Misafidiana aminay roalahy Jehova sa Izaho?

1. gasyjean ( 27/12/2008 18:59)
Izao no fandehany,ity sipa iray niaraka tamiko ary tia hay hatramizay izany dia vetivety teo dia tsy tia ahy intsony satria nijanona tsy nankany am-piangonana aho,ka saika mba hanontany aho hoe norme ve zany?sa marina ilay hira hoe misafidiana aminay roalahy Jehova sa Izaho?
répondu par dadatoakoto le 05/01/2009 07:31
2. Mirananirina ( 28/12/2008 11:57)
Miverene indray any ampiangonana raha izay no tiany sy raha ohatra ka tia azy koa ianao.
Amiko manokana aloha tsy mety izany.Tsy voatery miangona any ampiangonana vao mpivavaka.Izaho izao efa 8 taona no tsy niditra ampiangonana,nefa mivavaka foana aho isan'andro.Dia tsy mety ve izany?Tsy rariny kosa ny azy.Nefa ny fitiavana dia izay,araho ny teniny sao manjary misaraka eo.
Ary teneno koa izy fa ireo sasany miditra ampiangonana ireo dia mpangalatra,mpamono olona,mpanainga,tsy voatery ho olona marina foana.
Ny sasany kosa anefa tena mpivavaka avy aminy fony sy madio.
3. kotobekibo ( 28/12/2008 13:20)
Eo @ fiarahana d misy foana ny conditions isankarazany , izany hoe marimaritra iraisana .
Tahaka ny lasitika io , izy izao no mandrirotra raha mbola mandrirotra koa élah d ho tapaka ilay izy . Teneno izy tsy handrirotra na élah no mila manantona ( sacrifice kely ) .
Marina ny tenenin'i Mirananirina , miangona tsy mitovy @ hoe mivavaka .
elah no tompo-tsafidy , vonona @ conditions-ny v élah ?
4. vale ( 28/12/2008 14:12)
Aza miverin-dalana kosa eee, mety diso fanantenana izy satria enao ilay mankany am-piangonana no nitiavany anao! aza miverin-dalana, na ho azy na tsy ho azy intsony enao!!!!!!!!! :wink:
5. Koditra ( 28/12/2008 18:56)
Marina letsy io tenin' vale io, elah mpakany apengonana no nitiavany an'elah.
Arak'io nolazain'kotobekibo io hoe zay ny condition-ny ka vonona ve sa tsia?
6. Samoana ( 28/12/2008 19:14)
Teneno izy fa avo loatra i Jehovah ka tsy azo ampitoviana ny fitiavanao sy ny fitiavany. Tsy manakana azy hivavaka mba aharetan' ny fifankatiavanareo ny tsy fankanisanao am-piangonana. I Jehovah naniraka ny zanany hamonjy ny very fa tsy hoe hampody ny avotra :wink:
7. Mirananirina ( 29/12/2008 16:12)
Gasyjean,aiza ianao
8. Papoose ( 29/12/2008 18:51)
kay le! fa ahon :^)
9. kotobekibo ( 29/12/2008 22:13)
lasa Vazahajean angamba lery d tsy kopy izay tranga eto . :-D :-D
10. ikaretsaka ( 29/12/2008 22:45)
Samoana:

Teneno izy fa avo loatra i Jehovah ka tsy azo ampitoviana ny fitiavanao sy ny fitiavany. Tsy manakana azy hivavaka mba aharetan' ny fifankatiavanareo ny tsy fankanisanao am-piangonana. I Jehovah naniraka ny zanany hamonjy ny very fa tsy hoe hampody ny avotra :wink:


Iombonako hevitra
11. Mirananirina ( 30/12/2008 13:04)
Tsy hita ianao ry gasyjean
12. Papoose ( 30/12/2008 22:10)
sao de lasa metisyjean! :-P
13. Bita ( 03/01/2009 11:40)
Hihaona @ Atra sy hihaona @ tavan'ny rahalahy sy ny anabavy ao aminy no handehananao any ampiangonana sa tsy izany koa naninona no tapahinao noho ny @ iray fotsiny rehefa tsy tia anao izy dia izao no lazaiko anao tsy mbola anjara angamba izy fa mbola hisy olona hafa indray mety ho tia anao sy ho tianao ka za mihemotra fa mndrosoa lalindalina ihany
14. colaps ( 03/01/2009 15:00)
tsy voatery miaraka aminy foana no atao hoe mivavaka!eny e!f na dia izany kosa aza mba hazavao nareo aminy ny antony tsy hidiranareo any ampiangonana(misy antony manokana) satria mety manana eritreritra hafa izy(momban'az ohatra)
Resaka azo alamina tsara izany raha toa ka tena amFO nFitiavanareo.
15. dadatoakoto ( 05/01/2009 07:31)
Ny sipa koa manana ny reviny. Rehefa oe tsy reviny ny bandy tsy makany ampiangonana de tsy reviny de zay zany. Fa elà no mila manaiky izay condition-ny zay raha mbola te hiaraka aminy.
Na koa elà mahay mampiova hevitra azy. Le izy tsy ifanerena fa samy manana ny safidiny ny tsirairay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2635