Mpivavaka marina ve isika Malagasy ?

1. coopsal ( 03/02/2009 15:26)
Miarahaba antsika rehetra,

1- KORONTANA ETO MADAGASIKARA : Mahagaga
Na ny Filoham-pirenena Marc Ravalomanana na ny Ben\'ny tanànan\' Antananarivo dia samy olona mpitantana mahay, samy kristiana azo lazaina fa mafàna fo, ary samy ... tanora (na dia efa miha zokinjokiny aza Atoa. M.R.). Raha izao fifampiresahana hita izao anefa dia somary hafahafa ihany ary mahatonga an\'ilay hoe : mahagaga.
Ny tiana ho lazaina amin\'ny hoe \"mahagaga\" eto dia hoe, tsy manaraka lojikan-javatra :
a - Fahita maneran-tany ary mpisy hatrizay ny fisian\'ny mpanohitra fitondrana. Saingy tamin\'ity dia ny samy ao amin\'ny fitantanana ny raharaham-pirenena, izany hoe fanjakàna iray ihany no mifanohitra.
b - Raha iverenana jerena ny niantombohan\'izy ity dia toa noho ny fanakatonana ny televiziona viva (?). Ny mahagaga eto dia efa naverina ny televiziona Viva. Moa ve izany tsy tokony ho efa nilamina ny raharaha ? Saingy ankehitriny dia lasa tonga fanonganam-panjakana ny resaka.
d - Ny Alatsinainy 26 janoary teo dia niseho ny loza \"tsy nampoizina\". Ary na Atoa Filoha na Atoa Ben\'ny Tanàna dia samy manameloka ireny fandrobana sy fandoroana ireny ary samy milaza izy tsirairay fa tsy miaraka amin\'ny tenany ny olona nahavanona izany. Avy taiza marina ary no nihavian\'ireny mpandroba sy mpandoro ka nisian\'ny fatiolona sy faharatrana maro ary fahasimbana ireny ?
e - Raha voalaza fa hisy ny fifampidinihana eo amin\'ny roa tonta, ny zava-mitranga sy ny teny avoakan\'ny tsirairay anefa dia toa mahakely finoana ny amin\'ny hisian\'ny fifampidinihina. Izy roa dia samy manana antoka ny toerany : ny Filoham-pirenena dia mahazo antoka fara faharatsiny ny maha ara-dalàna ny fitondrana entiny. Ny Ben\'ny Tanàna miroso amin\'ny fahasahiana satria matoky fa manana ny rariny sy ny maro an\'isa miaraka aminy.

Mety samy hanana ny fijeriny na olon-tsotra, na mpanao politika, na mpandalina, na vahiny, na mpianatra. samy mety hiandany amin\'ny iray na ny iray. Izaho izay manoratra ity koa mba manana ny fijeriko ihany amin\'ny maha izaho ahy, kanefa eto dia tena araka ny oha-pitenenan\'ny razantsika hoe : fisaka ny marina ka saro-tadiavina. Na ny marimarina kokoa : \"fisaka (plan ~ 2 dimensions) ny fijerintsika olombelona ka tsy afaka ahitantsika velively ny tena marina, izay misy hadiry (volumique ~ en 3 dimensions)\". Mandrakariva rehefa mijery izay marina izay dia hoe : i ranona no marina ary i ranona no diso.
Amin\'ny finoako an\' Andriamanitra anefa, finoako fa misy Izy, Fitiavana, miteny amintsika olombelona ary mamaly ny hetahetantsika fahamarinana fa tsy be marenina, amin\'izany finoako izany, na dia tsy fanaoko loatra aza hatrizay ny mivavaka ho an\'ny firenena, dia mba nanao izany aho nanomboka ny Alahady 25 janoary 2009. Rehefa avy nivavaka aho ka nanokatra ny baiboliko, dia namaky, nahaliana ahy ihany ilay novakiako tao saingy tsy dia noeritreretiko be loatra, fanaoko isanandro ihany moa izany . Akory anefa ny hagagako fa nanomboka ny Alatsinainy 26 janoary 2009 dia izay teny rehetra azoko nandritra ny vavaka nataoko no ireny zava-niseho ireny.
Anisan\'ny nahatsapako bebe kokoa izany fa Andriamanitra dia miresaka amintsika olombelona saingy isika no tsy mampifantoka ny fontsika handre Azy.


2 - FOTOTRY NY OLANA : fiatsaram-belatsihintsika eo anatrehan\' Andriamanitra
Tena azo lazaina tsy am-pihambahambana fa mpivavaka ny Malagasy, tsy vao hatramin\'ny vanim-potoana nidiran\'ny filazantsara teto akory, fa ireo ohabolana isankarazany ary ny lova mikasika ny tantaram-pinoan\'ny Malagasy dia manambara ny finoan\'ny Malagasy an\' Andriamanitra, ny amin\'ny fahotana sy ny tsiny vokatr\'izany fahotana izany, izay zava-panahy lolohavina.

Ankehitriny dia voalaza fa efa ny antsasa-manilan\'ny Malagasy no mpivavaka ary Kristiana no betsaka amin\'ireo. Miroborobo eto Madagasikara mihitsy ny fivavahana amin\' Andriamanitra e, na antoko sy finoana inona io na inona.
Ohatra azo raisina amin\'izany, ny mpitondra izay manampy betsaka ary mitaona mikasika ny finoana. Isaka ny misy zavatra hatao eto Madagasikara dia misy fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana, na ny mpitondra na ny mpanohitra na olon-tsotra. Mitombo betsaka ny radio ara-pilazantsara. Ary na dia amin\'ireo radio tsy ara-pilazantsara sy gazety isan-karazany aza dia hita misy andinin-tsoratra masina na toriteny kely na fampianarana kely foana.
Tena mpivavaka ny Malagasy raha izany rehetra izany no jerena.

Ny fiainana iainantsika eto Madagasikara amin\'izao vanim-potoana izao anefa dia mampiseho mibaribary fa endrika ivelany sy fombafomba no tena ivavahan\'ny maro fa tsy amin\'ny fo mitady an\'izay antsoin\'izy ireo hoe \"Ray\".
Koa avelan\' Andriamanitra hihatra amintsika izao zavatra izao satria tsy mitady an\' Andriamanitra amin\'ny fontsika isika fa manao \"Tompoko, Tompoko\" fotsiny ihany. Tsy mitoky amin\' Andriamanitra isika fa ny mifanohitra amin\'izany aza : amin\'ny fomba fiaina dia miantsy (défier) an\' Andriamanitra, mametraka ny fitokisana amin\'ny hery hafa rehetra : ny tena, ny razana, ny vintana sy ny kisendrasendra, ny magie sy ny kintana amam-bolana, ny zava-tsoa ara-materialy, ny fahefana sy fitondrana manapaka eto amin\'izao tontolo izao. Raha bangoina tokana dia : tsy mitady an\' Andriamanitra ny Malagasy.
Haintsika mandraka ankehitriny ary ireharehantsika fatratra ny hoe \"fihavanana\", saingy eto dia miseho mazava fa resabe fotsiny ny antsika ny fihavanana fa tsy haintsika tanterahina. Ny fiainantsika entim-po dia ampy ahitana fa ny lohasaha mangina no jerentsika fa tsy mba Andriamanitra ao an-tampon\'ny loha velively.

3 - ZAVATRA TSY MAINTSY HITRANGA : fahasarotana ary mety hisy fatiolona mikararana
Tahaka izay nanirahan\' Andriamanitra an\'i Jona ho an\'ny mponin\'i Ninive, izao taratasy izao dia manambara fa rehefa nasehon\' Andriamanitra amintsika ny fahadiasoantsika, dia mitaona indrindra antsika Malagasy hitady an\' Andriamanitra amin\'ny fontsika manontolo :
a- Na dia jerena toa maivan-danja aza eo imason\'ny mpanara-maso iraisam-pirenena sy olona maro hafa ny entin\'Atoa. Andry Rajoelina, ary nihena ny vahoaka nanara-dia azy. Raha Andriamanitra koa no nahatonga izany dia ho tonga amin\'ny zava-mahagaga ny fahateren\' Atoa Ravalomanana Marc hiala ny fitondrana. Tsy ho amin\'ny vahoaka analinkisa na arivo akory aza izany, fa telonjato isa dia ampy hahatanteraka izany ary tsy amin\'ny herisetra sy korontana akory, fa araka ny lalàna.
b- Hitantanana ny firenena Atoa Andry Rajoelina. Tsy hisy hafa velively amin\'Atoa. Marc Ravalomanana anefa ny lalany, saingy izy kosa tsy haharitra eo fa vetivety monja.
c- Aorian\'Atoa. Andry Rajoelina dia olona avy any Avaratra no hitondra sy hanjakazaka eto, kanefa tsy haharitra ihany koa ireo.
d- Eto no misy ny fampisainana antsika Malagasy ary itaomana antsika tena hitady an\' Andriamanitra amin\'ny fo. Fa raha tsy izany dia hisy korontana hahafatesana olona maro dia maro, roa arivo anatin\'ny indray andro voalohany ary mety ho tonga hatramin\'ny 120000 ny isan\'ireo maty mandrapitsahatry ny korontana.

4 - FAMINTINANA SY TENY FARANY
a- Izao toe-draharaha misy eto Madagasikara izao dia tsy noho ny fahadalan\'olon-tokana, fa isika Malagasy rehetra dia tompon\' andraikitra amin\'ny teny sy fihetsika ataontsika sy izao zava-mitranga izao. Izao dia fanehoan\' Andriamanitra amintsika Malagasy fa diso lalana isika, kanefa mba firenena notahiana be tokoa. Ary mitaona antsika hampitodika ny fontsika marina amin\' Andriamanitra. Raha tsy izany dia ho ratsy ny raharaha.
b- Tsy mpaminany velively aho akory fa Malagasy malahelo ny zava-mitranga amin\'ny fireneko ary mba mitaintaina tahaka ireo namako ny amin\'izay zava-misy. Nitondra fotsiny izany ahiahiko izany teo anatrehan\' Andriamanitra tamin\'ny vavaky ny foko aho ary mitaona antsika rehetra mba hivavaka amin\'ny fo ho an\'ity firenena ity. Tsy hijanona amin\'ny firesahana amin\' Andriamanitra fa hihaino ny feon\' Andriamanitra miresaka amin\'ny tsirairay.
répondu par xxx le 13/02/2009 14:04
2. ikaretsaka ( 03/02/2009 16:08)
amiko manokana dia mpivavaka ny malagasy fa samy manana ny fomba fivavahany..

io fomba io dia sarotra ny milaza hoe ny an'iza na ny an'iza no tsara sy ratsy satria tsy ianao no hiantefan'ilay vavaka, fa ilay Nahary sy Nampisy izany rehetra "hivavahanao" izany, ary Ilay nampiasa anao hanampy Azy hanatanteraka izany (eny, na ny nijery fotsiny sy niaina ilay izy aza no nataonao)

amiko koa : ny tsy azo hiadian-kevitra dy tokony ho tsarovana dia fitaovan'Atra aby isika tsirairay avy... asan'Atra no ataontsika, eny na ny fiainana tsotra fotsiny eto @ ity tany fandalovana ity aza

Na "miatsara ivelatsihy isika" na manao "tompoko tompoko ihany", na mitory teny isika na manampy ny mahantra sy ny sahirana, na mitaingin-tseza any am-birao isika na miasa tany sy mitari-posy, dia sitrapon'Atra aby sy anjara lahasantsika eo @ fanasoavana ny zava boariny aby izany rehetra izany

Tsy voatery ho izay tiantsika, fa izay Mahasoa no aoka hotanteraka... hoy ilay Zezoita sola loha izay!
3. niryna ( 03/02/2009 17:18)
coopsal:

Miarahaba antsika rehetra,

1- KORONTANA ETO MADAGASIKARA : Mahagaga
Na ny Filoham-pirenena Marc Ravalomanana na ny Ben\'ny tanànan\' Antananarivo dia samy olona mpitantana mahay, samy kristiana azo lazaina fa mafàna fo, ary samy ... tanora (na dia efa miha zokinjokiny aza Atoa. M.R.). Raha izao fifampiresahana hita izao anefa dia somary hafahafa ihany ary mahatonga an\'ilay hoe : mahagaga.
Ny tiana ho lazaina amin\'ny hoe \"mahagaga\" eto dia hoe, tsy manaraka lojikan-javatra :
a - Fahita maneran-tany ary mpisy hatrizay ny fisian\'ny mpanohitra fitondrana. Saingy tamin\'ity dia ny samy ao amin\'ny fitantanana ny raharaham-pirenena, izany hoe fanjakàna iray ihany no mifanohitra.
b - Raha iverenana jerena ny niantombohan\'izy ity dia toa noho ny fanakatonana ny televiziona viva (?). Ny mahagaga eto dia efa naverina ny televiziona Viva. Moa ve izany tsy tokony ho efa nilamina ny raharaha ? Saingy ankehitriny dia lasa tonga fanonganam-panjakana ny resaka.
d - Ny Alatsinainy 26 janoary teo dia niseho ny loza \"tsy nampoizina\". Ary na Atoa Filoha na Atoa Ben\'ny Tanàna dia samy manameloka ireny fandrobana sy fandoroana ireny ary samy milaza izy tsirairay fa tsy miaraka amin\'ny tenany ny olona nahavanona izany. Avy taiza marina ary no nihavian\'ireny mpandroba sy mpandoro ka nisian\'ny fatiolona sy faharatrana maro ary fahasimbana ireny ?
e - Raha voalaza fa hisy ny fifampidinihana eo amin\'ny roa tonta, ny zava-mitranga sy ny teny avoakan\'ny tsirairay anefa dia toa mahakely finoana ny amin\'ny hisian\'ny fifampidinihina. Izy roa dia samy manana antoka ny toerany : ny Filoham-pirenena dia mahazo antoka fara faharatsiny ny maha ara-dalàna ny fitondrana entiny. Ny Ben\'ny Tanàna miroso amin\'ny fahasahiana satria matoky fa manana ny rariny sy ny maro an\'isa miaraka aminy.

Mety samy hanana ny fijeriny na olon-tsotra, na mpanao politika, na mpandalina, na vahiny, na mpianatra. samy mety hiandany amin\'ny iray na ny iray. Izaho izay manoratra ity koa mba manana ny fijeriko ihany amin\'ny maha izaho ahy, kanefa eto dia tena araka ny oha-pitenenan\'ny razantsika hoe : fisaka ny marina ka saro-tadiavina. Na ny marimarina kokoa : \"fisaka (plan ~ 2 dimensions) ny fijerintsika olombelona ka tsy afaka ahitantsika velively ny tena marina, izay misy hadiry (volumique ~ en 3 dimensions)\". Mandrakariva rehefa mijery izay marina izay dia hoe : i ranona no marina ary i ranona no diso.
Amin\'ny finoako an\' Andriamanitra anefa, finoako fa misy Izy, Fitiavana, miteny amintsika olombelona ary mamaly ny hetahetantsika fahamarinana fa tsy be marenina, amin\'izany finoako izany, na dia tsy fanaoko loatra aza hatrizay ny mivavaka ho an\'ny firenena, dia mba nanao izany aho nanomboka ny Alahady 25 janoary 2009. Rehefa avy nivavaka aho ka nanokatra ny baiboliko, dia namaky, nahaliana ahy ihany ilay novakiako tao saingy tsy dia noeritreretiko be loatra, fanaoko isanandro ihany moa izany . Akory anefa ny hagagako fa nanomboka ny Alatsinainy 26 janoary 2009 dia izay teny rehetra azoko nandritra ny vavaka nataoko no ireny zava-niseho ireny.
Anisan\'ny nahatsapako bebe kokoa izany fa Andriamanitra dia miresaka amintsika olombelona saingy isika no tsy mampifantoka ny fontsika handre Azy.


2 - FOTOTRY NY OLANA : fiatsaram-belatsihintsika eo anatrehan\' Andriamanitra
Tena azo lazaina tsy am-pihambahambana fa mpivavaka ny Malagasy, tsy vao hatramin\'ny vanim-potoana nidiran\'ny filazantsara teto akory, fa ireo ohabolana isankarazany ary ny lova mikasika ny tantaram-pinoan\'ny Malagasy dia manambara ny finoan\'ny Malagasy an\' Andriamanitra, ny amin\'ny fahotana sy ny tsiny vokatr\'izany fahotana izany, izay zava-panahy lolohavina.

Ankehitriny dia voalaza fa efa ny antsasa-manilan\'ny Malagasy no mpivavaka ary Kristiana no betsaka amin\'ireo. Miroborobo eto Madagasikara mihitsy ny fivavahana amin\' Andriamanitra e, na antoko sy finoana inona io na inona.
Ohatra azo raisina amin\'izany, ny mpitondra izay manampy betsaka ary mitaona mikasika ny finoana. Isaka ny misy zavatra hatao eto Madagasikara dia misy fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana, na ny mpitondra na ny mpanohitra na olon-tsotra. Mitombo betsaka ny radio ara-pilazantsara. Ary na dia amin\'ireo radio tsy ara-pilazantsara sy gazety isan-karazany aza dia hita misy andinin-tsoratra masina na toriteny kely na fampianarana kely foana.
Tena mpivavaka ny Malagasy raha izany rehetra izany no jerena.

Ny fiainana iainantsika eto Madagasikara amin\'izao vanim-potoana izao anefa dia mampiseho mibaribary fa endrika ivelany sy fombafomba no tena ivavahan\'ny maro fa tsy amin\'ny fo mitady an\'izay antsoin\'izy ireo hoe \"Ray\".
Koa avelan\' Andriamanitra hihatra amintsika izao zavatra izao satria tsy mitady an\' Andriamanitra amin\'ny fontsika isika fa manao \"Tompoko, Tompoko\" fotsiny ihany. Tsy mitoky amin\' Andriamanitra isika fa ny mifanohitra amin\'izany aza : amin\'ny fomba fiaina dia miantsy (défier) an\' Andriamanitra, mametraka ny fitokisana amin\'ny hery hafa rehetra : ny tena, ny razana, ny vintana sy ny kisendrasendra, ny magie sy ny kintana amam-bolana, ny zava-tsoa ara-materialy, ny fahefana sy fitondrana manapaka eto amin\'izao tontolo izao. Raha bangoina tokana dia : tsy mitady an\' Andriamanitra ny Malagasy.
Haintsika mandraka ankehitriny ary ireharehantsika fatratra ny hoe \"fihavanana\", saingy eto dia miseho mazava fa resabe fotsiny ny antsika ny fihavanana fa tsy haintsika tanterahina. Ny fiainantsika entim-po dia ampy ahitana fa ny lohasaha mangina no jerentsika fa tsy mba Andriamanitra ao an-tampon\'ny loha velively.

3 - ZAVATRA TSY MAINTSY HITRANGA : fahasarotana ary mety hisy fatiolona mikararana
Tahaka izay nanirahan\' Andriamanitra an\'i Jona ho an\'ny mponin\'i Ninive, izao taratasy izao dia manambara fa rehefa nasehon\' Andriamanitra amintsika ny fahadiasoantsika, dia mitaona indrindra antsika Malagasy hitady an\' Andriamanitra amin\'ny fontsika manontolo :
a- Na dia jerena toa maivan-danja aza eo imason\'ny mpanara-maso iraisam-pirenena sy olona maro hafa ny entin\'Atoa. Andry Rajoelina, ary nihena ny vahoaka nanara-dia azy. Raha Andriamanitra koa no nahatonga izany dia ho tonga amin\'ny zava-mahagaga ny fahateren\' Atoa Ravalomanana Marc hiala ny fitondrana. Tsy ho amin\'ny vahoaka analinkisa na arivo akory aza izany, fa telonjato isa dia ampy hahatanteraka izany ary tsy amin\'ny herisetra sy korontana akory, fa araka ny lalàna.
b- Hitantanana ny firenena Atoa Andry Rajoelina. Tsy hisy hafa velively amin\'Atoa. Marc Ravalomanana anefa ny lalany, saingy izy kosa tsy haharitra eo fa vetivety monja.
c- Aorian\'Atoa. Andry Rajoelina dia olona avy any Avaratra no hitondra sy hanjakazaka eto, kanefa tsy haharitra ihany koa ireo.
d- Eto no misy ny fampisainana antsika Malagasy ary itaomana antsika tena hitady an\' Andriamanitra amin\'ny fo. Fa raha tsy izany dia hisy korontana hahafatesana olona maro dia maro, roa arivo anatin\'ny indray andro voalohany ary mety ho tonga hatramin\'ny 120000 ny isan\'ireo maty mandrapitsahatry ny korontana.

4 - FAMINTINANA SY TENY FARANY
a- Izao toe-draharaha misy eto Madagasikara izao dia tsy noho ny fahadalan\'olon-tokana, fa isika Malagasy rehetra dia tompon\' andraikitra amin\'ny teny sy fihetsika ataontsika sy izao zava-mitranga izao. Izao dia fanehoan\' Andriamanitra amintsika Malagasy fa diso lalana isika, kanefa mba firenena notahiana be tokoa. Ary mitaona antsika hampitodika ny fontsika marina amin\' Andriamanitra. Raha tsy izany dia ho ratsy ny raharaha.
b- Tsy mpaminany velively aho akory fa Malagasy malahelo ny zava-mitranga amin\'ny fireneko ary mba mitaintaina tahaka ireo namako ny amin\'izay zava-misy. Nitondra fotsiny izany ahiahiko izany teo anatrehan\' Andriamanitra tamin\'ny vavaky ny foko aho ary mitaona antsika rehetra mba hivavaka amin\'ny fo ho an\'ity firenena ity. Tsy hijanona amin\'ny firesahana amin\' Andriamanitra fa hihaino ny feon\' Andriamanitra miresaka amin\'ny tsirairay.




misaotra anao nizara

ny hoe mpivavaka ve ny malagasy sa tsia dia Andrimanitra irery no mahalala izany .Ny takiany amntsika dia ny ametraka ny fiainantsika hoe eo am-pelantanany ,ny matahotra azy (fear of the lord is the begining of wisdom and knowledge) na hoe ny fahatahorana an'Atra no fiandohan'ny fahendrena sy fahalalana
matahotra ahoana moa izany ? mametraka azy ho Andrimanitra ambony ny zavatra rehetra ..manome hasina azy,midera ny anarany mandrakariva,manaraka ny teniny izay voasoratra,miady ny ratsy ,mandresy ny fakampanahy maro samy hafa,eny tsy mahatohitra izany isika raha tsy manana Azy .Koa raha mbola tsy manana an'Atra ny firenena na mbola mivavaka amin'ny Andrimanitra hafa dia hianjeran'ny fahatezeran'Atra isika .
Mety samy manana ny finoany ny olona fa raha tsy mametraka an'Atra ho Atra ,kristy ho Atra izay loharanon'ny famonjena dia mbola ho lavitra ny tolona .


4. ikaretsaka ( 03/02/2009 17:40)
Indro kely fotsiny @ le resaka "tahotra" an ATRA.
Aza afangaro ny tahotra.. @ teny Grika hoe "phobos" (ilay mangovitra sy mihorohoro) sy ny teny hebrio hoe "yare" (standing in awe..manaja sy mankalaza=when individual understands the power and position of what it reveres)

Sao very eo am-pandikana indray
5. mia ( 03/02/2009 20:19)
coopsal>mahavarina ny zavatra soratanao ary indrindra ilay hoe
a- Raha Andriamanitra koa no nahatonga izany dia ho tonga amin\'ny zava-mahagaga ny fahateren\' Atoa Ravalomanana Marc hiala ny fitondrana. Tsy ho amin\'ny vahoaka analinkisa na arivo akory aza izany, fa telonjato isa dia ampy hahatanteraka izany ary tsy amin\'ny herisetra sy korontana akory, fa araka ny lalàna.
b- Hitantanana ny firenena Atoa Andry Rajoelina. Tsy hisy hafa velively amin\'Atoa. Marc Ravalomanana anefa ny lalany, saingy izy kosa tsy haharitra eo fa vetivety monja.
c- Aorian\'Atoa. Andry Rajoelina dia olona avy any Avaratra no hitondra sy hanjakazaka eto, kanefa tsy haharitra ihany koa ireo.

Aoka ny fotoana no hitsara raha marina na tsia ny voalazanao fa ny tiako ho tenenina fotsiny dia tsy ao Gasikara ihany no misy mpihatsaravelatsihy sy mametraka ny fitokisana amin\'ny hery hafa rehetra : ny tena, ny razana, ny vintana sy ny kisendrasendra, ny magie sy ny kintana amam-bolana, ny zava-tsoa ara-materialy, ny fahefana sy fitondrana manapaka eto amin\'izao tontolo izao.

Feno an\'izany eto an-tany satria efa miharatsy ny olona,ary any am-parany dia efa voalaza fa ho tia tena, mpieboebo, tsy manaja ny masina sns ny olona

Fa saingy ny tiako tsindrina dia ny resaka autorité izay tsy azo alaina amin-kery satria sans autorité il y a anarchie, l\'autorité se gagne par la manifestation de l\'esprit fa tsy avy amin\'ny titre-nao, raha eto an-tany ny autorités dia judiciaires, parentales ary indrindra koa ny institutions (gouvernement humain sy ny fiangonana)

Izay ilay hoe omeo an\'i kaisara izay an\'i kaisara ary an\'Atra izay Azy; la reconnaissance de l\'autorité izany,
Rehefa tsy misy soumission amin\'ny autorité dia misy rebellion!!!jésus aza nanaiky ni-reconnaitre autoritén\'olombelona dia i kaisara izay lhl tsy marina!

Ny désobéissance koa dia fahotana mitovy amin\'ny fanompoan-tsampy! satria ny autorité tsy avy @ olombelona

Rehefa miteny ratsy momba ny olona nomena autorité isika dia efa manota anie!izay no mahatonga olana, tsy ny olona no hanaovana soumission fa ny autorité représenté-ny.Fa ny autorité koa anefa peut se perdre raha miova lalana, tsy responsable intsony

Fa ny tena marina koa dia ny REBELLION c\'est un principe satanique toy ny rivalité sy ny course au pouvoir

Raha misy olona te hamotika ny autorité na pouvoir amin\'ny provocation sns nefa kosa fidèle amin\'ny TOMPO ny ankilany dia vao maika plus fort,
Ce qui vous tue pas vous rend plus fort.

Mila samy mihaiky ny fahotany dia miverina amin\'ny TOMPO ny tsirairay
6. xxx ( 05/02/2009 05:41)
Mpivavaka anarany fotsiny, eny na eto @ forum eto aza, te hiseho² sy hizesta fotsiny hoe mitory ary ampiasaina @ fitiavan-tena ny ankamaroany!
Tsy misy marina na de iray aza! ça c'est sûre!!!!!!
Za tsy mitsara fa izay ny zava-misy ary marina mivandravandra hitako no lazaiko! :lol:
7. soanja ( 05/02/2009 06:28)
Sarotra be ny mamaly ilay fanontaniana.

Raha ny fahitako anazy aloha, ary mitsara aho milaza izany azafady satria mitaky izany ny fanontaniana, fa tsy tena vontom-pinoana isika Malagasy. Satria nahoana, zatra loatra ny omem-potsiny momban'ny finoana fa tsy mba tia mikaroka ho fanatsara ny fiainam-panahy ho an' ny tena manokana. Sanatria tsy toy ny biby ihany no fahitako azy. Izao atao dia iny atao.

Ny fametrahana ny tena ho isan'ny lohalaharana amin'ny fanompoana an'Andriamanitra dia mitarika fitakiana ao anaty hoe inona moa ny momba ahy manoloana an'izao tontolo izao? Nahoana aho no nisy ary aiza ny ho aviko manoloana ny tontolo voavoatra. Inona no andraikitra miandry ahy ary ahoana no anantanterahako izany?

Raha mbola tsy mametraka fanontaniana sy mitsidika ny any anatiny ny olona iray dia tsy ahahatazana velively ilay Andriamanitra katsahiny. Miatoboka ao anaty Andriamanitra ary misandrahaka eny amin'ny hafa ny tarany.

Namaste!
8. mia ( 05/02/2009 11:00)
xxx:

Mpivavaka anarany fotsiny, eny na eto @ forum eto aza, te hiseho² sy hizesta fotsiny hoe mitory ary ampiasaina @ fitiavan-tena ny ankamaroany!
Tsy misy marina na de iray aza! ça c'est sûre!!!!!!
Za tsy mitsara fa izay ny zava-misy ary marina mivandravandra hitako no lazaiko! :lol:


Ny tsirairay sy Ilay Ivavahany mandinika ny voa, foa sy ny ao anaty rehetra no tena mahalala izany!
Ny Kristianina dia olona libre, libre satria ao amin'i kristy ary kristy no mitsinjo izay alehany!!
Ny olona anefaa dia ho tsy voasakana ny vavany fa mahazo mitsikera foana koa!na mety na tsy mety atao, fa kosa ny mahasamihafa ny kristianina amin'ny hafa dia ao an-tsaina foana hoe izao ataoko izao ve mifanaraka amin'ny sitrapon'Atra sa tsia???manome voninahitra Azy ve??

La vérité vous affranchira hoy ny Tompo,nefa Izy koa nilaza fa Izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana! raha tsy Izy izany no arahina tsy ahita ny marina mihitsy!

Tsy misy tokoa parfait raha tsy ao Aminy ihany, tsy marina tokoa ny olombelona ry XXX fa saingy kosa., Jesoa tonga hamonjy sy hanadio ary hanamarina antsika!!rehefa miaraka sy tehiriziny ao Aminy.
Vaovao mahafaly izany ary tsy ny fahoriana sy ny korontana eto an-tany mihitsy no hamaritra ny ho avy miaraka aminy!
9. bor2lais ( 06/02/2009 13:28)
Hoy Ika :

\"amiko manokana dia mpivavaka ny malagasy fa samy manana ny fomba fivavahany.. \"

-> miombon-kevitra tanteraka aho eto

Dia hoy indray Ika :

\"io fomba io dia sarotra ny milaza hoe ny an\'iza na ny an\'iza no tsara sy ratsy satria tsy ianao no hiantefan\'ilay vavaka, fa ilay Nahary sy Nampisy izany rehetra \"hivavahanao\" izany, ary Ilay nampiasa anao hanampy Azy hanatanteraka izany (eny, na ny nijery fotsiny sy niaina ilay izy aza no nataonao) \"

-> mankasitraka e ! Zay mantsy no toa tsy dia mahamety loatra miresaka momba ny \"fomba fivavahana\" : sa ahoana hoy ianao ?

Hoy ihany Ika :

\"amiko koa : ny tsy azo hiadian-kevitra dy tokony ho tsarovana dia fitaovan\'Atra aby isika tsirairay avy... asan\'Atra no ataontsika, eny na ny fiainana tsotra fotsiny eto @ ity tany fandalovana ity aza\"

-> Iombonako ihany koa ary ampiako hoe : ny olona mino Azy no (tokony) mahatsapa io !

Notohizan\'i Ika indray :

\"Na \"miatsara ivelatsihy isika\" na manao \"tompoko tompoko ihany\", na mitory teny isika na manampy ny mahantra sy ny sahirana, na mitaingin-tseza any am-birao isika na miasa tany sy mitari-posy, dia sitrapon\'Atra aby sy anjara lahasantsika eo @ fanasoavana ny zava boariny aby izany rehetra izany \"

-> Ilay \"miatsara ivelatsihy\" kosa angamba tsy ao anatin\'ny sitrapoNY raha ny hevitro manokana : tsy fadiovam-po mantsy io amiko ary mila entina eo Aminy ho dioviNY ! Sa ahoana ?

Farany dia hoy i Ika :

\"Tsy voatery ho izay tiantsika, fa izay Mahasoa no aoka hotanteraka... hoy ilay Zezoita sola loha izay!\"

-> Izay mantsy no antsoina hoe manankina ny fiainana Aminy (Tompo sy Mpamonjy) sy ilay hoe : ny zava-drehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an\'Andriamanitra ...

Fehiny : iombonako ny ankamaroan\'ny voalazan\'i Ika eto !

:D
10. fijo ( 06/02/2009 22:05)
mpivavaka ny malagasy fa tsy mpino.izay no marimarina kokoa
11. prime ( 13/02/2009 12:25)
mia> Iraisako hevitra ny ambaranao no sady marina rahateo mikasika ny fahefana sy ny tsy tokony anoherana izany fa mba misy hevitra iray koa tsara dinihana ity...

Tsy tokony adino fa izay omena fahefana dia tsy tompony fa mpindrana ary ny ampiasana izany fahefana izany dia anompoana an'Andriamanitra Tompon'izany fahefana izany no sady anompoana ireo izay ampiasana sy iasan'izany fahefana izany ihany ihany koa, dia ny vahoaka... mitaky fahendrena sy fahalalana ary fatahorana an'Andriamanitra izany ka rehefa ialan'Andriamanitra ny tena izay nomena fahefana nefa nivily lalana dia ny mibebaka sy miverina amin'Andriamanitra ihany no lalan-tokana iverenana ao amin'Andriamanitra (jereo anie Davida, Solomona, Saoly...) (ary tsy voatery averin'Andriamanitra ilay fahefana...) fa raha tsy izany dia faizin'Andriamanitra izay manamafy fo no sady faiziny rahateo ny vahoakany... izany no tokony tsy itsaharan'ny mpino itondrana amim-bavaka ny mpitondra ao aminy mba hatahotra sy hankato an'Andriamanitra ireo satria ny vahoaka ihany no ianjeran'ny fahadalan'ny olon'Andriamanitra nomena fahefana rehefa mampiasa izany tsy amin'ny sitrapon'Andriamanitra izy ireo...

Izay ihany no tiako ambara... mahereza daholo
Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra...
12. xxx ( 13/02/2009 14:04)
Salamo 33:12 "sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany."

Salamo 144:15 "sambatra ny firenena izay tahaka izany; Eny, sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny."

Mahatsiaro ho sambatra tokoa ve ny firenentsika @ izao fotana izao?
Inona no mahatonga ny firenentsika tonga @ izao korontana izao?
Tokony handinintena ny olona tsirairay, ny kristianina rehetra hoe eo ambany fitahian'A/tra ve ny firenentsika sa tsia ary mila mitondra am-bavaka ity firenentsika ity isika satria misy antony matoa miseho izao zavatra rehetra izao. ka haharitra @ fivavahana.
tao Sodoma izao Abrahama nangataka t@ A/tra oe raha misy 50 meloka dia haringanao ve ny tanàna, dia tsia hoy A/tra. Nijanona teo @ 10 ny fangatahany kanefa dia tsy nisy ihany. Asa izay niseho raha nangataka hatr@ 1 i Abrahama fa tsy nijanona teo @ 10.
Dia mba toy izay koa isika, tokony mba haharitra @ fivavahana hoan'ny tanindrazantsika.
Tsy mijery hoe mpivavaka marina v na tsia ny malagasy fa mitory an'izay mbola tsy manana ny famonjena ary mivavaka koa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.05