ity no tsotra sady haingana nefa mahomby!

1. benasy ( 17/02/2009 09:57)
Izaho manome toky anareo, ary tsy misy ahiana ny amin’izany!

Fa isika vahoaka eto, mifandramatra, mila hifamono mihitsy…… Ireo roalahy ireo,
mody mitarika antsika amin’izao sy izaroa !

Fa…………….

Na tsy hiasa mandra-pahafatiny aza ireo,
mahita hohanina foana,
mpanankarena foana hatramin’ny zafiafiny!

Fa isika vahoaka; isika mahasahy, sady vonon-kifandrafy ireto; ho aiza ……….? ( tsy lazaiko eto ireo nahita tombontsoa manokana, efa vonona hamono ny maha gasy azy )

Tadidio tsara, raha misy tsy fetezan-javatra eto ange, ka rifatra mitady làlana any andafy ireo é!
Izy sy ny vady aman-jafiny; hamonjy villas tsara tarehy !!!!!

Ny antsika vahoaka : ny mpiara-monina indray no tadiavintsika horafesina…..

Na Ra8 na TGV; moa misy misaina izay ho any ambilanintsika akory ve ireo raha santria misy inona mitranga eto ????

Fo tezitra tsy ananan-drariny, fo mafàna sakaizan’ny nenina !

Aza mifanompa, aza mifanaratsy, aza manao teny tsy voahevitra amin’ny gasy toa anao é!

Ianareo any an-dafy ireo, aza ranitina ry namana ny mpiara-monina aminay aty Dago à, raha misy ady angé aty ka ianareo ireo tsy hisy hizaka ny mangidy sy mafy é !

Misentosento ihany no azonareo atao… Manameloka ihany no vitanareo….Mandefa fiaraha-miory… Sentosento sy taratasy ary fanamelohana nama tsy ahavelona anay sy ny zanakay aty a! sa mety hiakatra ny vidin’ny mofo dipaina any aminareo any?

Zavatra tsotra, tsy hampikorontana, asio fifidianana malalaka!
Ho lany izay tian’ny olona……Vita !

Izay tian’ny kil tsy maintsy mandresy ! Aza atosika ho faty ny vahoaka Malagasy eto Madagasikara, fa tolory tànana kosa hiavotra !
répondu par benasy le 18/02/2009 11:08
2. xxx ( 17/02/2009 10:22)
VAVAK PREZIDA

"Marina daholo zany ramalagasy !... tsy mendrika hitsimpona izay sombitsombiny latsaka avy @ latabatro akory ianao...nefa raha hanao TIM ianao tsy mba holaviko mihitsy!!!"

"Izaho no lalana sy la farine ary menaka,tsy mahazo mikaly raha tsy amin'ny alalako irery ihany" (Marka 7,77)

"Tiava ny namanao ary gadrao zay manenjika anao" (1Tim 7,77)

"araraoty ny andro azo hanangonam-bola fa miharatsy zao fiainanaizao" (2Tim 1,77)

Ahoana no tsy hinoanao fa mivavaka aho ? misaotra an'Andriamanitra mandrakariva aho fa nomeny vahoaka bado sy dondrona ary koa fiangonana mora vidy izay maharo ahy mihoatra noho ny foloalindahy sy ny miaramilako.

Ny miaramila miaro ahy raha misy mitady hitifitra na
hamono ahy,ny fiangonana kosa mampianatra ny olona tsy hamono ahy fa hivavaka hoahy sy hankatoa ny fahefako lehibe.

Ho ahy irery ihany anie ny voninahitra sy ny fanjakana
ary fiadanana hoan'ny olona ankasitrahako!

de nandray ny dibera tiko izy de hoy izy:hano, ity ny dibera vitan'ny omby vavy be ronono nafarana avy any afrika atsimo zao no ataovy ho fahatsiarovana ahy raha mahavidy ianareo,,de toy izany koa ny ronono:raiso, ka sotroy, ity ny màna milk,zao no ataovy ho fahatsiarovana ahy refa lasa adala any @hopitaly ianareo ......

Raha misy olona roa na telo mivory tsy amin'ny anarako dia sambory izy!

---------***************---------------------
"Ny fanananao dia vokatry ny vintana fotsiny ihany, fa tsy nohon'ny fahaizanao akory"
3. nyavo2000 ( 17/02/2009 11:14)
Mampalahelo ity "xxx" fa ny zavatra alefany d'efa tsy mahataitra ny olona intsony, hita hoe rediredin'ny mamon'ny môly be aingam-panahy
4. belakely ( 17/02/2009 11:54)
izy aza miafina ao ambadiky ny xxx aza mandany andro aminy intsonyn ry nyavo a!
5. peta83 ( 17/02/2009 12:24)
Tena marina mitsy ny nolazain'i Benasy.tokony hifoha @zay tsika malagasy fa tsy variana @ fanosora-potaka eto fotsiny.Na Ra8 na i TGV efa samy soavaly maty reo.ny ahy alo de ny asako ihany no imasoako tsara de ny mivavaka ho an'ny firenena satria io ihany no tena zava-dehibe @ fiainana NY MIVAVAKA.Jesoa irery ihany no lakile manokatra izao rojo vy mamatotra an'i Madagasikara izao.
6. benasy ( 18/02/2009 11:08)
'Za ranga' tsy pour pour Ra8..Tsy pour pour TGV ........ Fa mahasosokapa ahy ny kôzin'ilerony ireo! Tsy milay izany no tena dikany e! io ange bainina tsy vitan'ny safosafo sy azafady e! Efa sinema sisa no tena adin'lérony, tena manomboka manjeraka ny kila ry nama a, fa tairo spida izay adinareo mitsam' dé 'ndana m'pitsika any daôly fa nôfa e!



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0538