Tena ilaina tokoa ny filaminan-tsaina an !

1. niryna ( 15/01/2009 05:55)
Nisy ramatoa izay ,ny vadiny foana no manatitra ny zanany mianatra.Ny antony dia sady mianatra izy no miasa .Indray andro anefa izy dia nasain'ilay rangahy naka ilay zaza ary dia nataony tao anaty fiara ilay zazakely .Tsy tao anaty sainy ilay zaza hoe niaraka taminy ,tsy tadidiny hoe hay izy misy fivoriana ary dia nandeha anjambany fotsiny izy ka adinony tao anaty fiara ilay zaza.Ny andro moa nafana be ka tena tsy tsaroany ilay zanany :roll: fa olona sendra nandalo no nahita hoe misy zaza toa matory ao anaty fiara kanefa ny vavany mivoaka fotsifotsy be.
Niakatra fitsarana ilay ramatoa ary dia nivaky nilaza ny marina izy fa mirotoroto be ny fiainany ary vonjeny ny atsy ,ataony ny eroa ary tena tsy tadidiny hoe tao anaty fiara ilay zaza satria tsy fanaony ilay izy ..Mba sambany tsy voasazy ilay ramatoa saingy ny zanany kosa dia nafoy .

Indraindray isika dia mila mitandrina tokoa fa ilay maikamaika lava io dia ahitana loza ... asa hianareo raha mandeha eny an-dalana dia mieritreritra hoe novonoiko ve izay ny fatana e... raha sendra mahandro sakafo alohan'ny andehanana hiasa ohatra ny maika hivoaka ny trano ...dia hoy koa ilay tovovavy hoe naheno fofona vomanga aho hoy izy teny an-dalana ary dia niverina nody ,hay adinoko ny namono ilay afo tao an-trano .(fatana gas io na electric a ) kila tanteraka tokoa ilay vomanga

Reraka ny avy niasa ity ramatoa ary dia nahandro saosisy izy ka nidabodaboka teo am-pandriana ,efa tonga ny pompier vao nahafantatra izy hoe may kila firehitra ny saosisy , natory adin'ny roa teo izy ka tsy naheno na inona na inona ,saika nirehita teo ny trano,ary saika matin'ny gas carbonic teo izy

Tandremo ary ny maimaika lava ataovy milamina kely fotsiny fa aza mirotoroto satria be dia be ny zavatra adino ,mety na ny trano aza tsy ho voahidy knou ary mety hiakatra hatramin'ny tosi-dra koa anie e hi,hi

Inona no efa nahazo anao na mitovitovy ireo nolazaiko ireo ?
(l) niryna
répondu par nikah le 16/01/2009 11:43
2. soafara15 ( 15/01/2009 08:46)
Koa ilay fiainana mihintsy anie no tsy mampilamina ê! miezaka ihany fa indraindray tsy mety fa tratra ihany. olombelona ihany tsinona.
3. niryna ( 15/01/2009 15:45)
soafara15:

Koa ilay fiainana mihintsy anie no tsy mampilamina ê! miezaka ihany fa indraindray tsy mety fa tratra ihany. olombelona ihany tsinona.

marina izany fa hoy ilay ramatoa miaraka miangona aminay izay hoe avelao eo daholo izay tsy vita aloha,dia avelany eo tokoa ,indraindray aho dia manao izany koa fa tena mampiadan-tsaina ilay izy na dia mijery ilay mikorontana kely aza fa tsy mila manenjika . izany koa angamba no nahatonga ny fast food na ireny sakafo maimaika ireny k'ty

:D
4. bobone ( 16/01/2009 07:18)
niryna: betsaka aloatra akia ny zavatra hatao an! na miezaka mandamina ny hatao aza tena misy tsy voatandrina izany fa lasa mivaona foana!
ohatra izao androany hafa ny progamanao efa mati-paika hoe hakary zao ! hanao an'ity zaho snsn ! rehefa misy asa vaovao mipoitra dia rava daholo ny lamina efa namboarina tsara!!!
sady na haka aina kely aza enao nefa misy zavatra mbola tokony hatao dia tsy mandry ny saina e! fa amiko ! vitaiko aloha izay mety ho vita e! dia ny sisa manaraka ihany!!!
5. nikah ( 16/01/2009 11:43)
Za ry nyrina de efa imbetsaka no voan'ilay miverindalana fa manadino manidy trano.Rotoroto ny fiainana ka hatao ahoana fa ny aza voany fotsiny e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3101