Inona moa ny toeran-dra8 eo @ lafiny fiangonana????
1. ainaheri
(
09/02/2009 11:56)
Manontany tena aho,tsy tokony @ maha mpitondra azy no ilazako eto fa noho ny toerany eo @ lafiny fiangonana,dia sahin-dravalo ve nanirak ny miaramila itifitra @ bala réel?? Mamy loatra angaha ilay toerana no andatsahan'ain'oul otr'zao,milaza fa ratsy ratsiraka nefa izy tsy nizahozaho nitondra fiangonana,fa ity farany itytena manafinkoho,miafina lava ambadik'io fivavahana io!!
répondu par ZoRajoela le 22/02/2009 21:28
2. ni81
(
09/02/2009 12:40)
Ka maro ange ry ainahery ny olona manao toerana fialofana ilay fivavahana fotsiny e! Tsy tena mivavaka fa hanafenana ny toetra dia milaza fa izaho ange mpandray ny fanasan'ny Tompo, Diakona, Loholona sns, eny fa misy aza mpitarika fivavahana mihitsy. @ ankapoben-javatra no hilazako an'io fa tsy @ ra8 mitokana fotsiny an!
Manao asa soa etsy sy eroa fa ao anatiny ao dia HELO mihitsy.
:(

3. Rafahafahana
(
09/02/2009 13:18)
Ka ny malagasy anie efa zatra mijery olona ivelany dia voafitaka foana é, raha vao itantarana baiboly dia tonga dia reboka nefa ao ambadin'iny baiboly iby zavatra hafa tanteraka. Tsy izay rehetra nanao tompoko tompoko anie no handova ny fanjaka'ny lanitra é. SAMIA MAILO
5. bor2lais
(
10/02/2009 09:38)
ainaheri:
Manontany tena aho,tsy tokony @ maha mpitondra azy no ilazako eto fa noho ny toerany eo @ lafiny fiangonana,dia sahin-dravalo ve nanirak ny miaramila itifitra @ bala réel?? Mamy loatra angaha ilay toerana no andatsahan\'ain\'oul otr\'zao,milaza fa ratsy ratsiraka nefa izy tsy nizahozaho nitondra fiangonana,fa ity farany itytena manafinkoho,miafina lava ambadik\'io fivavahana io!!
-> Raha jerena maimaika io voasoratrao io dia ny fo no miteny avy hatrany hoe : ny fiarovana ny seza no ambony kokoa noho ny fatahorana an\'Andriamanitra ...
NEFA rehefa jerena sy dinihina akaiky dia :
-> mampahatsiaro ahy ny tantaran\'ilay vehivavy janga nentin\'ny mpanora-dalàna sy ny fariseo teo anoloan\'i Jesoa ity resaka ity :
raha vao miresaka fijangajangana isika dia midika izany fa olona 2 (fara-fahakeliny) no voarohy amin\'izany nefa dia ilay vehivavy ihany no nentin\'izy ireo teo anoloan\'i Jesoa ...
-> raha manontany ianao hoe \"inona moa ny toeran-dra8 eo @ lafiny fiangonana ?\" dia iaraha-mahalala fa :
- filoha lefitry ny FJKM izy
- ny FFKM no nitso-drano azy amin\'io fitondrana io
Izay lafiny izay anefa ve dia ampy hitsarantsika azy ? Sao dia tahaka ireto jiosy miampanga ilay vehivavy janga ho tsy nanaraka ny lalàn\'i Mosesy koa isika !!
Hevitro manokana io ary ialako tsiny indrindra amintsika mety tohina na tsy miray hevitra amiko fa teto amin\'ny \"Fivavahana sy finoana\" moa no napetraky ainaheri ity lohateny ity dia izay no nahatonga ahy nandray anjara !
Marihiko etoana fa mba malahelo toy ny Malagasy rehetra ny tenako amin\'izao toe-draharaha miseho amin\'ny Tanindrazana izao. Amin\'ny maha Kristiana ny tena anefa dia tsy misy hafa tsy ny mivavaka no azo atao \"hankany amin\'iza moa izahay ? \"
6. prime
(
13/02/2009 12:07)
Mampieritreritra ny zava-misy ankehitriny ary mampandinin-tena lalina...
[bor2lais> Manaja ny hevitrao aho ary manaiky fa fahefana nomena avy amin\'Andriamanitra no natolotra ny filoha Ravalomanana...]
Fa mampandinin-tena ny zava-misy ankehitriny ary tsy itsarana azy velively fa mba handinihan\'ny tsirairay tena... fa Saoly Mpanjaka (Andriamanitra no nanendry sy nanosotra azy) rehefa nialan\'Andriamanitra dia nanamafy fo sy nanamarin-tena... fa rehefa tonga tamin\'ny tsy azo nanoharana intsony vao nieritreritra ny hiverina ka nahavita niantso ny Mpaminany efa maty mba hivavaka ho azy saingy indrisy... ny Farao rehefa nilazan\'Andriamanitra ny tsy maintsy handefana ny vahoakany ho afaka dia Andriamanitra mihitsy no nanamafy ny fony hiziriziry tsy hamela ny Zanak\'Israely nefa indrisy... tsy vitsy ny ohatra maneho ny fiasan\'Andriamanitra amin\'ny olona omena na ampindramin\'Andriamanitra fahefana...
Ny endrika isehoan\'ny asan\'Andriamanitra voalohany dia ny asan\'ny fanahin\'ny fibebahana amin\'izay tiany... indrisy nefa fa hamafisam-po no mbola misy ankehitriny...
Izaho dia mananatra mandrakariva antsika mpino kristiana mba tsy homba ny atsy na ny aroa ary raha mivavaka dia tsy ny ijanonan\'ny olona amin\'ny fahefana indramina na ny andrombahan\'ny olona ny fahefana avy amin\'Andriamanitra fa ny mba iasan\'ny fanahin\'ny fibebahana sy ny fahendrena...
Miala tsiny aho raha hilaza ireto ambarako ireto na dia FJKM aza ny tena ary mbola fitiavana no ilazana izao :
- mila mibebaka ny filoha Ravalomanana fa arakaraky ny hanamafisany fo no hahaloza ny fianjerany (izaho nefa tsy mahalala ny asan\'Andriamanitra ndrao Izy mihitsy no manamafy ny fony)
- mila mibebaka ny fiangonana sy ny filoham-piangonana, ny FFKM, ny FJKM indrindra indrindra fa ndrao tsy nijoro tamin\'ny asany ka mahatonga ny mpanompon\'Andriamanitra miziriziry toa izao... ary indraindray aza mahavaka mihitsy fa toa tsy manan-kambara ny amin\'ny tsy fahamarinana sy ny loza sy ny zavatra tsy mety rehetra eto amin\'ny firenena ny fiangonana (mampatsiahy indrindra ny zava-nisy tamin\'ny andron\'i Hitler tamin\'ny fahanginan\'ny fiangonana teo anoloan\'ny habibiana sy ny herisetra)...
- mila mibebaka ny mpino kristiana fa ndrao tsy mijoro amin\'ny fanarahana an\'i Jesosy ka dia manaiky sy manaraka ivoho ny itarihan\'ireo filoham-piangonana mitarika azy ireo, tsy mandinika araka ny asan\'ny Fanahy Masina ka tonga voazarazaran\'ny hevitra eto amin\'izao tontolo izao... manana adidy ny vahoakan\'Andriamanitra hampijoro ny fahamarinana sy ny filazantsara...
Izaho dia miteny mandrakariva amin\'ny namana rehetra, fa raha marary ny vahoaka dia tsy avelan\'Andriamanitra amin\'izao izany satria ny fahefana izay omen\'Andriamanitra ny olona sahaza izany dia natao hanompoana ny vahoaka sy ny fikatsahana ny irosoan\'ireo amin\'ny fihainoana sy fankatoavana an\'Andriamanitra... i Andry Rajoelina dia azo heverina ho tsy misy akory... ary tsy izy no olana (betsaka isika no diso hevitra ny amin\'io fa handeha atao hoe samborina izy dia gadraina dia apetraho ao amponao ny fanontaniana hoe hilamina va ny vahoaka??? dia hanaiky ny maharary azy va ny vahoaka???)... satria na tsy izy aza no hijoro hilaza ho mpitondra ny hevi-bahoaka dia tsy ilaozan\'izay iray hafa hijoro misolo azy eo... ilay vahoaka mihitsy no efa nikotrika aretina efa elaela ary nitroatra rehefa nisy tafahoatra ny tokony zakany ny niseho...
Handeha isika mianakavy tsy hihatsaravelatsihy, fa fantatsika ny zava-nisy sy ny zava-misy ary miara-miaiky isika fa misy zavatra tsy mazava saingy notakonantsika ny masontsika sy ny sofintsika na dia mihamahantra aza ny vahoaka, satria isika ihany no nametraka io fitondrana io... ka rehefa miseho ny marina na dia tsy amin\'ny fahafenoany aza dia ahodinkodintsika ny marina ka na efa mibaribary aza ny tsy mety dia tsy mba nisy nijoro nananatra na nanoro hevitra na nirotsaka an-tsehatra mihitsy amin\'ny fitiavana hanampy ny fitondrana... fa toa nampirisika aza... (na dia fantatra koa aza nefa fa izay sahisahy foana dia any am-pigadrana na voaroaka tsy miditra eto amin\'ny Nosy intsony)
Koa ny hany ambarako dia ny tsy itsaharana mivavaka mba anehoan\'Andriamanitra marina ny heviny ka aneken\'ny olona rehetra ny voninahiny sy ny fandaharany...
Ho an\'Andriamanitra anie ny voninahitra ary ho amintsika ny fiadanana ao amin\'i Jesosy Zanany... mahereza daholo...

8. fahamarinana
(
13/02/2009 15:32)
:arrow: Misaotra any prime ihany koa ny tenako fa mazava tsy misy hanampiana raha ny amiko aloha... (l)
9. soanja
(
13/02/2009 16:02)
ainaheri:
Manontany tena aho,tsy tokony @ maha mpitondra azy no ilazako eto fa noho ny toerany eo @ lafiny fiangonana,dia sahin-dravalo ve nanirak ny miaramila itifitra @ bala réel?? Mamy loatra angaha ilay toerana no andatsahan'ain'oul otr'zao,milaza fa ratsy ratsiraka nefa izy tsy nizahozaho nitondra fiangonana,fa ity farany itytena manafinkoho,miafina lava ambadik'io fivavahana io!!
Raha ny fahitako azy aloha dia ny Kapitalista sy ny mpino Xna tsy miaraka ireo.
Zany hoe na ianao hangoron-karena hanana izay takian'ny vatana sy saina na ianao hilofo amin'ny asan'ny fanahy ka hahantra ny vatana ary hiafy ny saina saingy tsy mijaly satria misandrahaka eny amin'ny hafa ny hatsarana naorianao.
Mila fahaizana mandanjalanja ny filazana fa hanaraka fierehana iray aho. Jesoa dia politikam-pitiavana maharitra sy mandrakizay.
10. ikaretsaka
(
13/02/2009 16:40)
Tsy azoko... nga moa ny hoe kapitalista= stereotypena ho mpangoronkarena? Amiko io manko possible hoe titre sy etikety fotriny
11. soanja
(
13/02/2009 17:13)
Tsia tsy etikety sy titre fotsiny akory io fa tena zavatra iray goavana atrehin'ny firenana sy ny maha-olom-pirenena antsika.
Tsy fanavakavahana velively ny ilazana io Firehan-kevitra io na antokon'olona io fa tena io mihitsy ny momba azy ireo. SAFIDY politika io. Diniho moa ny tantara sy ny fiaraha-monina ary ny ekonomia dia ahita i Ika fa ny fangoronan-karena dia tsy avy aiza fa avy amin'ny Kapitalisma saingy kosa misy sosialisma mitari-bato mivilam-bava be sia be tokoa. Ao anaty Firehana Kapitalista anefa dia azonao apetraka ny antsoina hoe " social entrepreneurship" ka io dia ahafahanao miahy ny hafa, manodidina sy ny daholo be nefa koa hanorenanao fahaleovan-tena maharitra ho anao.
Misy mahatsara azy anefa ny Kapitalisma ary misy ny maharatsy azy. Saingy raha amin'izao resaka Ra8 Izao dia anjarantsika ny mitsara hoe aiza izy manoloana ny firenentsika latsaka ankaterena.

12. ZoRajoela
(
22/02/2009 21:28)
Ao amin\' ny Romana 13 dia misy iza teny izao \" tsy misy fahefana ( gouvernement) izay tsy avy amin\' A/tra, ... ary izay manohitra ny manam- pahefana dia ahazo fanamelohana ( sera puni )...,fa mpanompon\' Andriamanitra izy, ka tsy entiny foana akory ny sabatra fa handatsaka fahatezerana amin\' izay manao ratsy izy,... ka aoka ny olona rehetra hanaiky ny fahefana lehibe.\' Ary ny andininy faha 5 dia milaza mafy mihintsy: \" koa tsy maintsy manaiky ny vahoaka, tsy nohon\' ny tahotra famaizana, fa amin\' ny sitram-po madio\". Izay manohitra fitondrana dia manohitra an\' A/tra. Raha misy critique tianao atao amin\' ny fitondrana, dia Ilay nametraka azy teo no ilazao izany: lazao amin\' A/tra hoe mamindra fo aminay ka hovay ny mpitondra fa reraka izahay. Ny fon\' ny mpajaka ( president, maire, directeur,...) dia eo ampelatanan\' A/tra, ka Izy no mamily azy any amin\' izay tiany hitondrana azy.
Misy ohabolana russe hoe: \" tsy misy vahoaka tsara manana mpitondra ratsy, ary tsy misy vahoaka ratsy manana mpitondra tsara: ratsy ny vahoaka dia ratsy ny mpitondra, tsara ny vahoaka dia tsara koa ny vahoaka \". Anao no mieritreritra.