eto isika izao fa tsy azony mpanao politika arirarira ....

1. naughtyboy ( 29/01/2009 19:39)
ny vahoaka dia mandry tsy lavo loha ary mbola tsy nahazo vinavinankevitra na rafitra fanorenana sy paika matotra ialàna @ izao kizo izao ,manomboka ho lasa saina ny olona ilaozany ry zalahy miady isany seza v ka ny fiainampirenena no atao ambaninjavatra sa inona no andrasana tsy irosoana @ vahaolana mahomby hialàna @ fahavoazana ,izaho indray dia tsy misalasala fa hevitra no masaka azo aroso ka izao no izy fa mitombo ny tsy an'asa ,tsy mianatra tsy manankohanina ....io sisa no lalana ivoahana ny kizo

- Empechement du chef du gouvernement actuel et garde à vue ,tsy fahazahoany lalana mivoaka ny territoire malagasy,fitazomany fanjakana ireo fananany mandrapahatongany fitsarana azy raha meloka na tsia,confiscations immediate ny air force1,2 .
- reforme d'institutions de gouvernance par intérim
fananganana fifanarahana eo @ vondrona mpisolotena na arapolitika na sosialy na aratoekarena na arampivavahana izay elanelaniny Haute Court Supreme de Justice/pouvoir ultimate judiciaire separée de l'institution
-prise en charge de la securité nationale via le gouvernement par intérim -redémarrage des moteurs administratives ,fonctions publiques qui sont indispensable comme l' economie et finance ,sociale,publique,education,
santé publique
- deléguer toutes les taches indispensables aux seins des comités nationales
de chaque secteurs,economique,finance,santé,education,tourisme,culture,
et suspension de toutes conventions ou traités internationales en cours (rio tinto,ect..) à titre de révision à la constitution pour le prochain (4eme)gouvernement
-fanendrena ny pouvoir exécutif na filohany tetezamita hiandraikitra ny fampandehanandraharaha izay araky ny safidiny vahoaka fa tsy atolotry vondron'antoko vitsivitsy sanatria

-ny fahefana ananany dia hitantana ny fitondrana tetezamita ka hitsinjo ny

. fanarenana ny toedrahadraha @ izao fotoana ary hikarakara ny forum national sy hanantateraka ireo volavolankevitra fampandrosoana ny firenena ,
ivoahana @ kizo ka ahafantsika mitazona ny toerana fampiantranona ny sommet afrikana ary ny fracophonie @ farany taona izay fidirambola no voninahitra tsy maintsy ho tandrovantsika
. hanomana fandrindrana ampilaminana sy aradrariny ny fifidianana manaraka ho avy,sy ireo codes eléctorales

- Ny fahefana manaramaso sy mitsara azy dia ny Haute Court Supreme de Justice izay tsy olona teo aloha fotsiny @ HCC fa ahitàna olona comité judiciaire samihafa na sosialy,lalàna ekonomika sy finansy hafa izay fahefana misaraka sy manapaka tanteraka ny asany

ireo NO lalana TSY maintsy ALEHA MANARAKA EO na ahoana na ahoana satria tsy azo averina intsony izay efa vita ,fa vahaolana iatrehana ny ho avy no aroso ka aiza ny fandraisana andraikitry Andry sy le8 fa ny vahoaka rehetra de ao anaty kizo ka hivoaka ao hitady anareo raha variana mizara seza fotsiny nareo,avereno @ vahoaka ny zony,rariny,hitsiny izay takiany @ izao fotoana
répondu par naughtyboy le 30/01/2009 07:28
2. flodine ( 29/01/2009 19:42)
reraka ny saiko mandinika ny adisezan'gasy....................................................................
3. naughtyboy ( 29/01/2009 19:49)
flodine > izaho koa tsy mila seza i N.B na kely aza fa ilaza aminao fotsiny ,raha lasa any @ ankolafiny le8 i Andry de izay no nataony satria nivadika t@ vahoaka ihany koa(nanakalo ny vahoaka t@ le8)ary fahavalony koa,olompirenena tsotra leony anganony mpanao politika aho ka mila fiovana toy ny rehetra fa tsy fampanantenana
4. OoRakotooO ( 29/01/2009 20:22)
Izay no izy ry Naughtyboy a!
Fa zany hoe :
tsy fahazahoany lalana mivoaka


Alalana (authorization) no izy fa tsy lalana (way) :wink:


Haute Court Supreme de Justice/pouvoir ultimate judiciaire separée de l'institution


Haute... Supreme ....Ultimate Pléonasme avy @ anglicisme zany baina a! :wink:

Fa ankaotr'izay dia miombo-kevitra 100%.


5. naughtyboy ( 30/01/2009 04:50)
ekena,e
6. Mandefitra ( 30/01/2009 05:13)
Raha azoko tsara zany de ny t@ 91 no miverina?

1/Ra8 tsy hanaiky mora an zany
2/zany tokoa ve ny safidim-bahoaka sa hetahetan ny mpibizina fotsiny io?
3/zakan i Andry sy ny ekipany ve zany? kely dia kely ny finoako satria Tana aza tsy voafehy,fak oaza tsy voaroaka, mpivarotra amoron-dalana aza tsy voasakana, vahoaka 80.000 aza tsy hay ny niaro aza tsy hihoam pefy maika fa 15M ....

Ny anay tsotra e : aza potehina ny firenena, masina ny tanindrazana.
7. naughtyboy ( 30/01/2009 05:25)
Hafa ty indray mitoraka ity
1 . Tsy le8 intsony no tompony safidy ka izay tiany no hatao,ny VAHOAKA ka tsy afaka mankaiza intsony izy na hanambitamby any Andry @ pilasy P.M aza
2 . bizna ny vahoaka io ka masimandidy izy ireo @ hetahetany
3 . aferampirenena io aza adino fa tsy aaferany Andry manokana ,ireo malagasy 20 millions no fanoitra sy hery hanampy hanova izany rehetra izany

ilay tompon'antoka nanapotika nandritra ny 7 taona izao no atao porofo voalohany fa azo samborina sy entina eo anatrehany lalàna koa izy satria masina tokoa ny tanindrazana ,ary ny vahoaka dia hiaramientana hanarina ireo tsy nety hatrizay,toko tapaka vilany mitongilana izay tsy mety arenina ....
8. Mandefitra ( 30/01/2009 05:40)
1/Ny vahoaka de tsy te hiaina ny girevy lavareny sy fanimban-javatra intsony. Marary azy ireny, ary mbola mamela takaitra sy ratra tsy ho sitrana.

2/Raha mbola tsy manana rafitra sy fandaharan'asa maty paika, ary olona tsara sitrapo fanta-bahoaka ary to teny afaka hitondra avo ny fanevam-pirenena, aza maika ny handrava

3/Tsy misy filaminana sy fandriam-pahalemana azo atsangana anaty valifaty sy lolom-po.

4/Tsy misy olona tonga lafatra, fa zay manao ihany no mahazo tsiny.
9. naughtyboy ( 30/01/2009 05:59)
1 .izay mamaly ny faharoa koa de tsotra,mba hialàna @ izany fahavoazana izany no anomezana tolonkevitra eto sy soritra mazava fa tsy fitarainana, ny fandravana dia efa tao anatiny 20 taonany deba sy 7 any le8 efa be ny ravan'izy 2 lahy ireo AMPY izay LEO ny tany amamonina,ny fanarenana no jerena izao .20 millions no isany malagasy ,1 fotsiny no andrasana ary fanantenana no manainga ny rehetra hanorina, adidy no iantsorohany ilay 1 ho voafidy eo fa tsy seza sao ho diso paika,tsy lany olomanga i Gasikara nefa misy ny dingana izay miatomboka @ laharampahamehana eo isika izao

3 . efa nolazaiko ary averiko ihany fa ny fampanjakàna ny rariny sy ny hitsiny ihany no lalana @ filaminana sy fahandriampahalemana

2 . ny lafatra akory tsy hisy fa ny manana finiavana tsara sy tia tanindrazana ary manapanahy no ilaina sy tadiavina ,misy oh. v ny @ izany nanao nahazo tsiny izany azo avoaka eto dia ho henoiny rehetra sa resaka ankimbony omby zany ,tsy adala akory ireo vahoaka tonga @ izao hetsika izao satria tsisy ny vita fa ny kitampombolany olona vitsy no nihafeno ???
10. Mandefitra ( 30/01/2009 06:28)
Ny zava bita:
1/Ny lalan-kely rehetra eny Manjakaray : 100% arema ny eny fa tsisy fanamboarana hatrizay nahazoana ny fahaleovan-tena. Ra8 no nahavita izany
2/Ny bypass, ny lalam-baovao, ny tsenan'anosibe, ny mampitohy an'i tana- diego etc ...
3/Fahiny ny mpanangom-bokatra no manambaka ny tsantsaha satria tsy vita ny lalana, vary maintso dia vidiana eny antsaha. Vary feno vatokely no sakafon'ny gasy. Namboarindra8 ny lalana, natsangany ny silo teo vodihala ho fanangonam-bokatra, namporisihany ny tantsaha hamboly nomena valisoa mitsy ... tsy hitako zay olana.

4/Taloha naondrana brut ny hazo, ripaka ny ala antsinanana. Raisin-dra8 ny bizina, hazo voavoatra no ahondrana, mba misy + value kokoa ho an'ny firenena.

5/Taloha produit de luxe ny dibera sy ny yaourt .... ankehitriny na ny 4m's aza mihinana zany.

6/Tsy produit gasy @ gr surface aty Maurice, tsaramaso avy no avy any chine sy canada, satria nahoana? tsy vonona ny hanaraka norme ny gasy. Mizotra ho @ zany ra8, saingy ny sarambabembahoaka tsy nahita fianarana sady tsy vonona ny hivoatra zatra ny toto tanana sy ny savony gasy ... tsy arany ilay dingana lehibe.
Tsy miantsena any @ gr surface tsinn fa mbola vitan ny gaboraraka eny antsena aby ny zavatra rehetra.

7/Taloha isika no namatsy hena ny nosy manodidina, zao sud af sy australie no hena amidy aty @ vidiny 100.000 fmg ny 1kg ... Hanangana orin'asa manao provende sy abattoire manara-penitra ra8 ... aiza no bleme?

8/efa firy taona ny savonnerie tropicale? mba nisy ve hoe ty savony nosy natao fandroana, ty natao fanasana lamba, mba misy etiquette hahafahan'ny vahiny mahalala ny vokatra amidinao? non tsy misy mahasamihafa ny savony nosy @ savony gasy .. ny lokony angaha.

Marina fa mety misy ampihi-mamba eo, fa refa manao zavatra ataovy milay, manara-penitra fa aoka zay ny toto tanana.
Saintsaino zany raha te handroso ... fa raha mbola te ho babakoton'olona moa maninona, arodany ndray aloha fa tsy ho hita eo ve afaka 10 taona, comme d'habitude.

11. naughtyboy ( 30/01/2009 06:37)
zao fotsiny mandefitra a, efa voalazako eo ambony ireo ny zvmisy sy ny ilainy firenena @ izao fotoana iarahamahalalafa ny zvdehibe sy lesona azo tsoahina @ zao dia tsotra:

Misy ny RARINY sy ny HITSINY tsy azo takotakomana fotsiny @ fahefana na anaovana tsindrio fa lavo porofo izany @deba ,izao indray le8,anatra izany ho an'ireo mpamilivily ny saimbahoaka sy nanabado azy ireo hatrizay NA IZA IZY NA IZA ,i Andry sy ireo ao ambadikany koa,anatra ho any mpanao hitsindalana politika rehetra izay: TOY NY ALOKA IREO TENY 2 ireo(RARINY sy ny HITSINY ) ka tsy azon'iza n'iza idifiana fa manaraka anao eny sy mahafantatra ny tsara sy ratsy atao ka itsara anao andro 1
Mila fitsarana ireny olomeloka ireny ny vahoaka dia hiverina ny fitakiany sy ny zony...
12. naughtyboy ( 30/01/2009 07:28)
tsy hivalapatra aho @ reo fa valiteny tsotra ary tsy mitanila ,raha izao fijeriny mandefitra no dinihana dia mandala an\'i fitondrany le8 mazava oazy

1. ny resaka lalana dia tsy ny babakoto ihany akory no mahalala fa io laharampahamehana raha te ampitombo ny sehatra famokarana (mamaly ny faha2 koa),t@ androny fahampanjaka izany dia efa nisy ny fanamboarandalana raha nanambatra an\'i Gasikara ho nosy 1 ilay strategist malagasy voalohany ,na ny mpanjanaka aza dia nanohy sy nanao be tokoa amoahany ireo vokatra ahondrany any aminy(lalamby sns etsy andaniny),i deba moa dia tsy lazaina nisy koa ireo natombony isamparitra nefa dia tapaka antenatenany,i Manjakaray v no oh. inona tsara no vokatra na investment azo eny priority v izany mihoatra ireo faritra izay mila izany ???

3 . Ny fahiny aza no afaka mbola niaina ireo mpamboly t@ SINPA sns,fa 7 taona izay ny orinasany le8 mivantana no manangombokatra ka manery ny tantsaha hivarotra @ vidiny ambany be ,izany v no valisoa ??? fambotriana tanteraka ireo mpamboly (75% ny population)ny nananganany ny silo dia ho tanjona ary fampitomboany mivantana ny tombotsoany orinasany(anisany infractions de la loi constitutionelle )

4 . vokatry ny monopolisation ny tsenany fanondranana hazo no nahatonga izany ary ny orinasany(anti-constitutionelle ,et judiciable à l\'encontre des interets publique)no nitavana ny tombotsoa voalohany fa tsy ny vahoaka namboly azy amantaonany,
na ny kitampompanjakana no nitombo,aleo azava betsaka aza @ ireo nahondrany society zanany vavy no saisie tao maorisy(port louis)satria voaràra(loi internationale noho ny fahakelezany ala sy ny faharipahany) sy tsy en norme ireo vokatra ireo

5 . ireo v no tena fototsakafony malagasy izay matiny mosary sa fomba hafa ampitomboana ny fangoronakareny le8 ,aiza no ho tratra ny fahavitantena aratsakafo ????

- ireo ambiny manaraka ireo dia dingana lavitrezaka mila fitaizàna ny standard,nefa ny olana dia izy natao hitarika aza moa tsy mahatakatra izany sy ireo olona nosafidiany ka ho aiza eo isika ,mba misy fikambanana atao marionety atsangatsangana satria takiany W.B sy ny IMF izany rafitra izany @ transfert de technology ,firy nefa ny orinasa efa nahazo izany famindrana haitao izany afatsy ny azy ihany ????

Ka rehefa nanao zv tsy milay ,ampihimamba sy revina babakoto nandroba fananambahoaka de tsotra ,ny vahoaka no porofo manohitra ny fanambakana sy efa nitsara ny nataony ka hitondra azy eo anatrehany lalàna tsy ho ela intsony ho ohatry ny fampanjakàna ny RARINY sy ny HITSINY fa tany misy lalàna ary masina i Madagasikara
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1383