tele-enseignement en ligne?

1. sitlo ( 28/12/2008 10:16)
Misy zavatra tiako atao izany hoy aho dia tsapako ny farany fa ny resaka lalàna malagasy mihitsy no tsy haiko.

Misy mampianatra lalàna malagasy en ligne ve? na mandoha vola aza tsy olana fa ho jerena. Misy ilay namako INSCAE ireny ihany fa tsy haiko fa tiako ho izaho no manao etude de marché. Ry zareo koa mantsy fantatro fa tsy maharaka ny resaka marché international noho ny aty.
répondu par hana le 05/01/2009 13:29
2. Samoana ( 28/12/2008 18:53)
Tsy hitako izay mlazaina fa ialahy fanilo aza fanina :-D
3. hana ( 30/12/2008 13:06)
miarahaba anao sitlo
izaho diplômée INSCAE fa mipetraka aty an-dafy, inona marina no tadiavinao?
hana
4. sitlo ( 31/12/2008 04:48)
Lakilasy mampianatra ny lalàna malagasy, indrindra fa ny resaka zon'ny mpamorona.
Ohatra (ohatra ihany ito) hoe: iza no tompon'andraikitra amin'ny clip gasy mandeha amin'ny dailymotion? Mandoha vola amin'ny OMDA ve ry zareo? Raha hitory, dia ny toerana misy ilay serveur ve no itoriana azy(izay no aty), sa ny toerana misy ny tompony? etsetra
5. Lejoba ( 31/12/2008 17:54)
raha ny lalàna gasy ra-sitlo dia mbola lavitra ezaka be ny zon'ny mpamorona ah. Mitango vola ny OMDA. Fa matetika dia ny mpanakanto indray aza no mandoa vola manambitamby haino aman-jery hankalaza ny sangan'asany. Ny fahalalako azy, mandoa vola ny haino aman-jery , oh RVG, fa tsy au coup par coup toy ny aty an-dafy ka hoe lasa laibany be ilay mpanankanto satria mandeha foana ny hirany.
Ny tena arovan'ny OMDA dia resaka plagiat na halatra haren-tsaina. Oh: hiran'i Samoëla hirain-drasitlo atao fitadiavambola eny an-tsehatra.
Raha mijery nareo @ Daily misy hoe hajao ny droit d'auteurs dia afaka madiodio izy.
Avy eo indray raha resaka compétence territoriale no resahina dia malalaka be (toerana ametrahana fitoriana), indrindra raha délit s/ Internet. Raha ny lalàna dia izay toerana nandikàna ilay lalàna, koa raha Daily dia tokony ho ny siège-ny, nefa, ebay izao dia tsy maintsy manaraka ny lalàna @ izay toerana misy ny diffusion (USA v/s France).
Fa dia cours iray manontolo io fa tsy haiko i hana raha hanampy, na ny namana hafa
6. hana ( 05/01/2009 13:29)
miarahaba anao tratry ny taona 2009 sitlo
raha azoko anie izany, ny tianao hatao, hampiditra ny sanganasanao any Dago ianao (mila étude de marché) ka tianao ho fantatra ny voalazan'ny lalàna momba izay. Nefa tsy azoko ilay hoe marché international.
Tsy fantatro izay toerana onenanao, fa raha tianao ho voaro tsara ny harentsainao, ny lalàna eo @ toerana ipetrahanao no maharo azy kokoa, fa izany hoe raha mikasa handehandeha hankalaza tena aty ivelany ianao dia tsara fantatrao koa izay lalàna manankery @ toerana alehanao. Misy mantsy sangan'asa voarara @ toerana sasany nefa ekena any @ hafa. Efa tena miditra droit privé international mihitsy indray izay, ny Universités any Canada jereo ihany fa misy branches spécialisés toy izay ary matetika ry zareo manana télé enseignement.
Raha haka ny ohatra noraisinao. Atao hoe misy hiranao nisy namoaka tsy nahazo alalana ao @ Daily motion. Plainte contre X no azonao atao any @ ilay toerana voalazany eo ambanin'ilay clip iny. Matetika tsy mila mitory izany nefa fa anoratanao fotsiny i Daily hoe sangan'asa tsy azo avoaka io dia esoriny ary sakanany @ manaraka.
Un mauvais consensus vaut parfois mieux qu'un bon procès
hana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2076