AIZA NY TAFIKA MILA HAROVANA NY VAHOAKA SY NY FANANANY

1. nyavo2000 ( 27/01/2009 09:43)
Samy efa mifanilika fa tsy tompon'andraikitra amin'ny fandrobana sy ny korontana na i Andry nitarika izany omaly na ny fanjakana tsy fantatra hoe inona mety hataony:

Ny ahy dia tsotra mila arovana ny vahoaka sy ny fananany fa tsy avela hanao izay tiany hatao toy izao ny mpanakorotana ( i Shoprite indray no cible ka miady ao hono ny samy TGV: ao ny miaro hoe aza miditra, ny sasany milaza hoe mbola tsy nahazo ny anjarany omaly ka dia mba haka koa)

Tokony hanaparitaka, hisambotra ary hitifitra raha ilaina ny tafika fa tsy hihainohaino toa izao, satria efa samy tsy te ho tompon'andraikitra amin'ny mpanakorontana ny andaniny sy ny ankilany.

Aleo tsy misy miaramila raha tsy mahavita ny tokony ho asany, tokony havadika toeram-pampianarana na hopitaly ireny toby miaramila rehetra ireny fa fandaniam-bola fotsiny. Isan-taona izao mahazo grady colonel, jeneraly saingy hay jeneraly sy colonel vatatay daholo....

Tokony hahena ny isan'izy ireo fa tsy misy hilana azy , mpandany volam-bahoaka, ny vahoaka no mangana mandoa hetra , ary karamaina izy ireny hiaro vahoaka indrindra amin'ny fotoana toy izao ....
répondu par mia le 27/01/2009 19:12
2. penguin ( 27/01/2009 09:52)
Fa iza moa no Jeneraly nahita Guerre ka inona no mahagaga raha samy miala pas ? Izay misy ny maro no misy ny hery ary arahin'ny mpitandro filaminana. Aza adino fa mety handroba sy hamono ny mpitondra na ny mpitandro filaminana aza.
Ahena ny isan'ireo ianao ihany no hizaha azy rehefa tonga ny tsy mety. Atao betsaka tsy hita fa manahy zvtr fotsiny koa sady mandany vola. Dia eo fa ny Andry TGV no ahay handamina ny rhtra ary hitondra ny soa ho an'i Madagasikara ka dia ho hita eo izany.
3. Rafahafahana ( 27/01/2009 09:57)
Tsy omena bandikely mamba noana ny fitondrana iza moa no ao am-badik'io fa tsy ry ratsiraka sy ny tariny dia hihodikodina eo zany ny raharaha fa tsy handroso mihitsy.
4. hery ( 27/01/2009 10:21)
Ahoana ary ity miantso tafika ity kanefa teo nizesta hoe tsy mila tafika. Ny tafika dia mila mpibaiko vao mihetsika. Ny mpibaiko ny miaramila nesorin'ny mpikomy teo amin'ny toerany. Dia anjaran'ny mpikomy no mila milatsaka ho mpibaiko... ma mitady fika hiarovana ny tanàna.

Rehefa miantso désobéissance civile dia efa tokony mandamina hoe raha tsy mihetsika (satria mi-désobeir koa) na resy (na mandefitra tsy mitifitra) ny tafika dia inona no hatao?

Vao izany ve no mitranga dia efa tsy hain'i Andry sahady ny mi-gérer azy?
5. xxx ( 27/01/2009 10:44)
moramora leretsy a.
tsy mba mijery ny fiaingan'ny tantara tany ifotony ve fa mitsara ny omaly sy ny afakomaly e?
fa maninona ny tafika no tsy mihetsika? satria miandry ny filoha faratampony izy hibaiko azy.
f'angah moa efa niala sahady ravalo? toa tsy mbola naheno an'izany aho kah. mbola ao izy fa tsy miraharaha ireto vahoaka malagasy mbola milaza ho tia azy.
6. mino ( 27/01/2009 11:27)
Ry vahoaka Malagasy,na ampitandranomasina hianao na antoereana
Dia izao no ambarako anao VAVAKA avy amiko sy avy aminao no Takian'Andriamanitra;fa tsy FITSARANA ny atsy na ny aroa.Aza miandany akory fa Malagasy iray ihany io.
Voalazantsika ombieny ombieny ato ,fa manjaka sy manao ny asanytanteraka ny devoly. Izaho kosa Mampahery antsika rehetra hoe:
7. andrywui ( 27/01/2009 12:06)
Matoa tsy mihetsika fa miziriziry ko ny mpitandro filaminana de efa nahazo mangirifiry tam Prezida ko izy ireo! ka zara aza misy setroka hialana oe tsy nitomany!! FA MIOMBOPEO AMIN'NY REHETRA KOSA AHO OE TOKONY HIDITRA HAPILAMINA NY TANANA NY TAFIKA REHETRA NA DE MISY ALAELONAREO AMIN'NY PREZIDA AZA!! PRESK EFA NAHAZO TENY ANAVONA SY FANDRAHONANA DAHOLO MANTSY NY KA BE NO MITADY TOURNANT X TOY IZAO NY OLONA,NY HERY 3(POLISY,MIARAMILA,ZANDRARY) TETO TANA ZAO TSY MIHETSIKA FOTSINY IZY DE BASY!!
8. mia ( 27/01/2009 19:12)
Tena marina ny an'i mino, inaction face à la crise izao no mitranga ka dia aza manaiky ataon'ny ratsy fitaovana intsony isika hiady sy hifandramatra; hangalatra, handroba. Efa mazava be koa angamba fa resaka pouvoir sy fitadivan-tseza sisa ny mitranga ao dago.
Mampalahelo fotsiny ilay olona efa mijaly mbola potika indray ny tanana dia miady sy mifamono ao, ny hatsembohan'ny sasany robaina fotsiny!!



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0867