VOALAVO
1. nyeja
(
27/01/2009 06:38)
VOALAVO
Mpandrava laka sy mpandavo
Ny biby antsoina hoe VOALAVO
VOAHOZONA HAMPIREFAREFA
Ka indro fa MANDRAVA EFA .
Potehiny tsy misy antra
Izay mba fananan'ny taranany
NY BIBY TSY HINO AN' ANDRIAMANITRA
Fa tena misy anie ny FARANY
Irony fanalam-baraka
No tadiaviny ikevohany
Mitombo isa ireo mahantra
Izay voalefony ao ivohony
Sanatria ny ho lasa avo
Ireo misaina toa voalavo
Voahozona hampirefarefa
Finaritra mandrava efa .
Ny Eja, 26 janvier 2009 amin'ny 4.10 maraina.
Mpandrava laka sy mpandavo
Ny biby antsoina hoe VOALAVO
VOAHOZONA HAMPIREFAREFA
Ka indro fa MANDRAVA EFA .
Potehiny tsy misy antra
Izay mba fananan'ny taranany
NY BIBY TSY HINO AN' ANDRIAMANITRA
Fa tena misy anie ny FARANY
Irony fanalam-baraka
No tadiaviny ikevohany
Mitombo isa ireo mahantra
Izay voalefony ao ivohony
Sanatria ny ho lasa avo
Ireo misaina toa voalavo
Voahozona hampirefarefa
Finaritra mandrava efa .
Ny Eja, 26 janvier 2009 amin'ny 4.10 maraina.
répondu par nyeja le 27/01/2009 14:12
2. heidi
(
27/01/2009 06:39)
izaho koa manao hoe tena voahozona mitsy ra malagasy kely handrava efa .....
NY MPANARARAOTRA KOA AMZANY amin'ny halatra sns :lol:
NY MPANARARAOTRA KOA AMZANY amin'ny halatra sns :lol:
3. ni81
(
27/01/2009 06:49)
izaho koa manao hoe tena voahozona mitsy ra malagasy kely handrava efa .....(salut heidi!)Tsy mitsinjo ny farany mihitsy e! Efa manomboka tsy misy daholo hono izao ny PPN any dago! Vao niantso ny zandriko tany aho io izao. Loza mihitsy! :cry:
NY MPANARARAOTRA KOA AMZANY amin'ny halatra sns
5. nyeja
(
27/01/2009 14:12)
misaotra anao ry tsiafoi a .
nandalo teo amin'ny rnm izahay .... mahaontsa tsy tanako ny ranomasoko
nandalo teo amin'ny rnm izahay .... mahaontsa tsy tanako ny ranomasoko
