Misy namana iray tonga eto France avy nandalo tamina firenena iray eto Europe. Manana visa shengen (multivisa ) izy io ary mbola maharitraritra vao tapitra ny io visa io.
Amin'izao fotoana izao dia nahita asa eto izy, ary mangataka ny hevitrareo ny @ izay tokony hataony satria misy fanahiana ihany hoe raha tonga dia ho any @ Prefecture rehefa hanavao visa dia sao tratry ny olana sy ny fandroahana avy hatrany sanatria moa izany.
Misaotra ny amizay hitondra sosokevitra sy fanampiana.