Mikorotana

1. fantasio ( 25/01/2009 19:09)
Aiza ny polisy fa mikorotana ny tanana. Aniza ireny olona manakorotana ny bas Quartier ireny ? Une foix de plus tsy heverina izahay
répondu par OoRakotooO le 26/01/2009 11:01
2. RanOBe ( 26/01/2009 02:55)
Taona 2002: Nitondra ny firenena t@ fotoana androny i RATSIRAKA, I RA8 kosa Ben'ny tanana teto tana . Iarahan-tsika mahalala ny zava-nisy raha nitondra ny tananan'antananarivo iRA8, nefa tsy mbola nisy fanakatonana ny MBS na dia nanao vava tsy ambina aza izy sy ny mpanara-dia azy ka nanevateva sy nanao zinozinona ny fitondrana t@ izany fotoana izany. Nivadika ny tantara , lany ho filohampirenena i RA8, izay nitokonana teo @ 13 mai fa nahodin-dRatsiraka ny valim-pifidianana. Raikitra ny taim-bava teo @ 13mai sy tany amin-ny haino amanjery MBS .
Ny zavatra voatsikaritra nefa dia ity; TSY NAKATON-DRATSIRAKA NY MBS?, TSY NOROBANA NY FANANAN'OLONA, (fandrobana emetteur TV &RADIO)
Taona 2007: Nisy ny election MAIRE teto M/car, nisy candidat narotsaky ny TGV izay independent t@ izany fotonan izany teto Antananarivo. Raha nanao fampielezan-kevitra ny TGV dia tany dia nisy sahady ny Gafy nataon'ny fanjakana RA8 (ary izy dia niteny hoe"ataovy izay tsy aha-lany io TGV io fa mety hanozongozona ny toeran-tsika io ary mety hamoaka ny secret-tsika any n@ vahoaka" t@ membre-ny gouvernement)
Raha lany ny candidat-ny TGV tamin'ny salanisa 63%,teto A/rivo , iray andro taorinan'izay dia nohesorina tsy ho andraikitry ny ben'ny tanana izay lany
tamin'ny safidim-bahoaka ny andraikitra fanendrena filoham-pokotany. Andro vitsivitsy taty aoriana nogejain'ny tresor ny financement-ny commune urbaine d'Antananarivo. Mbola marobe ny tao aorinan'izay fa tonga dia dinganin-tsika kely aloha.
Volana vitsivitsy lasa izay raha nanao valan-dresaka t@ mpanao gazety tany FRANCE i RATSIRAKA dia aino amanjery maro no nandefa izany (TVplus, MAtv, VIVA tv, sns...) ora vitsivitsy taorinan'ny nandefasana io oronan-tsary io t@ vivatv dia nivoaka ny didy fanakatonana ny vivatv. Ny fanontaniana mipetraka dia ity. FA MANINONA RAHA NAKATONA DAHOLO IZAY HAINO AMAN-JERY NANDEFA IO ORONAN-TSARY IO FA TSY HOE VIVA FOTSINY NO NAKATONA.
Ny fandaharana KARAJIA t@ RADIO DOMBOSCO izay namoahana didy fanafoanana moa tsy lazaina intsony.
Ny olona izay mahasahy mijoro sy masahy miteny moa dia lasa any TSIAFAHY sy ANTANIMORA no niafarany .
Taona2009: Ankehitriny amin'izao fitondran-dRA8 izao dia tsy misy mihitsy izany demokrasia izany, DIDY JADONA NO MISY ETO AMIN'NY FIRENENA , IZAY TSY MANARAKA BAIKO DIA MIGADRA .
Ankehitriny mùoa dia misy mihitsy ny MERSENERA avy ao afrique du sud nirahina manokana hanala ny "EMETTEUR" -ny radio VIVA izany hoe foana tanteraka izany ny radio sy tele VIVA ary koa hisambotra ny ben'ny tanana marihiko manokana fa fananan'ny ben'ny tananan'Antananarivo ANDRY RAJOELINA ny radio sy tele VIVA.
Izaho dia mipetraka eto ANTANANARIVO ary mahita tsara ny zava-misy.Ka Diniho tsara re-olona vao mifanakiana isika indrindra ireo any ampitan-dranomasina. Misy resaka TSY MILAMINA ETO MADAGASIKARA amin'izao fotoana izao ka anjaran-tsika ny mamakafaka sy mandinika mba tsy hisian'ny nenina any aoriana. Ary fantaro fa raha mbola olom-pirenena malagasy koa ianao na aiza na aiza misy anao dia tsy ho afa-bela eo anatrehan'ny taranaka fara-mandimby izay hizaka ny vokany any aoriana any .
Dia mahereza ry Malagasy tsy vakivolo !
3. hery ( 26/01/2009 04:34)
Tamin'ny 2002 dia efa tsy mpitondra intsony Ratsiraka. Vokatry ny fifidianana nisy hala-bato no nampikorontana fa tsy fitakiana ny fialan-dratsiraka intsony.

Izay no lazaiko hoe miandrasa fifidianana dia raha misy hala-bato dia mikorontàna.

4. dadasy ( 26/01/2009 04:47)
Tsy misy lalan-kafa azo hizorana mihitsy ve fa de tsy maintsy hirotsaka higrevy indray isika? Manao maso be tsy mahita raha milaza fa mandeha daholo ny zavatra rehetra. fa tena vahaolana ve ilay fitokonana? za tsy nihafihafy mihitsy nitokona t@ 1991, mbola namokovoko t@ 2002. Ny toekarem-pirenena anefa tsy niakatra fa vao miha nihanijotso. Aleo mandinika tsara vao manapa-kevitra fa tsy tsara raha entin'ny fo manao zavatra, ny fo manko hono ranomafana, hoy ny Razantsika hendry izay.
5. tsiafoi1 ( 26/01/2009 08:13)
KORONTANA A! TSY EKENA !!!!
Nosy i Madagasikara, ary tsy Afrika ka akorontana sy asavorovoro, mba hametrahana ny saribakoly...

Tena tacle ho an'i TGV sy ireo diplomates iny fihetsik'Antananarivo iny..., indrindra ho an'ilay mpampiady angely malaza... Tena Tsy nampoiziny... Midika ireny fa manana fahamatorana politika Antananarivo... Takiany ny fanovana, saingy laviny ny fanakorontanana ny fireneny, fa indrindra ny fampiverenana azy @'ny efa naloany

Misehoa izay tena olomanga vaovao raha misy tokoa izany!!! Raha tena olona madio sy vaovao de aoka tsy hatahotra hiseho ny vahoaka, fa ny ahiko toa ambodia mitafy odin-janak'ondry, ilay mijapy eo ambony soavaly fotsy. TANDREMO
6. andrywui ( 26/01/2009 10:44)
TENA SOAVALY fotsy RANO IRAY IO KA!! NY MASONAO NO MITAPINA AMIN'NY FANKAHALANA !! TSY MISY MPIJAMPY EO FA OLONA MANANA NY ZONY ARADALANA HITENY SY HANATRIKA IREO!! ARY OLOMPIRENENA ARADALANA KA AFAKA MITENY KOA FA TSY MISY TAMPENAMBAVA ZANY NA OLONA TALOHA IREO NA ANKEHITRINY
7. ngoiha ( 26/01/2009 10:59)
Hita mihintsy hoe olona tsy nianatra le TGV rehetra satria ny zavatra hataona dia tsy misy mandeha amin'izay tokony ho izy,ny manan-tsaina zay mba niaraka taminy aloha dia naleony nandeha nitsena an-Dravalo satria tonga saina fa kay tsy DEMOKRASIA no takiana fa fitadiavana seza ho an-DRY DINOZORO,dia mbola niantso indray izy hoe tsy mianatra ny mpianatra,tsy miasa ny mpiasa,AZA manaiky hataony fitaovana ra-olona a Izy anie ka na tsy hiasa aza be vol'e,fa nareo sady tsy misy asa no tsy misy vola satria tsy misy mihintsy ZONE ka hanokatra trano nefa ianareo mi-grevy
AMPIASAO IHANY OA NY SAINA FA TGV ANIE TSY HAMAKY LOHA AM'NAREO REHEFA TAFIT'E
HE HE HE
8. OoRakotooO ( 26/01/2009 11:01)
Ny fanontaniana mipetraka dia ity : izay ray tonga eo mivadika daholo @ teniny, dia tsy mahay raha tsy manapatra fahefana sy hery ary manova lalàna. Fa isika ve efa DP (donto-p....aty) ka tsy hafaka mametraka rafitra hoe rehefa mitsivalana ny mpitondra dia tokony azo ahitsy, toriana na gadraina mihitsy fa tsy mila mandeha makany @ 13 mai foana e?
Raha tonga eo anie io TGV io ka Ra8 kely hafa koa dia hitsivalan indray koa raha tsy misy arofanin'e!

Sa ve isika dondrona ka izay vitan'ny maorisiana kely ery tsy vitatsika? :cry:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0473