firariantsoa

1. fijo ( 19/12/2008 21:17)
misaotra antsika rehetra mpandray anjara mavitrika eto indray,fa dia feno sy maro tokoa ny hevitra nifanakalozana teto.
hifarana indray moa ity ny taona,ka dia mirary soa hoantsika rehetra ny tenako.
ataoko aloha izao,satria hisintaka kely ny tenako,ka tsy hiverina raha tsy ny faran'ny janoary 2009.koa dia mirary sahady fety soa hoantsika rehetra.

mifalia miravoa,ary aza hadino,fa mbola eto ihany isika amin'ny taona manaraka.

manaova noely sy taombaovao ampilaminana daholo ary e.
répondu par salopard le 23/12/2008 15:22
2. laalah ( 19/12/2008 21:22)
misotra am firariantsoa de tsara mitsy ny angalanao rivotra kely any so enao mba miova kely hany ; refa tonga eto ndray am manaraka enga anie ty noely sy taona vaovao ity itondra fiovantsaina ho an tsirairay , tahaka an Paoly zay nanamafy ny fony nefa tonga ny andro niantson i Jesosy azy de nanaiky hany izy bisous be ho anao
3. fijo ( 19/12/2008 21:44)
hihihi de samia isika miova ary e
4. rakapy ( 19/12/2008 21:57)
Dia mirary soa ho anao sy ny rehetra letsy Ra Fijo! Dia efa manantena izany ny pokona fa fitoriana indray no ataon'ilahay @ taona 2009 fa tsy filazana ny zava-misy intsony? :-D :-D :-D
5. ikaretsaka ( 19/12/2008 22:21)
Ok letsy ra fijo an... mahombiaza @ ze hatao any am pisintahana any e... tondray galioka shefa miverina e
6. rabilabila ( 19/12/2008 23:53)
Snif!!snif!!! Soava tsara e!! dia mananaraota tsara amin'ny fety fa tsy impiry hanao izany isan-taona .Dia ho tsra mandroso ,tsara miverina , dia ......amin'ny herintaona indray izany !!!
7. badboy ( 20/12/2008 05:23)
Soavadia lesy rafijo!! Dia efa manantena izany laalah fa hampisokatra ny mason'ialahy ny fandehanana lol, ka rehefa miverina ialahy dia anatevindaharana ireo mpitory fa tsy ho mpampitahy ny zavamisy marina sy ny hevitsingevana intsony!!! Tsy resilahany teto ialahy izany dia mba hirariany ny haharesy lahatra any @ izay aleha!!

Ary maninona moa anefa no dia hirariana tahaka izany ilay fandehanany fa tsy avela fotsiny izy hakarivotra ampilaminana eh? Sa koa tsy mahazo maka aina fa tsy maintsy totonondrobory foana ilay fikatsahana ny fandresena lahatra?? Sao dia mba tena lasa lavitra loatra!! Sa efa tena lasa lavitra satria na ny mpilongue sy ny mpandeha bus aza tsy amelana mihintsy!!



:evil: :evil: :evil:
8. tywa68 ( 20/12/2008 09:12)
Fijo : mirary fety finaritra ho anao sy ny ankohonanao, d @ fevrier indray zany e :wink:
9. Koditra ( 20/12/2008 12:03)
Ok letsy eh!, sovadia dia manaova fety sy vakansy milay be.
10. fahamarinana ( 20/12/2008 15:05)
:arrow: dia mirary ny soa sy ny tsara ho an'i fijo sy ho antsika rehetra e..amin'ny heritaona ndray mihaona an-tsoratra. :-* (l)
11. kelly13 ( 20/12/2008 15:47)
bôny fety lefijo d mampamangy any ra sendra mihaona ianareo, rôvina mou no hanomboka "hisitaka" ianao?
12. booboo ( 20/12/2008 19:14)
soava dia sy bôny vacs le Fijo ! itondrao fofona mofogasy vao mafana rehefa miverina ê hihihihi.
Mbola samy hifanabe soratra aby ange @ herintaona.
13. rahery08 ( 22/12/2008 12:57)
Ok Rafijo !
Mahafinaritra ny dinika! mirary soa ho anao sy ny ankohonanao!
Ho Tahin ny Tompo, Tsara mandroso ary ho tsara miverina!
Dia manaova fety sambatra!!!
14. rabilabila ( 22/12/2008 16:16)
Ry Namana isany:
Androany no faran'ny handraisako anjara amin'ity taona ity ; hisintaka (hoy i Fijo izay ) vetivety fotsiny ;ka alohan'ny handehanana anefa dia te-hizara aminareo ireto aho ,izay inoako fa iarahako aminareo eto:

http://www.youtube.com/watch?v=5OAtyQIeVic

http://www.youtube.com/watch?v=nneJg2ivhv4

Dia manaova fety soa daholo ......
Tandremo fa tsy miaraka ny fissotroana sy ny tonabila ......

Mandra-panoratra indray .

Rabilabila
15. Noue ( 23/12/2008 06:49)
misaotra eee ! dia torakzany koa ianareo rehetra ! manaova fety sambara daholo :)
16. niryna ( 23/12/2008 14:59)


Mirary krismasy sambatra ho antsika rehetra :-* :-*
(l) niryna
17. salopard ( 23/12/2008 15:22)
hisintaka ho aiza ary i fijo sy bila,

f'angaha tsy misy internet any @ toerana hisintahana?
zay le vokatrin'ny tsy finoana, lasa any @ tany tsy misy andriamanitra no lasa anaovana vacance

tsy ampy dôzy , fa sao misy any ry bila sy fijo a!
sniff..., snifff
tcouff..tcouf...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0745