsy dia lasa tsy mahavita in'inona ilay oul , asa na fikojakojana ny vatana, sns izany, ahoana moa ny hitenenana ny oul iray hoe mihazakazaha anefa izy handicapé?? ohatr'izay ko any oul mi-déprime, fanafody ihany no haingana... bon courage!! (l) :-*
14. itsotra ( 04/04/2009 18:07)
Salama daholo,
Sao dia mba mahasoa, nasolo "millepertuis" sy "valériane" ny anti dépresseur fa herinandro ihany dia tsapa ny effet-ny. Ny torimaso koa dia manampy be ary ny fanaovana sport: mandeha tongotra mandritra ny 1/2 isan 'andro. Ny olan'ny fanafody dia misy effets indésirables foana ary vao tafiditra anti depresseur ianao dia mila sy mitady foana ary mitombo ny dépendance. Aza midy an-trano mihintsy fa mitadiava masoandro foana.
Mazoto dia aza kivy.

http://www.passeportsante.net/fr/Solutions/PlantesSupplements/Fiche.aspx?doc=millepertuis_ps
15. xxx ( 14/04/2009 19:07)
Miarahaba anareo indray ,

Marina ny zavatra lazainao ry vale , fa tena tsy nahavatena intsony aho , efa nampoiziko ihany le oe voa ny deperssion fa noheveriko fa mialamina ho azy eo é!
Kanjo zava-doza be ny nahazo ahy , zao hatrizay nihinanako fanafody zay de efa misy fiovana ny tenako betsaka ny fanantenako na de somary ho lava aza ny traitement ko.
le dokotera manko nilaza fa plus de 6 mois any ny traitement ko , satria nena le depression niditra tsikelikely fa tsy otrany any olona sasany oe choc nahazo azy.
misaotra anareo aminy fampaherezana!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4605