Androany ny famindrampahefany bekintana @ Atoa B.Obama...

1. naughtyboy ( 20/01/2009 04:05)
Dia androany ny fitokanana maha filoha faha-44 ny bekintana an'Atoa Barak Hussein Obama(afrikana amerikana)mpifaninana natolotry ny antoko demokraty ary handraisany fahefana feno @ mahafiloha azy ka idirany ao @ tranofotsy(izay marihina fa nampisaina ireo andevo marobe t@ andro nananganana azy), korana no hameno ny renivohitry D.C Washington(izay nitsangana t@ 17/08/1790 ahitana masoivoho firenena vahiny miisa 173 ,ireo fikambanana mpamatsy vola lehibe toy ny W.B , I.M.F ...betsaka ireo fanamby miandry ity filohavaovao ity @ ireo olana aratokatranony bekintana miandry azy sy ny raharaha iraisampirenena ivelany ary koa ny fitandroana ny fandriampahalemana erantany sns...Dia mirary soa ho azy hahavita be sy hahatontosa ny andraikitra iantsorohany ary mirary fiarahamiasa arampirahalahiana indrindra2 @ firenena 2 tonta M.kara/U.S.A ho rivobaovao ary fifandraisana akaiky
répondu par naughtyboy le 21/01/2009 10:58
2. naughtyboy ( 21/01/2009 04:06)
niezinezina tokoa iny finianana tao @ capitol Washington D.C omaly iny ary voasoratra ao anaty tantara,hatr@ JFK dia anisany nahasarika ny sainy maro tokoa ity endrika vaovao manofa ny tranofotsy.Raha ireo kojakoja lany arabola noho io fitokanana io fotsiny no resahina dia nahatratra $ 75 million,sy ireo fiarovana manokana ny filoha amerikana vaovao.Roa no zavatra lehibe azo nositomina araka ny fijerinay manokana iny vanimpotoana iny,
-Ny fanantenany ireo vahoaka amantapitrisany izay noraisiny Obama.H.Barak ho adidy sy fanamby ho azy hanovana ny zamerika ho firenena filamatra tsy
iseho @ endriky ny herisetra sy hetraketraka toy ny t@ androny reo repoblikana maromaro(R.Reagan,G.W.Bush roa nifandimby..)intsony ary tompon' andraikitra eo fandriampahalemana erantany (na dia tsy nomarihina tao aza ny afera Israely-Palestina)
-Fanarenana ny fahavoazana aratoekareana,lafiny sosialy natao anjorontrano teo @ raharahantokatranony amerikana izay tafalentika nandritra ny 8 taona nitondran'ilay filoha ratsy indrindra @ tantany politioka ny bekintana G.W.B
Tsy @ alalany lokaloka fa fanentanana ho tongotra hiaramamindra sy sosroka hiaramilanja @ vahoaka.
Farany tsy azo adino dia ny fahaizany A.toa filoha Barak Obama mikabary ananany tokoa ny fahaiza mandresy lahatra izay voajanahary(pouvoir oratoire)
ao aminy,t@ 2004 ra nahita azy io t@ fahita lavitra ny tenako nikabary tao @ fivoriany demokraty raha mbola senatera ny tenany(Illinois) ,teo anatrehany B.Clinton sy reo goaika antitra no nohamarihako izany voalohany,mirary soa azy...
3. penguin ( 21/01/2009 07:37)
Miseho milay ka tsisy kil hany ka notti valian'i notti sisa. Mba sokafy ny saina hoe milay marina vé ny tenanao sy ny loha-hevitrao.
4. naughtyboy ( 21/01/2009 09:31)
manana olana manokana gnaha i zanety,zankely @ fitokanana an'i Obama ndana mitory any @ ambasadiny bekitana =))
5. penguin ( 21/01/2009 10:36)
Iza no tsy maharaka io nefa elah no milaza anambara sy hanazava. Donto izany raha olona.
6. naughtyboy ( 21/01/2009 10:58)
azavao kely anay eto ary oe izany araky zanety t@ io zany =)) =)) =))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.045