Entina "haka" ministera indray ireto vahoaka

1. bozyboleta ( 16/02/2009 10:49)
amin'izao ora izao rehefa avy norangitina mikasika ny zone rouge sns...
Dia asaina manao hiram-pivavahana ary ny "mpiandry" koa no asaina mialoha lalana satria ady amin'ny devoly hono no efa natao hatrizay ary mbola hatao izao.
Tsy nolazaina anefa hoe ministera iza no aleha voalohany fa dia lasa izao fotsiny aloha. Asa raha anisan'izay andeha indray ny "filoha", ny PM sy ny ministra.
Tena efa mivika mitsy reto mpitari-tolona reto.
répondu par xxx le 17/02/2009 10:51
2. zama91 ( 16/02/2009 11:03)
bozyboleta:

amin'izao ora izao rehefa avy norangitina mikasika ny zone rouge sns...
Dia asaina manao hiram-pivavahana ary ny "mpiandry" koa no asaina mialoha lalana satria ady amin'ny devoly hono no efa natao hatrizay ary mbola hatao izao.
Tsy nolazaina anefa hoe ministera iza no aleha voalohany fa dia lasa izao fotsiny aloha. Asa raha anisan'izay andeha indray ny "filoha", ny PM sy ny ministra.
Tena efa mivika mitsy reto mpitari-tolona reto.

te hamerina ny tolona t@ 2002 nefa zavatra tsy mitovy na dia tadiavina hampitoviana aza,mba olona firy hono misy sary ve

3. tarzand ( 16/02/2009 11:24)
Potika mitsy le vahoaka manaraka ny TGV; ireo mpiandry asaina mialoha lalana koa vao maika mampalaelo; Ho faty @ fanohanana tsangan'olona fa tsy mba hoe maty @ zavatra nanirahan'Andriamanitra azy. Miandry feom-basy indray izany e. Tena mila hampitrotra mitsy. ^^ :evil:
Tsy mba tonga saina mihitsy ve ireo ekipan'i Andry ireo mba hijery izay tokony atao e? le vahoaka anie tena atao fitaovana sy atao sorona fotsiny e?
4. tsinjo ( 16/02/2009 11:27)
ary fangah mo 2500ariary ndray le menaka fa tsy 2000 ariary e ???? ohatra ny diso fanatenana kely za mantsy :?:
5. tarzand ( 16/02/2009 11:34)
f'angah efa misy an'le menaka any e? 2000Ar le izy ka! zay le nolazainy. Sa efa nivadika sahady? lol
6. bozyboleta ( 16/02/2009 11:38)
Za koa aza mba gaga raha naheno an'io resaka menaka sy vary io. Le vary aza lazaina hoe 5,500 fmg ny kg refa tonga eo @ fitondrana izy; nefa izao aza ny vary efa Ar 950.
Dia mbola tsy tonga saina mihitsy reto mpihaino kabary nefa dia mivadika isanandro ny zavatra tenenina.
7. ARINOFY ( 16/02/2009 12:09)
Mijery sobika.com za zao de nahita fa t@ 15h de tsy nisy fifanarahana teo @ solotenan'ny tgv sy ireo mpitandro filaminana nanao barrage.De diniho zany fa miandry ny andro maizimaizina indray ireo mpandroba manaraka ny tgv mba handrombana.Raha hametraka ny ministra rizareo de naninona no niandry hariva?Tena mpandroba mitsy rizareo reo fa mody asiana mpiandry mitari-dalana.
8. bozyboleta ( 16/02/2009 12:20)
Ny radio antsiva no mitatitra hoe ahemotra rahampitso ny fakana ireo ministera miaraka @ huissier de justice.
Nasain'ny PM sy ny ministry ny fiarovana @ governemantan-dalana nirava ny olona ary hiverina rahampitso fa tezitra ny olona ary tsy manaiky fa tsy maintsy izao dia izao no hanatanterahana ny hetsika.
Sahirana ny mpitarika mandamina satria dia manosika barazy izao reo olona efa norangitina.
Mbola hitohy ny tantara fa ho hita eo ihany.
9. bozyboleta ( 16/02/2009 12:35)
:lol: :lol: :lol:
Voafatotry ny nataony reto mpitaritolona. Saika hitsoaka fa hoe rahampitso tohizana ny tolona fa tsy navelan'ny olona nihetsika ny fiara.
Tsy voafehy intsony ny vahoaka ary misy aza ny efa maka vato hitorahana ny miaramila.
Dia voatery andeha hitady huissier indray zao dia zao hanao constat hoe tsisy olona ao @ reo ministera eo Ambohijatovo reo. Na ny ministra atao eo aza mbola tsy fantatra akory.
10. xxx ( 17/02/2009 10:51)
"Marina daholo zany ramalagasy !... tsy mendrika hitsimpona izay sombitsombiny latsaka avy @ latabatro akory ianao...nefa raha hanao TIM ianao tsy mba holaviko mihitsy!!!"

"Izaho no lalana sy la farine ary menaka,tsy mahazo mikaly raha tsy amin'ny alalako irery ihany" (Marka 7,77)

"Tiava ny namanao ary gadrao zay manenjika anao" (1Tim 7,77)

"araraoty ny andro azo hanangonam-bola fa miharatsy zao fiainanaizao" (2Tim 1,77)

Ahoana no tsy hinoanao fa mivavaka aho ? misaotra an'Andriamanitra mandrakariva aho fa nomeny vahoaka bado sy dondrona ary koa fiangonana mora vidy izay maharo ahy mihoatra noho ny foloalindahy sy ny miaramilako.

Ny miaramila miaro ahy raha misy mitady hitifitra na
hamono ahy,ny fiangonana kosa mampianatra ny olona tsy hamono ahy fa hivavaka hoahy sy hankatoa ny fahefako lehibe.

Ho ahy irery ihany anie ny voninahitra sy ny fanjakana
ary fiadanana hoan'ny olona ankasitrahako!

de nandray ny dibera tiko izy de hoy izy:hano, ity ny dibera vitan'ny omby vavy be ronono nafarana avy any afrika atsimo zao no ataovy ho fahatsiarovana ahy raha mahavidy ianareo,,de toy izany koa ny ronono:raiso, ka sotroy, ity ny màna milk,zao no ataovy ho fahatsiarovana ahy refa lasa adala any @hopitaly ianareo ......

Raha misy olona roa na telo mivory tsy amin'ny anarako dia sambory izy!

---------***************---------------------
"Ny fanananao dia vokatry ny vintana fotsiny ihany, fa tsy nohon'ny fahaizanao akory"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0652