Tsy azo atao intsony ny tery vay manta...

1. lemenakely ( 02/03/2009 12:47)
Ny fijeriko azy dia Tsara fanombohana ilay fitakiana nanomboka teny Ambohijatovo ,ary normal raha be ny olona tonga t@ ireny.Fa nony taty aoriana Kely dia hita fa trop ny fihoaram- pefy , ka nahatonga ny olona nihena tsikelikely...Ary @ izao dia ny herisetra sisa no hany fitaovana ampiasaina mba hanaforcena ny olona mba hitovy hevitra , ataoko angamba fa efa Sangy mihoatra ny loha kosa ilay izy, na any@ ireo tany Afrikanina atao hoe sauvage aza tsy misy an izao.

Ka hoy aho hoe ny maro an isa efa leo, ny fiainana tsy vitan ny fitokonana sy ny ady seza , ka tsy aleo ve ajanona @ izay mba tsy ho ridicule?

répondu par xxx le 03/03/2009 09:20
2. ifiona ( 02/03/2009 12:51)
aleo izy hahatsapa tena eo e, ny inconditionnels an'i tgv anie tsy maintsy hisy e, fa rehefa minoritaire tokony mangina @ zay
3. Annie2006 ( 02/03/2009 12:59)
Raha tany amin'ny firenena afrikana tany no toy izao dia BALA DIMY no nitoetra teo an-kandrin'ingahy Ravalomanana hatr@ volana desambra.
Tsy misy olona hanao hetsika pasifika izany any congo, ouganda, cote d'ivoire, niger, mali, liberia...raha olona mpanao jadona sahala amindravalomanana io no mpitondra firenena.

Soa ihany fa ingahy ANDRY TGV dia olona hendry, pasifika, ary ny vahoaka malagasy dia tsy dia tia rà loatra. Exception ity Ravalo sy ny forongony ity.

Ianareo ihany no mahita hoe nihena ny olona tonga satria tsy mandinika akory fa matoa tsy misy fivoriana any an-kafa manohitra an'izao dia satria MIHOMBON-KEVITRA AMIN'IO hetsika io daholo ny malagasy rehetra na dia tsy tonga ery aza.

Matoa Brouillé-na ny TV sy radio VIVA ary Antsiva, monopolisé-na ny RNM sy TVM, aroso aloha ny basy sy tafondro hitifirana (olona izay lazaina fa miha mihena ihany) dia satria TSY MISY MPANOHANA INTSONY JADON-DRAVALOMANANA.

Ka aza ampitahaina @ afrika izy io fa raha tany dia TENA BALA DIMY hoa no nitoetra teo ankadrin'ingahy Ravalomanana.

Mbola hendry ange ny vahoaka malagasy sy ny mpitarika ny vahoaka ery @ 13mai e.
4. lemenakely ( 02/03/2009 13:13)
Hay ,ve ka hendry ny ampahan olona (tsy vahoaka)eo @ 13 mai manao pillage etsy sy eroa, manao barrages,miforcer olona hanaraka?

Isaorana era-po eratsaina kosa ny miaramila , zandary,polisy tena nandray ny andraikiny fa asa raha tsy teo izy ireo?

Tsy adala ny tena maro an isa raha ohatra ka misy ny rariny ny eo @ 13 mai, ary tandremo fa mana-petra ny fandeferan ny maro an isa ka sao hanenenana ihany ?...
5. Annie2006 ( 02/03/2009 13:17)
Raha ireo pilleur indray no lazainao dia tena marina fa tsy hendry izy ireo satria olona tsy hendry no manakarama andry zareo. Efa rakatra ange ny fikafikanareo ka tsy mahomby ilay tetika e.

Matoa tsy sahy manambotra pilleur ny miaramila FA MITIFITRA VAHOAKA milahatra dia mazava fa ilay nanome baiko nitifitra dia mbola ilay NANOME BAIKO TSY HANAMBORANA an'ireo pilleur ireo.

Fahendrena ny an'i ANDRY TGV ny @ fanaraha-maso tsara ireny pilleur tsy samborin'ny fitondran-dravalomanana io.
6. a256011 ( 02/03/2009 13:30)
Fa maninona kay no tsy voasakan'ny MPITOLONA ireo MPANDROBA lazaina fa voakaraman-dRavalomanana? Nefa mba manana Tanora matanjaka ihany ny TGV? Sa ...???
7. Annie2006 ( 02/03/2009 13:38)
Tsotra ny valiny: Ny vahoaka dia natao hitolona fa tsy natao hanakana mpangalatra. Ity asa farany ity dia an'ny mpitandro ny filaminana no manao azy satria izay no hikaramana azy.
Noho ny tsy fandraisan'andraikitr'ireto miaramilandravalo te hitifitra vahoaka ireto andraikitra mihitsy no nahatonga an'i ANDRY TGV niantso ny Emmonat handray ny andraikiny sy nanao couvre feu, satria Ravalomanana dia efa lasa nandositra.

Fa rariny kosa ny hitiavanao handraisan'ny vahoaka adidy @ fanakanana ny mpangalatra satria tena tsy manao ny asany ireto miaramila mpamoritra andravalomanana ireto. Izay no mahatonga ny vahoaka mitaky TRANSITION mba hanakanany an'ireto MPANGALATRA IRETO, Ravalomanana no voalohany. Amin'io TRANSITION io no ahafahany maka fepetra rehetra na ny fitsaràna, na ny fiarovam-pirenena, na ny fitandroana ny filaminana hanakanana sy hanamborana ary hitsarana ny mpangalatra sy mpamono firenena rehetra.
8. xxx ( 02/03/2009 13:39)
Marina mihitsy ilay hoe \"ridicule\" Lemenakely ! Raha tolona manana envergure nationale ( satria efa nampian`ireo Vondron`ny Mpanohitra ) no ohatran`io dia tena mampitokelaka mihitsy . Tsy vao io ihany anie , fa ny greve generale , ny Ville morte , nodradradradrain`i boay kely teo aloha aza dia nitsipozipozy kely ohatran`io foana . Hita mihitsy fa manao erreur d`appréciation satria olona tsy natao hitondra loatra ! Manao \"teren-ko masaka toa voalobo-jaza\" fotsiny . Iretsy lay antoko mpanohitra moa dia ireo antokon`olona avy ao amin`ny Groupe \" 0.000 % \" ka tsy mahagaga raha tsy mahandry fifidianana intsony fa maika ny hanongam-panjakana sao dia mba misy seza mipitika satria raha handeha amin`ny normal dia tsy ho tafa mihitsy . Ny mahagaga , efa nitondra teto daholo ireo ekipan`i boakely ireo fa tsy nahavita azy dia mbola misiska ihany ! Tao ireo ni-geste ho be diplome be sy marani-tsaina kanefa toa ambakain`ilay Mpitondra ronono kely , fa ity farany indray ity no toa lasa hitady handray ny fivorian`ny UA , ny fivorian`ny francophonie nefa ry zalah 24 taona teo tsy nahavita n`inn n`inn afa-tsy nangalatra ny volan`ny Banque Centrale , nandefa milliard tany am`banque Suisse izay tsy tafaverina intsony h@ zao , nanapoaka tetezana rehefa tsy lanim-bahoaka intsony ? Dia aleo tsorina fa ireo no mpanome baiko an`i Andry miaraka amin`ny Frantsa satria ny Mpandraharaha Frantsay somary lasa ankilabao tam`ity fitondrana Ra8 ty ka mila miady tombo-tsoa ry zareo satria izy ireo rahateo no miantoka ny ampahany betsaka amin`ny fanampiana azon`ny Dago amin`ny Firenena vahiny . Mazava , ho azy fa tsy hoe anjely akory Ra8 , misy ny lesoka tokony hahitsy fa tsy midika akory zany fa ahongana ny Fanjakàna . Resaka tombo-tsoa sy vola daholo ny ao ambadik`io coupe-soroka sy fitadiavan-tseza io fa resa-ke fotsiny ny hoe \" TIA TANINDRAZANA \" eee , \"MASINA NY TANINDRAZANA : ..sns koa raha manaiky atao fitaovana , sy tohatra fiakarana ianao , na koa hoe atao \" MARITIORA\" kely etsy Ambohitsirohitra dia avy eo hanaovana Poster Glady be ahantona eny am`13 mai , de ny sarinao mihosin-drà alefan`ny olona tsy hasiany hasiny any an-dafy am`Madagate rehefa avy nataony jono hiampangana ny Fitondrana am`sehatra iraisam-pirenena fa hoe lian-drà , dia io izay tianao ihany . Ohatran`ny mampiomehy aza rey olona , fa am`zao dia miparitaka eny amin`ny Mpivarotra CD piraty ilay hoe : \" Ilay Sabotsy mihosin-drà \" , izany hoe lasa fitadiavam-bola.
9. Annie2006 ( 02/03/2009 13:44)
Ny tena "ridicule" aloha dia ilay "mialaza azy manana majorité, senateur, député, fonctionnaires, parti présidentiel..." kanefa tsy mahita olona folo (10) hiaro azy. Sa ahoana?
10. a256011 ( 02/03/2009 14:19)
Ny olana dia ity : raha za mitazana @ fijery marivo de toa mahita fa olona avy @ MPITOLONA ireo mandroba ireo satria rehefa tsy misy hetsika mafam-pana ny tolona de misy ny mitady handroba. Kanefa raha handray ny andraikiny ny miaramila de mety ho lazaina fa mpamono olona. Ohatra t@ fandrobana taloha ireny. Ilay boakely maritiora (ilay voatifitra t@ andriny, ilay avy any Antsirabe, mpianatry ny sekoly katolika...). Voalaza fa 14 izy t@ voalohany, nefa tampotampoka teo nolazaina fa 18 taona (classe de 3è). Natahotra ny mpitari-tolona sao de ho voaendrikendrika nitondra zaza tsy ampy taona nandroba (ANGAMBA)!!!
Ary ity tolona ity ve tsy azo atao @ fomba hafa e? Toa ny madinika foana no voatorotoro. Ohatra hoe sady mamelona ny vady aman-janaka ihany (miasa) no mampiasa ireo mpahay lalàna hanao ny andraikiny, na hitory any @ fitsarana iraisam-pirenena mihitsy. De ho hita eo hoe iza no diso : ny nitifitra, sa ny nitondra ny ho tifirina? Satria ny vahoaka tsy mahay lalàna de manaraka fotsiny ihany izay lazaina azy. Ny fony no ampiasainy.
Jereo fotsiny e :
Natao ny 10 août 1991 de nahazo olona betsaka, nahafatesana olona betsaka, fa ny vokany : DISO NY VAHOAKA, ary niaiky izany satria taty aoriana dia nofidiana indray ilay noheverina ho diso t@ zany fotoana (ilay nampitifitra tsy iza fa ilay FILOHA NAJAINA DIDIER RATSIRAKA).
11. nrina ( 02/03/2009 14:21)
Marina mitsy zany fa irak'Ravalo daholo reo mpandroba retraretra reo.
12. xxx ( 02/03/2009 14:45)
raha tena mpitolona enao maninona no tsy samborina ny mpandroba d atolotra ny polisy hita eo hoe tena iraka ve, fa tsy mahita hirika intsony nareo ho entina hangalana ny fitondrana d lazaina fa irak'Ravalo, misy ny miteny hoe asany mpitandro filaminana zany, asany tokoa zany fa alohany hatongavany izy reny tokony ho samboriny zay mahita fa tsy havela hanararaotra!
13. Amboarako ( 02/03/2009 15:10)
Mipetraka eto Kenya aho, ary mitety ireo firenana rehetra voalazan'ny namana ireo. Mampalahelo ny tsy fahalalana sy ny gadram-pahabadoana iainany amin'ny filazana momba ny firenen'ny hafa izay tondroiny ho ratsy. Miandraikitra fampandrosoana eto amin'ny kaontinanta Afrikana no asako ary fantatro tsara ireo firenana voalaza ireo sy i Madagasikara. Ratsy lavitra ny toe-tsaina sy ny toe-javatra ary ny hari-karena any Madagasikara raha miolitra amin'ireo firenana voalazany ireo. Ny habadoana sy ny fiamboana tsy te hifandray amin'ny afrikana izay akaiky antsika sy tsena goavana no mamotika ny firenena Malagsy. Indrindra moa ny tsy fahaiza manao sy ny falelafana ny faladihan'ny tany tandrefana ary ny fanarahan-drenirano sy fanohanana botolo toy izay ataon'ny sasany eto amin'ny serasera na tv sy radio sasany.
14. molota ( 02/03/2009 16:04)
Hatramin'zao ilay natao hoé TGV mbola tsy mihetsika eo analakely ihany! manimba moteur fotsiny eo angamba! mahamenatra!!
15. xxx ( 02/03/2009 16:10)
Nisotro ny ranon'i TGV angamba ity Annie2006 ity klé

16. xxx ( 02/03/2009 16:34)
Amboarako:

Mipetraka eto Kenya aho, ary mitety ireo firenana rehetra voalazan'ny namana ireo. Mampalahelo ny tsy fahalalana sy ny gadram-pahabadoana iainany amin'ny filazana momba ny firenen'ny hafa izay tondroiny ho ratsy. Miandraikitra fampandrosoana eto amin'ny kaontinanta Afrikana no asako ary fantatro tsara ireo firenana voalaza ireo sy i Madagasikara. Ratsy lavitra ny toe-tsaina sy ny toe-javatra ary ny hari-karena any Madagasikara raha miolitra amin'ireo firenana voalazany ireo. Ny habadoana sy ny fiamboana tsy te hifandray amin'ny afrikana izay akaiky antsika sy tsena goavana no mamotika ny firenena Malagsy. Indrindra moa ny tsy fahaiza manao sy ny falelafana ny faladihan'ny tany tandrefana ary ny fanarahan-drenirano sy fanohanana botolo toy izay ataon'ny sasany eto amin'ny serasera na tv sy radio sasany.



inona no tianao hahatongavana par rapport @ lay grevy ?
Hoe tokony hanaraka an'i TGV sa hanaraka an'i Ra8 ?
17. molota ( 02/03/2009 17:19)
ho any TGViste tsy aleo nareo manangona hery @ny 2012? reraka amboha -lohany fotsiny eo nareo marina é.
18. Annie2006 ( 02/03/2009 17:37)
Miseho izy ho be krany mantsy ravalo kanefa na ny ankizy 3 taona aza mahatsapa ny fika ratsiny.

Tsotra ny tetiny: Mikarama "sahirana" hamaky magazay dia lazaina fa TGv no manao azy; Mikarama jomaka hitoraka zandary dia lazaina fa ny vahoaka malagasy tsara sitrapo manohana an'i TGV no manao an'io asa ratsiny io. Mihevitra izy fa io fanaratsiana an'i TGV io no HITIAVAN'NY VAHOAKA AZY. Mitapy hoa izy io e.

Nitifitra vahoaka tsy manantsiny ravalomanana ka 70 mahery no maty ary mihoatry ny 50 no tsy hita faty satria noraisin'ny garde du corps ny fatin'ny olona.

Norobainy ny Banque centrale, ka nofaony daholo ny vola tao.

Namidiny ny tanindrazan'ny malagasy.
Nopotehiny ny toekarena malagasy ka nifaony ho azy irery ny harem-pirenena.

IZANY ihany dia efa TSY HITIAVAN'NY VAHOAKA MALAGASY AZY.

Diso tetika be Ravalomanana raha mihevitra fa ny fanaratsiana an'i TGV no hitiavan'ny vahoaka azy. Diso planina e. Ireto MAFIA INTERNATIONALE ity ihany no hanajedaka azy io;

Hitanareo fa rava ny legalité raha nisy nitifitra ny filoha guinéana anikeo maraina. Mandiniha tsara isika rey olona fa tsy kilalao ny fiainam-pirenena.
19. xxx ( 03/03/2009 09:20)
Annie2006:

Miseho izy ho be krany mantsy ravalo kanefa na ny ankizy 3 taona aza mahatsapa ny fika ratsiny.

Ambany noho ny QI n'ny ankizy 3 taona izany ny QI n'ny ankamaroan'ny gasy, vao 20.000 fotsiny max no mahatsapa ity lazainao ka tonga eny @ 13 mai

Annie2006:

Tsotra ny tetiny: Mikarama "sahirana" hamaky magazay dia lazaina fa TGv no manao azy; Mikarama jomaka hitoraka zandary dia lazaina fa ny vahoaka malagasy tsara sitrapo manohana an'i TGV no manao an'io asa ratsiny io. Mihevitra izy fa io fanaratsiana an'i TGV io no HITIAVAN'NY VAHOAKA AZY. Mitapy hoa izy io e.


Mba omeo porofo hoe , aminay izao dia i Andry no manakarama an'ireny

Annie2006:


Nitifitra vahoaka tsy manantsiny ravalomanana ka 70 mahery no maty ary mihoatry ny 50 no tsy hita faty satria noraisin'ny garde du corps ny fatin'ny olona.


aiza ilay porofo e ?

Naniraka vahoaka tsy manan-tsiny ho eny @ zone rouge ny TGV , sa ahoana ?
Sao dia tokony nosafosafoin'ny miaramila ny olona dia nampandrosoina dia nomena sakafo ?

Annie2006:

Hitanareo fa rava ny legalité raha nisy nitifitra ny filoha guinéana anikeo maraina. Mandiniha tsara isika rey olona fa tsy kilalao ny fiainam-pirenena.


Tokony ho foanana izany ny légalité hoy ianao ? QI n'ny mihoatra ny 3 taona izany sa ahoana ????


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0848